Andry Tsiavalona
« Tsy nisy zava-bitan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny dimapolo taona mahery teto amin’ity firenena Malagasy manana ny harena rehetra izay fanoitra hahafahana mampandroso azy », hoy ny filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina. Vohizina ombieny ombieny fa hetsi-bahoaka no nampahomby ny fanonganam-panjakana notarihany tamin’ny taona 2009. Raha atao jeritodika ny hetsi-bahoaka rehetra teto (1972, 1991, 2002) dia tsy nisy nitovy tamin’izay nitranga tamin’ny 2009. Ny nanana ny fahefana tamin’ireo vanim-potoana ireo no nampiasa fitaovam-piadiana sy herim-pamoretana nentina nanapotika ny hetsi-bahoaka saingy vondron-tafika manokana no nandray anjara tamin’izany (FRS ny taona 1072, RESEP tamin’ny 1991), ka tsy maintsy nilefitra ihany. Niaro ny safidiny ny vahoaka Malagasy tamin’ny 2002 ka tsy nisy herim-pamoretana azo nampiasaina, niroso tamin’ny fifanarahana tany Dakar no niafaran’ny resaka. Tsiahivina fa nitanila ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’izany fotoana izany ka nampandresy ny Amiraly Ratsiraka Didier kanefa dia niafara tamin’ny fandresen-dRavalomanana Marc ihany satria tsy nilefitra mihitsy ny Malagasy. Misy lesona maro azo raisina sy entina mitantana ity Firenena ity kanefa dia nodian’ny politisiana tsy fantatra ireny tranga ireny.
Raha iverenana kosa ny hetsika tamin’ny taona 2009 dia miaramila sy zandary nihoko no nanongam-panjakana ary nitodika tany amin’ny mpitondra fanjakana ny basy aman-tafondro fa ny vondron’olona nanara-dia ny mpihoko kosa nanararaotra ny toe-draharaha ka nandroba sy nandoro fananan’olona. Famadihana Tanindrazana avo lenta (haute trahison) no azo amaritana iny raharaha iny. Noravan’ny fitondrana tetezamita avokoa ny andrimpanjakana nisy rehetra ka nosoloina olom-boatendry ny olom-boafidy, noho izany nanjakazaka sy nanao ny danin’ny kibony tokoa ny nanodidina an-dRajoelina Andry. Nandrafitra lalàmpanorenena ny fitondrana tetezamita izay nihàtra taorian’ny nahalanian-dRajaonarimampianina Hery ary mbola manan-kery sy iainana hatramin’izao. Teo amin’ny lafiny fampandrosoana ny Firenena eo amin’ny sehatra rehetra dia tsy azo hafenina ary hitam-poko, hitam-pirenena fa ny mpitondra tamin’ny tetezamita nodimbiasan’ny mpitondra ny Repoblika IV no nampikoroso fahana ny fiainam-pirenena ka mirongatra ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy, manjaka ny kolikoly, mahazo laka ny trafika isan-karazany, mahantra fadiranovana ny sivifolo isan-jaton’ny Malagasy. Nitsakitsahan-dRajoelina Andry ny “Tondro Zotra” narafitry ny vondrona iraisam-pirenena izay lasa lalàna velona ka izany no anisan’ny antony tsy nahazoana famatsiam-bola mihitsy nandritra ny tetezamita. Natao ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavambahoaka tamin’ny 2014 ka itsy voalohany dia nanjakan’ny halabato “bevata” kanefa dia neken’ny Komisiona Manokana misahana ny Fifidianana (CES) ny fahalanian-Rajaonarimampianina Hery ho filohan’ny Repoblika IV voalohany satria azo lazaina fa kandidàm-panjakana (tetezamita) izy. Nanomboka teo ny fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ka anisan’izany ny fanendrena ny Praiminisitra. Na teo aza ny olana sy disadisa ara-politika isan-karazany dia nahatafita ny fepotoana dimy taona nitondrany Rajaonarimampianina Hery. Niroso indray ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, na feno hosoka sy halabato ary fividianana safidy aza izany dia nolaniana, tamin’ny alàlan’ny didy tsy azo ivalozana navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ho filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry Nirina. Nanaiky izany tamim-panetren-tena Ravalomanana Marc satria efa niainany ny toe-javatra toy izao ny taona 2002, ka azo inoana fa ho ratsy lavitra noho ny tamin’izany no hitranga eto raha nanohitra izy. Telo volana taorian’ny fianianana nataon-dRajoelina Andry fa hanaja toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana izy dia niketrika ny hanitsy sy hanova ny andininy sasantsasany ao sahady ary nanendry daty hanaovana fitsapankevi-bahoaka handaniana na tsia izany, na mbola tsy nanontany ny hevitry ny HCC aza. Efa niomana fatratra tamin’izany ny ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ary nilaza fa vonona amin’ny fanatanterahana. Toy ny tamin’ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ihany dia voaporofo indray ny fiandanian’ity andrim-panjakana ity amin-dRajoelina Andry satria tsy mandinika inona no voalazan’ny lalàmpanorenana manoloana izany fikasana izany fa dia “vonona”, ary dia efa nataony ny antsapaka amin’ny fidirana ao amin’ny RNM sy ny TVM amin’ny fmpielezan-kevitra amin’ny fampandaniana ny Tsia n any Eny. Misy mpahay lalàna koa ao amin’ny manodidina akaiky an-dRajoelina Andry ao ary misy mpikirakira ity lalàmpanorenan’ny Repoblika IV ity kanefa asa na nanaiky nampijabahana na efa tsy fahaizana, na kiribiby fotsiny izao satria nanantena fa ho eken’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana an-jambany ny fikasany. Manana ny fahefana rehetra eo am-pelatanany Rajoelina Andry, ka tsy hisy sahy handà izay tiany hatao toy ny tamin’ny tetezamita. Mampametram-panontaniana izay mety ho avin’ny mpikambana ao amin’ity andrim-panjakana ity izay olomboatendry ihany koa.
Ny zava–dehibe dia ny fahasahian’ny HCC nitsipaka ny fikasana na ny teti-dratsin’izao fitondrana izao, izay ny hifehezana ny fifidianana depiote no tanjona fa mody nasongadina fotsiny ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Vao volana telo no lasa kanefa sakana iray lehibe ho an’ny mpitondra sahady manoloana ny tetika politika tiany hitondrana ny Firenena ny nitsipahan’ny HCC ny fikasany an-kamehana hanao fitsapankevi-bahoaka. “Làlan-tsarotra iny làlan’iny”, hoy ny hira fanevan’ny tetezamita, kanefa nahavita nitondra ny Firenena nandritra ny dimy taona Rajoelina Andry, na dia nofaritan’ny vondrona iraisam-pirenena ho “tsy misy kalitao” aza. Mbola sarotra sady mbola lavitra ny làlan-kodiavina ka asa raha ho tanteraka ny “finiavana” (Initiative) hanandratra an’i Madagasikara na tsy hiainga mihitsy indray ny lamasinina haingam-pandeha. Ny tsoa-kevitra azo avoitra aloha tao aorin’ny hevitra navoakan’ny HCC, afa-baraka Rajoelina efa namaritra daty, afa-baraka i Lalatiana niseho nilay nefa tsy milay akory hoy ny tenin-jatovo izay, ary afa-baraka koa ny CENI, efa vita ny antsapaka nefa tsy mbola hisy aloha ny fitsapankevibahoaka amin’ny 27 mey ho avy izao.