Sôh’son
Tsy manana fahaleovantena marina ny firenena na dia idedahana aza ny hanamarihana ny fankazalana izany afaka 11 andro, sy indrindra ny amin’ny taona ho avy izay hitsingerenan’ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena.
Ny akaiky indrindra ho porofo ilazana izany dia ny vidin-tsolika. Nanao angoan-tenda i Andry Rajoelina tamin’ny faha-100 andro nitondrany teny Mahamasina hatramin’izao fa tsy maintsy midina ny vidin’ny solika rehefa avy mihaona amin’ireo vondron’ny mpandraharaha mpanafatra sy mpaninjara izany eto ny tenany. Efa nisy ny fihaonana teo amin’ny roa tonta kanefa hatreto tsy hita izay vokany mazava. Mpanefoefo manontany ny ory araka ny fitenenana ireo ary teratany vahiny avokoa. Raha araka ny re amin’ny dinika nifanaovana tamin’izy ireo, dia tsy vonona velively hampihena ny vidin-tsolika izy ireo ary ny iriny aza dia ny hiakaran’izany hatrany hitsentsefana an-kolaka ny vahoaka sy ny firenena Malagasy. Fanjanahana amin’ny endriny vaovao mazava be izany.
Mikisary tsotra izany, fa voafatotra ara-toekarena ny firenena Malagasy fa tsy manana fahaleovantena izany. Ny tsy fananana fahaleovantena ara-toekarena dia mira tsy manana fahaleovantena marina. Ny Nosy manodidina na “îles éparses”, dia tsy mbola tafaverina hatreto, n’inona n’inona fanazavana ny amin’izay dinika natao tany Frantsa tany, ary na nisy koa aza ny filazana fampahafantarana fa efa tany amin’ny taona 1979 io no neken’ny Firenena Mikambana fa an’ny Malagasy. Tsy naverin’ny Frantsay io mandraka ankehitriny fa “nofon-kena an-tanan-tsaka”. Ny ampahana tanin’ny Malagasy mbola fihinin’ny fitondrana frantsay dia mbola zanahiny izany. Midika tsotra izany fa tsy mbola manana fahaleovantena marina i Madagasikara 59 taona aty aorian’ny nilazana fa naverina taminy ny fahaleovantenany. Azo lazaina ho sarintsarim-pahaleovantena ihany aza ny iainana mandraka ankehitriny.
Izany ve no idedahana sy ivelezana vilany ho ren-tany ho ren-danitra fa hatao manetriketrika ny fanamarihana ny fahaleovantena, na amin’ity taona ity, na ny ho amin’ny taona ho avy. Ampahana fahaleovantena ihany koa no azo ilazana azy ka hibitaka sy hikimpy maso ve ny Malagasy ankehitriny? Ho faly amin’ny zavatra tsy feno fa mbola iarahana amin’ny mpanjanaka azy efa ho siekla iray mahery izao, miampy ireo taty aoriana teratany vahiny misoko mangina mandroba ny harem-pirenena eto ve ny Malagasy?
Fantatra fa misy ireo sokajin’olona mahazo tombony sy manan-karena amin’ny fiarahana miray petsapetsa sy misalobo-komana amin’izy ireo kanefa vitsy an’isa ireo. Tsy azon’ny saina ekena anefa raha ireo no mifehy ity firenena naha-saropiaro ireo razambe sy ireo raiamandreny nahafoy nandatsaka ny ràny sy ny ainy teto ity, fa ny ho an’ny taranany rehetra aty aoriana no notsinjoviny tamin’izany. Ary ny Malagasy tia tanindrazana marina dia tsy manaiky izany fitsentsefana ny haren’ny fireneny sy ny vahoaka Malagasy ary niharihary tanteraka izany tato anatin’ny 10 taona farany izao.