NY HIRAM-PIRENENA

Andry Rajoelina manitsakitsaka ny Lalampanorenana

Tena marina raha hainy izany hiram-pireneny,
Nefa anie ka Malagasy, gasy ray sy gasy reny!
Toa tsy mihetsika ny molony? tena mampisalasala
Raha hadino hatramin’ny hoe “ry tanindrazanay malala”!

Ny an’ny hafa no hiraina, ny an’ny hafa no isalorana,
Ary dia atao modely ny famindram-pozaorana?
Izany ve no fandrosoana, izany ve no fivoarana?
Sao karazam-pihemorana mody mba novana anarana?

Ny rehetra anie mijery, ny rehetra anie mitazana
Hoe ’nareo ve tena miaina ny “fitiavan-tanindrazana”?
Sa dia mba fitiavana inona ity ilay hoe lehibe indrindra?
Sao fitiavana hisongadina ary koa hahindrahindra?

Ny fahaizanao ny teny sy ny hiram-pirenena,
Dia porofo fa ianao dia zanaky ny Nosimena.
Raha ireo no hoe hadino, raha ireo no hoe tsy hay
Dia ’ndeha mandini-tena aloha ry mihevitra ho mpitondranay.

DADAN’i ZINA (08-07-19)