EDITO 3 Aogositra – Mikatso ny raharaham-pirenena – Variana amin’ny vakansy ny mpitondra

Sôh’son

Nanaitra ny sain’ny maro ary nahatafintohina ny maro ny nandre fa hoe haka fialan-tsasatra ny governemanta. Vao oviana no notendrena dia haka an’izany sahady, sao dia tsy rariny loatra? Na koa hoe enim-bolana niasana ireo mamerina manohy asa fa voatendry indray dia haka ihany koa an’izany, sao dia tsy hitsiny?

Ny asa vita no ifampitsarana, hoy ny fanambin’ilay lehilahy mpitana sy mifikitra ny fivoin’ny mpitondra mifandimby ary sakaizan’izay miakatra fitondrana mandrakariva izay. Raha tsaraina ny asa vita anefa tsy mifanaraka amin’ny teny nifanomezana na ny andrasan’ny vahoaka maika. Mbola mihizihizy tsy mivaha ny olam-bahoaka sy ny fahasahiranany lalina andavanandro. Tsy hita mangirana izay hisokafan’ny faravodilanitra amin’ny sosialim-bahoaka hatreto nefa nambara ho niasa ireo tao anaty enim-bolana.

Variana amin’ny vakansy ny governemanta arak’izany ka mikatso ny raharaham-pirenena. Ho an’ny vahoaka maro an’isa dia mbola tokony hiasa mafy sy hifofotra andro aman’alina ireo mpanatanteraka rehetra ireo hamaha ny olam-bahoaka ao anaty fotoana fohy. Tsy tokony hisy araka izany ny ho hiala sasatra noho ny asa maro mbola andrasan’ny vahoaka aminy. Holalaovina ve ny fitantanam-pirenena ity? Avela aloha ho voa any izay ho voa amin’ny vahoaka eo amin’ny fiainany eo, fa tsy maintsy hiala sasatra higalabona hianoka amin’ny harena azo aloha ny eo amin’ny fitondrana? Sao dia tsy rariny loatra? Miharitra ny mafy ny vahoaka miatrika ny vidim-piainana, fa tsy afa-miteny mankaiza satria noezahina natao ho toy ny “bibilava, tsy tanana handrangotra, tsy tongotra hitsipaka, tsy vava hiteny”(ialana tsiny amin’ny ohatra noraisina, fa toy izany no fahitana maimaika ny toe-java-misy ankehitriny)…

Ny olona miasa mafy dia mahita vokatra. Ka mahita vokatra ve isika mpiara-monina ankehitriny? Tsy ho afaka ho kibo mitsara tena ve ny mpitondra rehetra eo amin’ny fitondrana ankehitriny? Raha nandalo teto ny filoha roandey, Paul Kagame, dia toa nasisika tao an-tsain’ny vahoaka Malagasy fa haka modely ny fireneny isika, ka hitovy laharana tsy ho ela. Mitaky asa sy ezaka goavana eo amin’ny mpitondra anefa izany, fa tsy hisy fahagagana akory eo. Nanao ezaka mafy ny olona vao tonga amin’ny toerany toy izao. Isika anefa ity toa mihevitra ny hahazo izany amin’ny fipetrapetrahana, sy hiala sasatra rehefa avy manao asa kely tsy nanova zavatra firy akory teo amin’ny fiainam-piarahamonina sy ny fiainam-pirenena. Mahavariana… Izao fihetsiky ny fitondrana, ho an’ny mpandalina ny fiainam-pirenena, dia ahafahana mazava tsara mandrefy azy.