Ambatondrazaka  – Noho ny fifikirana amin’ny seza, be ireo mpamadibadika palitao

Mpiasam-panjakana ambony – Misy sahady ny talem-paritra mamadika palitao

Raoul

Zary lasa firesaky ny olona ny fahitana mpanao politika mamadika palitao isaky ny misy ny hetsika mamaivay eto amin’ny firenena. Fantatra fa efa misy amin’ireo Talem-paritra eny anivon’ireo sampandraharaha aty Alaotra Mangoro no efa namadika ny azy. Mbola tsy maina akory ny ravina nihinanana dia efa namadika sahady ny sasany vokatry ny fahatahorana sao ho very seza. Mitetika ny ho Talem-paritra mandram-paharetiretiny angamba hoy ny rehetra ka aleo mamadibadika izay azo avadibadika aloha.

Efa niaina tao anatin’ireo antoko lehibe tamin’ireny taona 1991 no niverina ho AREMA ary avy eo nivadika ho TIM ary nanaradrenirano tamin’ny tetezamita  avy eo nivadika ho HVM dia izao nivadika ho MAPAR izao indray. Misy ireo mangina tsy ahitan-teny firy any anatin’ny sampan’asa nametrahana azy saingy eo kosa ireo matahotra mafy ny sezany ka lasa nihazakazaka namonjy nanova loko haingana sao tratran’ny fitsokan’ny rivotra tampoka.

Nahatsara zavatra mihitsy ny nananganana ity governemanta iraisana ity hoy ny mponina fa nahafahana nanavaka ireo mpanao politika mahatana ny etika eo amin’io raharaha io, sy ireo izay faly ny amin’ny hamikitra amin’ny seza fotsiny ihany. Fantatra fa misy ireo izay efa tena manam-pahazarana amin’ity famadihana palitao ity ary tena manana traik’efa mihitsy saingy niseho ho hitam-bahoaka nony farany satria efa betsaka ny palitao navadika hatramin’izay.

Miady an-trano sahady ihany koa ireo vondrona politika lehibe aty Alaotra amin’izao fotoana izao noho ny resaka toerana amin’ny samy te-ho lohany hitantana izany. Isan’ny ahitana izany ny mpanohana an’i Andry Rajoelina sy Hery Rajaonarimampianina, izay tena hifandroritana tokoa ny hitantana azy. Ho an’itsy voalohany dia ny filazana fa izahay no nanomboka ny tolona ka izahay no tokony hitantana azy io. Itsy farany kosa indray dia ny resaka seza mivantana mihitsy no antony tena iadiana mafy, hany ka zary mihatakataka avokoa ireo mpanohana azy ireny.