Arlette Ramaroson – Voampanga ho manao ady heloka be vava tsy mandalo fitsarana ny mpitondra

Nangonin’ny Ny Valosoa

Manoloana ny tsy fandriampahalemana misy eto amintsika, sy ny raharaham-pitsarana dia nanao fanambarana mahakasika izany ny mpitsara iraisam-pirenena teo aloha, Ramatoa Arlette Ramaroson. Trés urgent, na tena maika hoy izy : ho an’andriamatoa Filohan’ny Repoblika sy ny governemanta izay tarihiny, ny antenimierampirenena sy ny ambaratongam-pitondrana rehetra.

Tompoko,

Voampanga eo anatrehan’ny Comité des droits de l’homme, na ny komitin’ny zon’olombelona ao amin’ny ONU, na ny Firenena Mikambana, fa Madagasikara dia manao crime extra judiciaire, na ady heloka bevava tsy mandalo fitsaràna amin’ny alalan’ny fihetsiky ny mpitandro filaminana ary anisan’ny nitranga tamin’ity taona ity izany, tamin’ny alalan’ny fandoroana ny tranon’ny tantsaha any Betroka ohatra, sy ny fandroahana azy mba hangalàrana ny taniny, satria misy harena an-kibonin’ny tany, izay homena ny mpandraharahan’ny firenena any ivelany, ka hisy famotorana ho ataon-dry zareo ONU amin’ny alalàny rapporteur special, momban’ny heloka bevava, na crime extra-judiciaire.

Miendrika fanalàm-baraka ny filazàn-dry zareo fa tsy mihetsika ny fitondràna toy ny hoe miampanga anareo ho mpiray tsikombakomba izany aminay ary fahafam-baraka ho antsika izao fiampangàna izao. Mangataka ny fitondràna mba hitondra fanazavàna momba an’io sy famotorana haingana ary hanome sazy henjana mandra-pahafaty an’ireo mpitondra filaminana izay nahavita izany. Zon’ny vahoaka ny ampahafantarina sy ny mahafantatra hoy ny voalazan’ny lalàna iraisam-pirenena sy ny Constitution, na ny lalampanorenana, ka mangataka tsy atao ho toy ny tompon-trano mihono ny Malagasy“, hoy ity fanambarana ity.

Horonantsary fangatahan’ny ONG amin’ny vondrombe iraisampirenena