Gejain’ny fitondran-dRajoelina ireo mpampianatra sy mpikaroka ao amin’ny oniversite

Tsy mahazo mivoaka an’i Madagasikara ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra ao amin’ny oniversite raha tsy mahazo alalana avy amin’ny filoham-pirenena, na mampiasa na tsy mampiasa volam-panjakana.

Tsy vitan’ny manakana ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra avy ao amin’ny oniversite hanatanteraka ny asa fiaraha-mivoatra amin’ireo oniversite any ivelany ny fitondrana, fa dia ny zon’olombelona mihitsy no hitsakitsahana amin’ny famerana azy ireo hivezivezy malalaka hivoaka sy hiditra eto Madagasikara.

Mazava anefa ny hitsivolana na “ordonnance” laharana 092-030 fa mahaleo tena tanteraka ny oniversite eo amin’ny lafiny ara-pampianarana, siantifika, fitantanana sy ara-bola. Voahosihosy izany fahaleovantena izany satria itsabahan’ny fitondrana ny fitantanana. Fandiginganana andraikitra ireo tenimita na “note de service” maro efa naparitaky ny fitondrana amin’ny ambaratongam-pifehezana.

Miantso ny oniversite rehetra ny mpitatitra avy ao amin’ny oniversiten’i Mahajanga mba tsy handray baiko na teny midina avy amin’ny ministera ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, izay manohintohina izany fahaleovantenany izany.

Porofo mivaingana indray izao fa tsy mitsahatra manitsakitsaka lalàna izao fitondran-dRajoelina izao.

Nangonin’i Lanzelo