Radafy
Vahaolana tefy maika ihany ny fahitana rehefa dinihina tsara sy amim-pahatoniana ny soso-kevitra sy fanapahan-kevitra ny amin’ny fanaovana fihodinana faharoa ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Inona no tena tokony hotsinjovina marina amin’ny fanadinana toy izao? Mazava loatra fa ny lanjan’ny fahaizan’ny mpiadina, ka afaka fanadinana izy ary mendrika tokoa ny hahazo ny diplôma mifanaraka amin’izany. Amin’izay fotoana izay, hanome lanja sy hampisy vidiny ny fahaizany ny sehatra ambony hirosoany amin’ny fianarana na eo amin’ny sehatr’asa ihany koa.
Raha ny zava-misy dinihina hatreto anefa, toa vozon’akoho ihany ka manalasala ny ho avin’izy ireo ary miteraka adihevitra be etsy eroa. Izay afa-panadinana na amin’ny voalohany na amin’iry faharoa toa ho saro-dalana ihany amin’ny ho avy raha vao hoe “Bakalorea 2019”. Araka izany, tsy hamaha ny olana hatrehin’izy ireo velively ny vahaolana avy amin’ny fitondrana, ary zary iniana ikimpiana ihany ny fahitana izany.
Soso-kevitry ny mpandinika sasany, fa efa mety ho taraiky aloha, ny amin’ny hoe: raha hanao fihodinana faharoa ihany maninona raha naverina mihitsy ny fanadinana. Amin’izay fotoana izay ho voatsinjo ny fahadiovan’ny lanjam-pahaizan’ny mpianatra ho an’izay afa-panadinana ary afaka hilamin-tsaina amin’izay hanohizany ny fianarana na ny sehatr’asa hirosoany amin’ny ho avy.
Fa etsy ankilan’izany rehetra izany, ho an’ny mpandinika, tsy lojika ihany, raha 19 oktobra no hivoaka ny valim-panadinana ary 23 oktobra sahady dia hiatrika fanadinana izay tsy afaka. Mila fantatry ny mpiadina anefa ny naotiny sy izay taranja nahavoa azy tsy nahafahany mialoha ny hiatrehany ny fihodinana faharoa. Ho tafavoakan’ny tomponandraikitra mialoha ve anefa izany? Sarotra ny hahavitany izany. Izany hoe hitsambiki-mikimpy ny mpiadina amin’ny fihodinana faharoa.
Mba mila mipetraka ihany amin’ny toeran’ny mpianatra ireo tomponandraikitra rehetra, fa ny fahitana azy dia toy ny misy enta-mavesatra apetraka amin’ireo mpiadina ankoatra ny fanadinana atrehiny. Asa raha mba azon’ny tomponandraikitra rehetra an-tsaina izany enta-mavesatra lanjain’ny mpiadina izany? Raha hiezaka hahazo izany koa anefa ve dia hotamoraina ny fanadinana na ny fitsarana ny kopiam-panadinan’ny mpiadina? Dia vao mainka toy ny tain’omby natsentsina an-davabary, ka indroa mahita ny “maizina” izy ireo amin’izay fotoana izay.
Efa nampijaliana amin’ny halavan’ny taom-pianarana ireo mpianatra, mbola poretina ihany koa amin’ity fepetra vosobosotra ity. Ny tsy hamerenana tanteraka ny fanadinana ihany koa anefa ho an’ny mpandinika ihany dia resa-bola. Hitovy ny fandaniana tamin’ny fihodinana voalohany ny ho lany, hoy izy ireo, raha averina tanteraka ny fanadinana. Izany ve àry no hanaovana sorona ny ho avin’ny zaza Malagasy?
Ity zava-mitranga eo amin’ny sehatry ny fampianarana ankehitriny ity dia toy ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra no mandreraka ihany koa. Sehatra tsy voafehin’ny fitondrana ankehitriny io ary tsy ananany traikefa. Aoka tsy hiseho ho mahay noho ny hafa àry raha izany, fa mianara aloha.