16:00 – AIMF – CUA – Fitsidihana ifotony BMH Isotry sy CSB II teny boriboritany efatra

Nanatanteraka fitsidihana ifotony teny amin’ny BMH Isotry sy ireo CSB II teny anivon’ireo Boriboritany efatra izay voasafidy hanatanterahana ireo tetik’asa mahakasika ny fandrindram-piainam-pianakaviana ireo Delegasionina vahiny AIMF avy any Frantsa ny maraina teo. Nandritra ity fidinana ifotony ity dia nahaliana ireo vahiny ny fomba fiasan’ireo mpitsabo sy ireo mpiara-miasa aminy teny anivon’ireto ivo-toerana ara-pahasalamana ireto, ankoatra izay dia nahaliana azy ireo torak’izany ihany koa ny fanafody sy ireo fitaovana izay fampiasan’ireto ivo-toerana ireto amin’ny fomba fandrindram-piainam-pianakaviana.