(Nankasitraka ny rehetra niarahaba azy noho tsingerin-taona faha-70 nahaterahany ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) ary nitondra hafatra ho an’ny vahoaka Malagasy ihany koa ny nahatratrarany ny alakamisy 12 desambra 2019)
Ho antsika rehetra tonga eto, havana, ray aman-dreny ampanahy, namana sy mpiara-miasa rehetra, misaotra an’Andriamanitra lehibe isika fa noho ny fitsimbinany dia mbola afaka mivory sy mankalaza ny fitsingerenan’ny taona nahaterahako izao isika. Raha tsy izy no mitahy sy nitondra antsika tsy afaka nankalaza izao fety izao isika. Mbola hisaorako ihany koa Izy nohon’ny nanomezany ahy izao tombon’andro lehibe izao, ka nahatratra ny faha-70 taona izao. Izy no efa nanankinako ny fiainako, izay rehetra ataoko sy ireo izay mbola ho ataoko eto amin’ny firenena. Ho Azy irery ihany anie ny dera sy ny voninahitra.
Faly aho ary tena faly afaka mankalaza izao tsingerin-taona nahaterahako izao miaraka aminareo rehetra tafavory eto. Misaotra an’ireo ray aman-dreny ampanahy nitarika sy nitrotro ambavaka izao fankalazana izao. Misaotra anareo rehetra ihany koa namaly ny fanasana ary tonga maro be eto. Misaotra amin’ireo fanomezana maro samihafa izay nentinareo. Sitraka sy telina tokoa ny fanomezana izay nentinareo satria mariky ny fitiavana, koa enga anie Andriamanitra ilay nahary hamaly ny soa ataonareo tsirairay.
Maro ihany ny zavatra efa notanterahin’ i Dada niaraka taminareo, kanefa ihany koa dia mbola betsaka ny adidy miandry ahy eto amin’ ny tany sy ny firenena. Vao afak’omaly aho no tafaverina soamantsara rehefa avy namita iraka tany Frantsa. Nihaona tamin’ireo mpiara miombon’antoka amintsika aho tany. Tsy tokony ho very fanantenana isika vahoaka Malagasy fa mbola vonona tokoa izy ireo iara-hiasa amintsika, indrindra eo amin’ny fametrahana ny demokrasia, ny tany tan-dalàna, ny fampandrosoana ny firenena, ary ny fiarovana ireo zo fototra satria mahatsapa ihany koa ry zareo fa voahitsakitsaka ny zon’olombelona eto amintsika. Nifanandrify tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona moa ny dia tany, ka hita fa tsy irery isika fa mbola misy tokoa ireo namana izay vonona hatrany amin’ny fiaraha-miasa. Nisy ihany koa ny fihaonako tamin’ny filoha teo aloha sy ireo Malagasy monina any Eoropa. Zava-dehibe tokoa izany satria samy saro-piaro amin’ity tanindrazana iombonana ity ny Malagasy rehetra. Mahatsapa ny rehetra fa mizotra any amin’ny làlana tsy tokony halehany ny firenena amin’izao fotoana izao. Mijoro izy ireo ary mandray andraikitra miaraka amintsika, mba hanoherana izao tsy fietezana misy eto amin’ny firenena izao.
Efa mampiteny ny moana ny fanitsakitsahina ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto amintsika. Tsy nandeha tamin’izay laoniny ny fifidianana nifandimby teto ary vao mainka aza hita nibaribary izany tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo. Tsy ny teto Antananarivo ihany fa maro ireo faritra no mitaraina amin’ny zava-misy. Fialana andraikitra anefa no setran’izany raha avy ao amin’ny CENI manokana izay nanankinana ny fikarakarana ny fifidianana. Atao ho an’iza moa izany ny lalàna rehefa tsy ampiharina? Sa ve hodiana tsy hita rehefa atao hampandresena kandidam-panjakana? Tsy misy intsony fifampitokisana, ka tsy mety mandeha mifidy intsony ny vahoaka, fa leo. Izany moa dia vao mainka araraotin’ny sasany hanaovana ny fikirakirana na ny manipulation ny fifidianana toy ny lisi-pifidianana sy ny fanaovana kara-panondro sandoka. Santionany amin’ny fandikan-dalàna ihany ireo. Satria moa efa tafapetraka any amin’ny fitsarana mahefa ny fitarainana avy aty amintsika, ka apetraka amin’ny fahendren’izy ireo ny fitsarana ara-drariny ary enga anie izy ireo hampanjaka hatrany ny tena fahamarinana.
Herintaona latsaka kely izao no nitsangana izao fitondrana izao kanefa ny vahoaka Malagasy vao mainka aza mandohalika, ary diso fanantenana tanteraka. Tena tafalatsaka ao anatin’ny fahantrana lalina kanefa dia tsy misy vaha-olana mazava avy amin’ny mpitondra ankehitriny. Ny famahana ny olan’ny Jirama eo amin’ny famatsiana ny rano sy jiro tsy misy hantenaina sady toa tsy laharampamehana akory. Ny tsy fisian’ny fandriampahalemana dia saika isan’andro vaky izao. Ho avela ho very fanahy mbola velona ve izany ny vahoaka Malagasy? Matoa izahay miteny dia misy tsy mety ao.
Tiako ny mampahatsiahy ny rehetra fa zo fototra ny miteny ankahalalahana, na ny liberté d’expression. Tsy hoe rehefa miteny akory ny mpanohitra dia hanongam-panjakana izay. Andraikitry ny mpanohitra ny miteny rehefa tsy mandeha amin’izay tokony ho izy ny fitantantanana ny firenena. Malagasy daholo isika na ianareo mpitondra, na izahay mpanohitra, ka samy sarotiny amin’ny ho avin’ny vahoaka Malagasy sy ny fampandrosoana ny firenena.
Ny hafatra apetrako aminareo dia izao: aoka isika rehetra hiray hina, hitaky ny marina ary tsy hanaiky ny fanitsakitsahina ny lalàna velona. Izany rehetra izany dia ataontsika ao anatin’ny fanajana ny lalàna avokoa. Mitrakà ry vahoaka Malagasy, fa mbola misy ny fanantenana ary tsy irery isika fa betsaka ireo namantsika. Ny firenena tan-dalàna, tsara-tantana, manaja ny demokrasia, ary manaja ny zon’olombelona sy ny zon’ny vahoaka ao aminy no afaka mandroso sy mampiadana ny vahoaka.
Misaotra antsika rehetra. Hombatsika hatrany Andriamanitra.