- Tafakatra maherin’ny 1.4 miliara dolara ny tahirim-bolan’ny fanjakana Malagasy tao amin’ny Banky Foibe raha 200 tapitrisa tamin’ny taona 2003
- Tafakatra 7.1% ny fisondrotry ny harikarena faobe teto tamin’ny taona 2008 raha manodidina ny 6% izany manerana an’i Afrika. Efa teo an-dalam-pivoahana tamin’ireo Firenena mahantra indrindra i Madagasikara
- Nijanona ho 9.4% ny sondro-bidim-piainana raha 12% izany manerana an’i Afrika
- Nahatratra 9000km ny lalana vita manerana an’i Madagasikara
- Nahazo fanampiana ara-pitaovana ny mpianatra Malagasy
- Nanamora ny famoronan’asa ny fiaraha-miasa t@ firenen-dehibe toa Etats-Unis, Canada, Allemagne,…
- Nampidirina ary nohamafisina ho isan’ireo fiteny fampiasa ofisialy ny fiteny Anglisy
- Teo amin’ny sehatry ny kolikoly, araka ny tarehimarika navoakan’ny « Transparency International » dia tamin’ny fitondrana Ravalomanana no ambany indrindra ny tahan’ny fanaovana kolikoly teto Madagasikara.
- Ny taona 2009 dia nanana vina hanangana banky Malagasy ny fitondrana Ravalomanana. Sehatra izay mbola voagejan’ireo vahiny (frantsay) mandraka ankehitriny.
- « Tsy mbola nandroso toy izao i Madagasikara teo @ tantarany » hoy ny Banque Mondiale
- Ny taona 2008 dia
- efa nidina ho 68% ny Taux de pauvreté raha 80% tamin’ny taona 2002
- Taux de Croissance nahatratra 7%
- AGOA nitondra asa betsaka ho an’ny Malagasy
- Ady tamin’ny kolikoly : BIANCO sy SAMIFIN
- Ministra tena niasa fa tsy nanao be kibo tao amin’ny birao fotsiny : nisy ny objectifs napetrany, nisy ny compte-rendu ny vokatra isaky ny ministera
- Education pour tous : betsaka ny zanaka Malagasy no niditra nianatra, nahazo kits scolaires, boky, aron’akanjo sns ; Ady tamin’ny risoriso resaka diplaoma, izay mpianatra tena mahay no mahazo bourses d’études mandranto fianarana aty ivelany
- Fandriam-pahalemana nanjaka
- Fampiroboroboana ny tantsaha
Ny taona 2009 dia efa tokony niditra t@ izany hoe sécurité alimentaire izany ny Malagasy, ary saika hitokana banky malagasy ny fitondrana Ravalomanana hahafahan’ny Malagasy hindram-bola hamoronany orinasa sns…
Indrisy fa potiky ny mpanongam-panjakana daholo ny zava-bitany ary dia lasa nanefoefo be daholo ny mpanongana rehetra afatsy ny vahoaka Malagasy.