Nangonin’i Stefa
Nanao ny atrik’asa momban’ny fotoam-pifidianana 2017-2019 ny CENI sy ny HCC tamin’ny 28 janoary, ka hatramin’ny 30 janoary 2020. Nanapa-kevitra ny antoko TIM sy ny RMDM ny tsy hanatrika izany atrik’asa izany, nohon’ny tsy fietezana ary tsy fanarahan-dalàna tsy nohezahina nahitsy hatramin’ny fifidianana izay ho filohan’ny repoblika, ny solombavambahoaka ary ny fifidianana ben’ny tanàna farany teo. Noho ireo tsy fanajàna ny lalàna misy sy ny fitongilanana teo amin’ny CENI sy HCC dia heverinay fa tsy tokony hisy iny atrik’asa iny hoy ny fanambarana, fa ny fanaovana audit an’ireo mpikarakara fifidianana sy ny fanatanterahina ny fifidianana aloha no tokony ho natao. Tsy afaka nanatrika iny atrik’asa iny ihany koa izahay satria ny fanatrehana izany dia midika ho fankatoavana ireo fandikan-dalàna samihafa sy fangalaram-bato nandritry ny fifidianana nifanesy teto Madagasikara, izay tena lavinay sy tsy ankasitrahinay tokoa ary mbola hitakianay ny famoahana ny tena marina mikasika ny fifidianana rehetra.
Raha ny resaka nataon’ny filohan’ny CENI tamin’ny mpanao gazety tamin’iny atrik’asa iny dia niaiky ny CENI fa nisy tokoa ny tsy nety, indrindra teo amin’ny lisi-pifidianana. Izany dia mampametram-panontaniana hoe raha nisy tokoa ny tsy nety, koa maninona izany no lavina daholo ny porofo nentinay hatramin’ireo fifidianana telo nifandimby ireo? Efa nilaza foana ireo tsy mety rehetra izahay kanefa dia nolavinareo foana, lazainareo aza fa azo raisina fa tsy mitombina ireo fitarainana rehetra nataonay. Izao ianareo milaza fa nisy lesoka sy nisy tsy tomombana ny fifidianana. Ny mahavariana aza dia ny fialana andraikitra ataonareo ary ny fanilihana an’izany any amin’ny mpifidy indray. Ny marina izany dia nitongilana sy nanome vahana ny kandidam-panjakana ianareo. Ilaina noho izany ny fanavoazana an’io CENI io fa efa tsy atokisana intsony izy ireo eo amin’ny fanomanana sy fikirakirana ny fifidianana.
Mahavariana ihany koa ny fanambarana nataon’ny filohan’ny HCC izay nilaza fa tokony hatao ny firosoana amin’ny fifidianana izay hitondra ny faritra. Izany dia mbola nampiany ny fomba fijeriny mikasika ny décentralisation na ny fitsinjaram-pahefana. Izany dia fanambarana politika, izay tsy andraikitry ny HCC mihintsy na dia mety hitombina aza . Tsy mahafantatra ny anjara asany ve ny HCC? Ny fitsarana Avo momban’ny lalàmpanorenana izany dia natao hiaro ny fanarahana sy fampiharana ny lalàmpanorenana ary handray fanapahan-kevitra tsy mitongilana. Any amin’ny firenena demokratika izay manaja ny fisaraham-pahefana dia tsy ahitana filohan’ny fitsarana avo momban’ny lalàmpanorenana manatrika fihaonana, na lanonana manana endrika politika, ary indrindra moa tsy misy manao fanehoan-kevitra politika izany mihintsy. Hita taratra avy amin’iny fanehoan-kevitra iny, fa ny fanapahan-kevitra raisin’ny HCC izany dia fanapahan-kevitra miloko politika, fa tsy fampiharana izay voalazan’ny lalàmpanorenena mihintsy.
Ny fehiny dia izao, mbola manjaka eto amintsika ny fanitsakitsahina ny lalàmpanorenana sy ny tsy fanajàna ny lalàna velona. Mbola tsy misy izany fametrahana ny tany tan-dalàna izany eto, hoy hatrany ny fanambaran’ny TIM sy ny RMDM.