Sôh’son
Na hinia hikimpy aza ny fitondrana Rajoelina, tsy maintsy hidona amin’ny tsy fitokisan’ny vahoaka azy ny « vatany ». Miha-mibaribary isan’andro sy miha-mitombo io hantsana mampisaraka ny vahoaka amin’ny fitondrana io. Mihevitra izy fa azony hatao amin’izay hanaovana azy ankehitriny ny vahoaka Malagasy, ka na efa tsy ekeny izao aza dia mbola tadiavina tanterahina amboletra ihany. Anisan’izany ny eny Ambohitrimanjaka sy ny kaomina mifanakaiky aminy eny; ny raharaha Bas-Mangoky izay kasaina ampindramina amin’ny vahiny, mba tsy ilazana hoe hamidy, ka hanatanterahana fambolena voly isan-karazany. F’angaha ny Malagasy tsy mahay mamboly?
Miendrika fanilihana ny Malagasy tsy manambola ny fihetsiky ny fitondrana, ka manome lamosina azy ary mitodika any amin’ny mpanefoefo teratany vahiny, na Malagasy izay sarotra ho an’ny vahoaka ny hatoky azy ireny. Fomban’ny fitondrana, na i Andry Rajoelina mihitsy ny manao teny mampandry adrisa sy mampangotsoka vahoaka aza, ka toy ny izy no tena tonga lafatra indrindra eto amin’ity firenena ity. Mampieritreritra fa mba sambany teo amin’izay taona naha teo amin’ny fitondrana azy no re niaiky fahadisoana ny tenany, dia ny momba ny raharaha Ambohitrimanjaka izany tamin’ny fotoana nihaonany tamin’ny mpanao gazety. Tsy atao ho mahagaga loatra anefa izaany satria efa marobe misavovona ireo fanakianana sy fandisoana ny fikasana hanatanteraka io tetikasa eny io ary tsy nisy izay tsy nanakiana ankoatra ireo mpisolelaka aminy. Raha tsy nisy izany tsy nisy iny fiaikena ho diso iny, kanefa na izany aza mbola miketriketrika ihany ny sainy ny fitadiavana lalana samihafa hanatanterahana izany. Efa mazava anefa ny nambaran’ny mponina eny an-toerana, fa tsy hanaiky hatramin’ny farany ny amin’ny hanotofana ny taniny izy ireo. Ny tanim-bahoaka hamboleny vary totofana hananganana trano, ary ny tany hafa izay azy omena ny vahiny hanaovan’ireo fambolena. Tsy miendrika politika mifanohitra be ihany ve izany? Politika toa tsy mahita lalan-kizorana hentitra sy mazava?
Toy izany koa ny zava-misy eo anivon’ny tanànan’Antananarivo renivohitra amin’izao fotoana izao. Esorina amin’ny amoron-dalana izy ireo kanefa ny asa homena azy ho setrin’izany tsy misy vahaolana na kely aza. Ireo amidiny andavanandro ireo no hivelomany, ka raha miato izany dia hisy fiantraikany amin’ny fiainany. Ao anatin’izany dia izay voa aloha dia voa any, fa tsy mampaninona. Dia iza no hiahy ny vahoaka amin’izany? Tsy misy, fa angaha nisy vahaolana nentin’ny fitondrana Rajoelina teo? Fa misy fiantraikany inona amin’ny fivelomam-bahoaka andavanandro ny jiro arehitra eny amin’ny tohatohabato?
Rehefa tsara sy mitombona ny fivelomam-bahoaka, mitombo ny vola miditra amin’ny kitapom-bolany, hainy ny mandamina ny fiainany tsy hirotoroto hifoha maraim-be sy mody alina. Nitsinjo izany fiainam-bahoaka, mba hilamindamina kely izany anefa i Neny tamin’ny nahateo amin’ny fiadidiana ny tanàna azy, satria mahatsapa fa mahantra loatra ny vahoaka ary soa iombonana no katsahina. Fanakianana sy fanenjehana indray anefa no natao azy, ary ireo miseho ho tomponandraikitra eto amin’ny firenena ireo no lohany amin’izany. Io fihetsik’ ireto farany io anefa miteraka izay tsy fifampitokisana izay, satria ny kapoakany toa mihafeno tombontsoa isan’andro, fa ny an’ny vahoaka toa tsy misy vahaolana ny mba hitsinjovana azy na dia “vary iray venty aza”. Mbola manampy izany rahateo, fa tsy mivalona ho tantara akory, ny voka-pifidianana nifandimby tsy mazava.