Androy – 2500 Ar ny vidin’ny rano 20 l amin’ny bidon, mijaly ny mponina

Mbola mitoreo noho ny tsy fisian-drano ny ao Ambovombe Androy, faritra Androy ao.
Mitombo andro aman’alina ny vidin’ny rano. Lainga be fotsiny ny filazana fa efa miha-voavaha ny tsy fisian-drano. Amin’izao fotoana izao dia efa mananika ny 2500 Ar ny vidin’ny rano 20 litatra. Mbola tsy misy raha milamina amin’ity resaka tsy fahampian-drano ity.

Miteraka avy hatrany ny faharatsian’ny fambolena, fahafatesan’ny omby sy ny osy, ny tsy fisian’ny rano ampiasaina andavanandro. Ny filazana fa efa voavahan’ity fitondrana ity izay tsy fisian-drano izay dia lainga sy fanaparitahana vaovao tsy marina. Tsy misy vahaolana aroson’ny fitondrana. Manamarina izany ity fidangan’ny vidin-drano ity. Androy, marandrano, Androy mijale rano.

Marihina fa nilokaloka ity fitondrana ankehitriny ity ny hanome rano fisotro madio ny ao Androy ao kanefa dia mbola fijaliana hatrany no iainana. Hatramin’izao miha-maro ireo mpanakanto no mamoron-kira amin’ny tsy fisian-drano any Atsimo izao. Fitondrana zatra mampanantena zavatra poak’aty.

Rom/ Farady