Ny Valosoa
Toerana manan-tantara hatramin’ny faha-Mpanjaka sy ny fanjanahantany ary nandritra ireo repoblika nifandimby Imahamasina. Miteny ho azy ny anarany, satria manana ny hasiny manokana io Imahamasina io, satria teo no toerana fakana ny hasina avy amin’ireo vahoaka ho an’ireo izay nahazo ny fahefana, na Mpanjaka izany na olomboafidy. Na ireo mpanjanatany aza mahalala ny lanjan’io toerana io, satria ny Jeneraly Charles de Gaule, filohampirenena frantsay tamin’ny 26 Jona 1960 dia teo ambonin’ny vatomasina fakan’ny Mpanjaka ny hasina fahiny, no nanambara ny fahaleovantenan’i Madagasikara, ary nitodika teny amin’ny Rovan’Antananarivo, Rovan’i Madagasikara izy raha nandray fitenenana, izay toa midika hoe hiverina ny hasinareo fahiny.
Ny Filoha Zafy Albert dia teo Imahamasina no nanao ny fianianany fony izy voafidy filohampirenena, toy izany koa Ny Filoha Marc Ravalomanana, izay nanao ny fianianany teo anoloan’ny vatomasina ary niaraka tamin’ny baiboly izany, ny filoha ankehitriny koa dia nanao ny fianianany teo Imahamasina, saingy teo amin’ny «tribune centrale »,izay efa nopotehina ary tsy nisy vavaka sy baiboly izany.
Ny matso fanamarihana ny tsingerintaonan’ny fahaleovantena sy ny foloalindahy matetika dia teo Imahamasina no nanaovana azy, fa ankoatr’izany dia kianja fandraisana ireo lanonana ara-panatanjahantena isan-karazany Imahamasina, toy ireo lalao iraisampirenena samihafa nampiantranoana vahiny isan-karazany toy ny « Lalaon’ny Nosy taty amin’ny Ranomasimbe Indiana » ny « Lalaon’ny Frankôfônia » sns… , fa hatramin’ny hetsika ara-kolontsaina koa dia hita teo Imahamasina avokoa , efa hatramin’ny faha- Mpanjaka , porofon’izany ilay hira fahiny tsy mety lefy laza manao hoe : « Mandihiza eny Imahamasina , Mifalia Manjakamiadana ».
Fa ny goavana tsy azo adinoina dia fananan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra Imahamasina, kanefa dia iaraha-mahalala ny tery vay manta nataon’Ingahy Filoha Andry Rajoelina tamin’ny alatsinainy 25 Novambra nanambarany, fa hamboarina ny kianjan’Imahamasina ary hovaina hoe : « Kianjan’ny Barea », voaporofo fa manosihosy ny lalàna velona Ingahy filoha, satria fananan’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra dia sahiny terena fotsiny izao, mbola nisy Ben’ny tanàna ara-dalàna tamin’ izany, na dia efa ho tapitra aza ny fotoam-piasany, ary nisy Filankevitry ny tanàna ihany koa, kanefa dia tsy norahirahian-dRajoelina ireo, satria efa mahazatra azy ny mandika lalàna ary ny maha-maika an’Ingahy Filoha dia ny haka ny fon’ny olona mpankafy ny Barea hifidy an’Ingahy Naina Andriantsitohaina, izay marihana fa ny fahombiazan’ny Barea dia vokatry ny ezaka nataon’ny fitondrana notarihan’ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina Martial Rakotoarimana.
Nihazakazahana ny fandravana ny « tribune » telo, izay zava-bitan’ireo efa nitondra teto amin’ny firenena, toy ny « tribune» roa antsisiny vita tamin’ny Repoblika voalohany, ary ny « tribune » afovoany namboarina tamin’ny Repoblika faharoa. Dodona ery Ingahy Filoha tamin’ny fandravana ireo « tribune » telo ireo, satria te hamafa ny zava-bitan’ireo teo aloha.
Ankehitriny anefa efa ho volana Martsa isika izao, mbola tsy misy izay mitsangana na dia biriky iray aza, ary azo antoka, fa mety tsy ho tratra ny fananganana izay nambara fa ho vita mialohan’ny 26 Jona 2020, hankalazana ny tsingerintaona faha-60 niverenan’ny fahaleovantena, satria orinasa sinoa no misahana ny asa, kanefa iaraha-mahalala, fa tapaka ny fifandraisantsika amin’i Chine eo amin’ny fifamoivoizana, na an’habakabaka na an-dranomasina, noho ny valanaretina coronavirus ary ny ankabeazan’ny fitaovana sy akora ilaina dia mbola andrasana avy any Chine avokoa. Ny dikan’izany dia sarotra ny hino, fa ho tanterahina eny Imahamasina ny fankalazana ny 26 Jona 2020.
Tsapa fa tena tsy manana vina sy tsy mahita lavitra Ingahy Rajoelina, satria efa heno anie ny fisian’ny tsimok’aretina « coronavirius » tamin’ny fotoana nandrodanana ireo « tribune » telo , kanefa dia natao ihany ny fandravana satria efa nisy ny vava latsaka, ny vokatr’izany ankehitriny dia tsy hanana ny hasiny ny Tsingerintaona faha60 niverenan’ny fahaleovatena, satria tsy teo amin’ilay toerana nankalazana azy voalohany no ho ambohipihaonana amin’ity taona ity, ary tsy ho hita taratra ao anatin’ny fankalazana ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana, izay tokony hahazo vahana eto amin’ny firenena, fa toa fihetsika fanaon’ny mpanao lanonana tsy misy ventin-kevitra no hanjaka.
Fa na ho ela na ho haingana dia mety ho vita ihany ny kianja vaovao, saingy noho ireo fanovana natao hatramin’ny anarany dia toa tsy hanana ny hasiny fahiny intsony io kianja io, fa dia ho kianja fakam-bola fotsiny, ny mpanorina azy rahateo ny mahamaika azy dia ny hamafa ny anaran’ireo izay nametraka ny diantanany tamin’ny kianjan’Imahamasina, kanefa hevi-diso ny azy fa toy ny « rafotsibe kendambomanga, kendan’ny naseky ny tanany » ireo mpitondra ireo, fa ho very hasina eo amin’ny vahoaka, kanefa azy ny azy, fa ny mampalahelo dia ilay kianjan’Imahamasina mihitsy no maty hasina miaraka amin’ny mpitondra, ka tsy hanankery intsony ilay hira malaza manao hoe: « Mandihiza eny Imahamasina, Mifalia Manjakamiadana ».