Rodoben’ny mpanohitra (RMDM) – Mitaky ny hananganana ny governemanta vaovao

Tsy to teny intsony ny mpikambana sasany ao amin’ny governemanta. Toa miloko fampielezankevitra ny zava-miseho eo amin’ny lafiny serasera fa tsy ny ara-pahasalamana izay laharampahamehana amin’izao fiparitahan’ny valan’aretina coronavirus izao.

Izany dia nitondra ny Rodoben’ny mpanohitra (RMDM) mitaky ny hananganana governemanta vaovao, tamin’ny alalan’ny filoha lefitra Edouard Tsarahame, ho governemanta tena miatrika ny laharampahamehana na « gouvernement d’urgence », tena vonona hanao mangarahara, ary hananan’ny vahoaka fahatokisana kokoa satria olombaovao no ho apetraky ny filoha.

Manantitrantitra tsara i Edouard Tsarahame fa tsy misy fitadiavan-tseza velively ny amin’izany, ary miantso ny filohampirenena hitady indrindra eo anivon’ireo olona maro izay nifidy azy ho tonga eo amin’io toerana io, fa raha ny olona manodidina azy dia efa hananan’ny olona ahiahy daholo.

Ary raha ireo no mbola mijanona eo dia ny tanindrazana no ho « victime », ary hiafara amin’ny mpitantana voalohany ny alahelon’olona.

Vaovao nangonin’i Lanzelo