Anisan’ny olana lehibe eto amin’ny firenena ankehitriny ny lafiny sosialy. Mikaikaika avokoa ny sokajin’olona maro samihafa noho ny fahasahiranana lalina manjo amin’izao fotoana izao vokatr’ity fihanaky ny valan’aretina covid-19 (coronavirus disease nineteen) ity.
Eo amin’ny seha-pampianarana dia samy sahirana avokoa ireo toko telo miantoka ny fampandehanana ny asa fampianarana: ny tale sy ny tompon’andraikitry ny sekoly ny mpampianatra, ary ny ray aman-drenin’ny mpianatra. Niaraha-nahita fa niato ny fampianarana teto amin’ny firenena, anisan’izany indrindra ny teto amin’ny faritr’Analamanga, nanomboka ny tapaky ny volana martsa nidiran’ny valan’aretina. Teo amin’ny telovolana no tapaka ny fianarana indrindra ho an’ireo mpianatra amin’ny kilasy anelanelany, fa tsy ireo hiatrika fanadinam-panjakana.
Nipetraka eo amin’izay ny olana eo amin’ny sekoly sy ny ray aman-dreny momba ny fandoavana ny saram-pianarana. Ho an’ny ray aman-dreny dia tsy mianatra ny zanany, ka tokony tsy hisy ny fandoavana saram-pianarana. Ny tompon’andraikitry ny sekoly minia mikimpy momba izany, fa tsy maintsy mandoa ihany ny ray aman-dreny, fa ho fampandehanan-draharaha sy handoavana ny karaman’ny mpampianatra. Ho an’ny ray aman-dreny, dia tsy azo ihodivirana aloha ny fitsinjovana ireo mpampianatra amin’ny garabola, fa mila jerena akaiky kosa ny momba ireo mpampianatra manomboka amin’ny taona faha-6 na kilasy 6 éme no ho miakatra hatrany amin’ny kilasy famaranana. Iaraha-mahalala, fa ny mpampianatra amin’ireo kilasy ireo dia saika “chargé de cours” avokoa, ka izay fotoana sy ora hampianarany ihany no handraisany karama. Eo no hipetrahan’ny adi-hevitra, satria tsy araka ny ora hampianarany efa nifanarahana hatrany am-boalohany no hankanesany ao an-tsekoly na dia lazaina aza fa misy ny enti-mody na devoara omena ny mpianatra ataony any an-trano. Mazava loatra fa tsy hisy mihitsy ny vola feno homen’ny tompon’andraikitry ny sekoly ireo mpampianatra mifanaraka amin’ny ora nifanarahana tany am-boalohany. Karazany misy hafetsena ihany ao anatin’izany.
Etsy ankilan’izay, ireo ray aman-dreny dia sahirana tanteraka ihany koa amin’ny lafiny ara-tsosialy satria maro no voadona ny fivelomany noho ny zava-misy eto amin’ny firenena. Misy ny very asa, na nikatona ny fivelomany na ny orinasany, sns… Mazava loatra, fa olana ho azy ireo ny handoa ny saram-pianarana feno amin’ity faneren’ny sekoly ity na dia hamboamboarina aza ny fandoavana ny saram-pianarana. Tsy maintsy fenoina mantsy ny saram-pianarana na tamin’ireo andro sy volana tsy nianarana aza. Misy mihitsy aza ny tompon-tsekoly sy talen-tsekoly no manao teny an’avona amin’ny ray aman-dreny ao anatin’izany, toy izay nitranga teny amin’ny Cité Itaosy vao tsy ela izay. Araka izany dia tsy olan’ireo sekoly tsy miankina izay manjo ny ray aman-dreny, fa “aloavy ny saram-pianarana”. “Tsy tokony hitaraina amin’ny fanjakana araka izany ihany koa ireo sekoly tsy miankina, raha toy izany no fihetsik’izy ireo”, hoy ireo ray aman-dreny sasany. Terena ny ray aman-dreny hanefa ny saram-pianarana tamin’ireo volana tsy nianarana kanefa koa mitaky any amin’ny fanjakana, moa tsy hafetsena izany? , hoy izy ireo.
Raha aravona, tsy mivaha mazava ny olana eo amin’ireo ray aman-dreny sy ny sekoly, fa karazany teren-ko masaka fotsiny ihany ny raharaha. Inian’ny tompon’andraikitra samihafa voakasika ikimpiana fotsiny, fa tsy misy mamaha olana. Ny fantatra dia ireo ray aman-dreny no kivy sy sorena amin’ireo sekoly ianarana-janany ankehitriny, ka misy ny tapa-kevitra hamindra sekoly hafa ny zanany amin’ny fiafaran’ny taom-pianarana izao. Tranga hafa indray no hiseho aoriana kely vokatr’izany.
Radafy