EDITO 25 Jona – 60 taona niverenan’ny fahaleovantena – Mbola tsy afaka ny gejan’i Madagasikara

Sôh’son

Manao ahoana i Madagasikara 60 taona niverenan’ny fahaleovantenany ? Iaraha-mahita ny zava-misy ny toe-draharaham-pirenena, fa tsy hilaza miara-mahita. Angamba ho nieritreritra lalina ihany ireo ray aman-dreny nahafoy nandatsaka ny ràny sy nahafoy ny ainy raha ho toy izao no hitranga sy hanjo ny fireneny nitolomany hahazo fahafahana, mba ho soa hiadanan’ny taranany aty aoriana.

Tsy afaka amin’ny rambondrambony amin’ny laharana maneran-tany, ary mihitsoka ao anaty fahantrana lalina. Miha-voahosihosy hatrany ireo hasina notoavin’ilay vahoaka Malagasy ary toa tsy hita be ihany fa mbetika toa miseho ratsy mbetika manjavozavo ilay tena maha Malagasy. Zary anaran-tsy very sisa ilay soatoavina nireharehana fahiny sy tsy naha mena-mitaha azy amin’ny firenen-kafa.

Rehefa mandinika lalina fatratra, dia tsy maintsy mikentrona mahita na mahazo an-tsaina farafaharatsiny ny geja namatorana sy mbola amatorana ny firenena ankehitriny, ka mahatonga azy tsy tafarina mazava. Firenena 60 taona nahaleotena mbola mandraingiraingin’ny geja atao aminy i Madagasikara. Maro ireo firenena nomena fahaleovantena niaraka taminy no efa nihoatra azy ary nisy aza ny lasa lavitra. I Madagasikara kosa toy ny tamberin-tany eto amin’ity bolan-tany ity, ka zary mihodinkodina fotsiny tsy mahita lalan-kombana mazava ivoahany amin’ny olana mianjady aminy. Ny geja mamatotra azy dia avy any ivelany sy ao anatiny ihany. Miverina amin’ny fototra iray ihany anefa izany rehefa halalinina. Mazava loatra fa ny mpitondra frantsay, mifikitra mafy amin’ny politikan’ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao no rangory fototry ny afo. Manolo-tanana azy amin’izany ireo vondron’olom-bitsy ato anatin’ny firenena manao volon-gita mifandray tendro aminy hatrany amin’ny taona maro lasa.

Na nisy aza ny ezaka nataon’ny tia tanindrazana tamin’ny 1972 nanilihana sy namafana izay dian-tanana mangeja sy mamatotra ny firenena izay, dia tsy nahaova hatraiza akory ny endri-javatra izany raha ny zava-misy ankehitriny no jerena. Mbola miraikitra toy ny dinta sy manao toy ny nofon-kena an-tanan-tsaka ireo mpamatotra rehetra ivelany sy anatin’ny firenena ary tsy mihevitra ny hamotsotra ny am-pelatanany anaty fotoana tsy voafetra. Hita sy tsapa eo amin’ny tontolom-piainan’ny vahoaka Malagasy izay fihetsiny izay. Maro ihany anefa no tsy mahalala izay noho ny fanajambana atao azy ireo izay. Mbola ho sarotra ny lalana izoran’ny firenena raha mbola maro an’isa ireo voatampi-maso sy gejaina tsy hahita ny marina manerana ny Nosy, ka tsy hahatsapa ny tontolo misy azy. Tontolo noterena iainan’ny Malagasy hatrany am-piandohan’ny nanjanahana azy ary kendrena haharitra handritry ny taonjato maro mifandimby. Tontolo izay tsy mifanaraka velively amin’ny maha Malagasy azy sy ny tany nolovainy avy amin’ny razany.

Raha tsy tapaka ny tady mangeja ny firenena dia mbola ho sarotra ny fahaleovantena madio mangarahara marina, indrindra rahateo, tena saribakolin’ny Frantsay ny mpitondra antsika amin’izao fotoana dia Rajoelina sy ny forongony.