EDITO 4 Jolay – Fifandraisana amin’i Frantsa : Mila iverenena dinihina lalina

Sôh’son

Nisarika ny sain’ny mpandinika ny raharaham-pirenena ny fihetsiky ny Mpanjakan’i Belzika Philippe, andro vitsy lasa izay tamin’ity herinandro ity, momba ny fanjanahantany tany Congo. Nankalaza ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantenany toa an’i Madagasikara ihany koa ny Repoblika Demôkratikan’i Congo, na RDC ny 30 Jona lasa teo. Tamin’izany no nandefasan’ny Mpanjaka Philippe taratasy ho an’ny filoha kongoley, Félix Tshisekedi, ary tao anatin’izany no nilazàny ny fanenenany lalina tamin’ireo faharatrana tamin’ny lasa nandritry ny fanjanahantany. Ny taona 1908 hatramin’ny 1960 izy no nozanahin-dry zareo Belza, ary ny 30 Jona 1960 no nijoro ny Repoblikan’i Congo. Tsapan’ny Mpanjaka Philippe ny herisetra sy habibiana nataon’ny mpanjanaka Belza tao anatin’ny 52 taona, izay mbola mitambesatra ao an-tsain’ny vahoaka kongoley mandraka ankehitriny. Fihetsika maneho fialan-tsiny ihany koa no nataony ao anatin’izany.

Mitovy taona amin’ny firenentsika ny tsingerin-taona niverenan’ny fahaleovantenan’i RDC, samy 60 taona. Ny mpanjanaka azy nahatsiaro nanenina sy naneho fialan-tsiny ankolaka ihany rehefa nankalaza ny fahaleovantenany ny kongoley. Ny mpitondra frantsay kosa ahoana? 64 taona no nanjanahan’i Frantsa an’i Madagasikara. Ankoatra ny herisetra sy habibiana tamin’ny endriny maro samihafa nataon’ny mpanjanatany frantsay, dia harena tsy hita pesimpesenina, harem-be no norobainy teto tao anatin’izany fotoana izany. Ary mbola ezahiny mafy tohizana aza io fandrobana ny harena malagasy io mandraka ankehitriny. Tsy hita soritra na kely aza teo amin’ny fihetsiky ny mpitondra frantsay nifandimby sy ny ankehitriny izay mba haneho fihetsika toy izany. Nanaiky nandoa onitra anefa izy tamin-dry zareo alzeriana ary niaiky ny hadisoany. Tokony hametra-panontaniana lalina ny vahoaka Malagasy ny amin’ny toerana marina hametrahan’ny mpitondra frantsay azy sy ity Madagasikara ity. Tsy hita taratra amin’ny mpitondra ankehitriny miseho mihambo ho tia tanindrazana sy miaro ny fiandrianam-pirenena aloha izay fahasahiana lalina miatrika ny mpitondra frantsay izay. Eo ohatra ny tsy fahitana ny fitakiana hentitra sy mahery vaika ireo nosy Malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay.

Ity fitondrana Rajoelina ity dia tsy hita ho sahy nanameloka an’i Frantsa tamin’ny fanjanahantany nataony teto Madagasikara. Misy antony izany. Ary mampieritreritra lalina ny maro ihany ny fandehanana mangingina sy maimaika ary tsy naharitra natao tany Frantsa andro vitsy lasa izay. Tsy mandehandeha ho azy fotsiny izao izany. Aoka izay ny fanaovana ny vahoaka Malagasy ho lalaovina sy atao toy ny zazabodo manoloana ny fifandraisana amin’ny fitondrana frantsay.