EDITO 23 Jolay – Tsy maintsy misy ny tsiny sy tsikera rehefa tsy mety ny atao

Radafy

Fitenin’ireo olona eo amin’ny fitondrana hatrany ato anatin’izao fotoanan’ny hamehana ara-pahasalamana izao ny hoe : tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, na koa tsy fotoanan’ny tsikera…sns. Mahavariana ilay toe-tsaina sy fomba fiheverana.

Foto-pisainana maha Malagasy ny fisian’ny tsiny, ary sarotra ny mizàka ary tsy misy mahazaka hatramin’ny fahagolan-tany nisian’ny Malagasy teto amin’ity Nosy ity. Tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny ho avy eo amin’ny fiainan’ilay olona na ankohonany na ny fianakaviany ny voa na nahazo tsiny. Ny fahatahorana an’izany indrindra no nahatonga ny Malagasy tsy hanaotao foana na tsy hanao ny rariny sy hitsiny teo anivom-piarahamonina sy ny firenena. Nisoroka izany indrindra ny mpanjaka Andrianampoinimeriana nandritry ny nitondrany fanjakana ary lehibe dia lehibe ny fahatahorany an’Andriamanitra.

Izay manao ihany no voatsikera, raha ny filazana na ny fiheveran’ny maro. Mety ho marina, amin’ny ampahany ihany izany, satria ny tsy manao ihany koa dia tena mahazo tsikera. Fanodinkodinan-dresaka ihany araka izany ny fampiasan’ny mpitondra io teny io. Samy mahazo tsikera avokoa, fa mazava loatra, ireo manao tsy maintsy mahazo bebe kokoa na mety ho mafy sy mavaivay aza izany indrindra rehefa tsy mifanaraka na tsy mifanitsy na indrindra tsy mety ny zavatra atao. Raha tsy te ho tratrin’izany dia mila mitandrina mafy eo am-pamitàna asa na andraikitra nankinin’ny vahoaka. Rehefa tsy hahatanty izany tsikera izany dia tsy tokony hitàna asa na andraikitra amin’ny raharaham-bahoaka, izay lazaina koa hoe raharaham-panjakana. Marihina fa mbola mifangaro be ihany eto amintsika ny fampiasana ny teny hoe “vahoaka” sy “fanjakana” na dia zavatra iray loha aza ny tiana ambara. Ohatra “volam-panjakana”sa “volam-bahoaka”.

Tsy maintsy misy ny tsiny sy tsikera avy amin’ny vahoaka rehefa tsy mandeha amin’ny laoniny ny fitantanam-pirenena, ary zony izany. Miendrika fanampenam-bava ny vahoaka ihany sy ady an-kafetsena ny fampiasana ny teny hoe: “tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, na koa tsy fotoanan’ny tsikera…”, sns. Vahoaka efa mitondra faisana tanteraka izao dia mbola tsy hanome tsiny na tsy hitsikera, tsy azo eritreretina izany. Vahoaka efa azon’ody inona no hangina amin’izao ka hitazam-potsiny izay fibiriokan-dàlana ataon’ny fitondrana amin’ny firenena? Vahoaka efa voan’ny aretin’inona no tsy hahaloa-peo, fa hanaiky be fahatany tsotra izao, mahita ny figalabonan’ny mpanefoefo rehetra, manan-karem-be migoka fiadanana, ao anatin’izany ireo olona anivon’ny fitondrana sy manam-pahefana samihafa, nefa izy vahoaka ny hanin-kohaniny anio aza mbola hokarohina ary tsy ho fantatra na hahita na tsia? Vahoaka manao izay ivelomany isan’andro fotsiny sisa. Resaka sakafo fotsiny izay, fa zavatra hafa ilainy andavanandro aza mbola tantara be.

Tsy maintsy misy ny tsiny sy tsikera rehefa ny ain-dehibe ho an’ny Malagasy no voatohintohina. Tsy misy adihevitra io. Rehefa tsy te ho tratr’izany ny mpitondra dia manaova ny mety, manaova ny marina, ny rariny sy hitsiny, ary jereo akaiky ny vahoaka sy ny fiainany, ka apetraho haingana ny vahaolana matotra sy mahomby marina hamonjena azy.