Andry Rajoelina: voyou, voleur, blasphémateur!
Mais pourquoi diable n’est-il pas encore en prison? Et summum de l’insolence, il se présente aux présidentielles 2018. Coupable de coup d’Etat en 2009. Enrichissement personnel fulgurant très probablement illégal. Drapeau national blasphémé par l’orange à la place du rouge exhibé en pré-campagne à Mahamasina le 3 août. Et le personnage continue à parader et à narguer toute la nation. Ce dédain et cette assurance, il le doit à ses soutiens. D’abord ceux-là même qui ont financé le coup d’état, mais aussi les spoliateurs. Ces derniers se trouvent entre autres parmi les sponsors de l’événement de lancement de l’enfumage intitulé Initiative Émergence Madagascar à Paris le 26 janvier. Business is business. L’autre frange de soutien comprend des ‘moutons’ à vision court-termiste, qui blasphèment leur propre drapeau national. Nous avons les moutons gras, cupides, prêts à fermer les yeux sur les turpitudes de leur leader, et d’autre part les moutons tondus qu’on paie à coup de 5.000 ariary pour remplir le stade de Mahamasina comme le 3 août dernier. Ces moutons à vision court-termiste, enivrés par le DJ, qui opteront pour le bulletin de leur leader le 7 novembre, ne sont même pas en mesure de penser qu’une victoire de leur leader précipitera encore plus le pays vers l’abîme après ces dix années de descente vertigineuse dans tous les domaines de la vie pour le citoyen moyen. Quel scénario pour l’Année du Cochon? Orgie et gabégie pour les Happy Fews, pain sec et eau pour le reste? Ou retour aux fondamentaux: travail, éducation, social et sécurité? Lanzelo
|
Andry Rajoelina: jiolahimboto, mpangalatra, mpamingavinga!
Olona tokony migadra raha ny lalanany. Nefa dia vao maika mirehadrehaka milatsaka amin’ny fifidianana filohampirenena 2018. Olona meloka nanongam-panjakana. Mpanefoefo tampoka izay inoana fa amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Mamingavinga ny sainam-pirenena tamin’ny fanaovana ny loko mena ho loranzy nandritra ny fisehoana tao Mahamasina ny 3 aogositra. Ary mbola mitohy ny fieboeboana sy ny fanesoana ny firenena iray manontolo. Matoa ity izy maneho ny toetra fanambaniana sy matoky tena fatratra toy izao dia ao ny mpanohana azy. Isan’ny sokajin’ireo mpanohana dia ireo namatsy sy nanohana ny fanonganam-panjakana ary ireo vonona handroba ny firenena. Tsikaritra ho isan’ity sokajy ity izao ireo namatsy ny fampisehoana nanokafan-dRajoelina ny vina fampiesonana IEM tao Paris ny 26 janoary. Tonga amin’ny fiteny vahiny hoe: business is business. Ny sokajy manaraka kosa dia ireo ondry mpanara-drenirano, tsy mahita lavitra, mamingavinga ny saina-pireneny. Amin’ireo dia misy ny ondry voky, voarirariran’ny vola, vonona hikipi-maso amin’ny hetsika manota fady ataon’ny mpitariny. Etsy ankilany indray dia indry ireo karazana ondry nosolaina tambazana vola 5000 ariary hameno ny kianjan’i Mahamasina toy ny tamin’ny 3 aogositra lasa teo. Tsy azon’ireto reo ondry fohy fisainana ireto izay handatsaka ny valopy mitondra ny anaran’ny mpitariny, fa ny faheresen’izy ity anie ka dia hitondra ny firenena hiroso any an-kady bebe kokoa rehefa hita mibaribary fa nitsotsorika niharatsy ny lafim-piainana rehetra tao anaty izay folo taona izay. Ka inona àry no ho afitson’ny taona 2018? Tombontsoan’olom-bitsy ao anaty fifanaraotana sy gaboraraka ary kaokakaokany ho an’ny sisa? Sa fiverenena amin’ny rafitra fototra: asa, fanabeazana, sosialy sy fandriam-pahalemana?
|