Sôh’son
Manaitra ny saina ihany ny nandre solombavambahoaka sahy milaza, fa tokony hofoanana ny Antenimierandoholona. Mandritry izao fivoriana tsy ara-potoanan’ny parlemanta nisokatra ny alarobia lasa teo no nahenoina izany feo izany. Manana ny anjara toerany lehibe eo amin’ny firenena io andrim-panjakana iray io, indrindra raha firenena sy fitondrana milaza ho manàja ny demôkrasia. Mety nisy fotoana, lasa mpanangan-tànana fotsiny sy toy ny saribakoly izy tao anatin’ny fitondrana iray na nifanesy. Tamin’izany dia izay lalàna tapaka teny Tsimbazaza dia tsy maintsy lany tao amin’ny lapan’Anosikely hatrany. Araka izany dia hita ho tsy nanao ny asany sy ny andraikiny ara-dalàna ireo loholona ireo tao anatin’izany. Vokatr’izany, dia toy ny mpanara-drenirano fotsiny ireo loholona napetraka tao, hany ka tsy hita marina izay mba asany sy ilàna azy, fa mandany volam-bahoaka fotsiny ihany.
Tsy afa-misaraka ny Antenimierandoholona sy ny Antenimierampirenena. Hampanahy mafy ny fanafoanana ny toeran’ireo loholona, satria hanao izay tiany hatao amin’ny lalàna notapahiny ireo solombavambahoaka. Karazan’ny toy ny manome fifandanjan-kery eo amin’ny roa tonta ny fisiany. Mazava loatra, fa izy no aroriaka ho an’ny eny Tsimbazaza. Ny fikasana hampihena ny isany aza efa mampieritreritra be ihany, indrindra amin’izao ananan’ny fitondrana maro an’isa izao ao amin’ny Antenimierampirenena. Iaraha-mandre anefa, fa misy lalàna iadian-kevitra eny Tsimbazaza, izay tsapa fa tsy nakàna ny hevitry ny vahoaka soloiny vava loatra, fa izay lalàna tolo-kevitra avy amin’ny fitondrana ny ankamaroany. Indraindray lasa solombavam-pitondrana ireo nofidiam-bahoaka eny Tsimbazaza amin’ny fihetsiny sy ny fanapahan-keviny. Moa tsy izany ve no tokony hofoanana, ka soloana vaovao indray? Ny hisolo vava ny vahoaka no nifidianana ireo dépiote, fa tsy ny hisolo vava ny fitondrana akory. Mitombona amin’io toe-javatra io ny nambaran’ny filoha Lybiana tamin’ny fotoan’andro, Mohamar el Khadafi, hoe:” Tsy misy mahasolo vava ny vahoaka izany, fa fandrebirebena fotsiny ihany ny solombavambahoaka”. Toa hita taratra izany matetika amin’ny zava-misy eto amin’ny firenena.
Ilaina ny Antenimierandoholona eto amin’ny firenena, eto amintsika ireo senateran’i Madagasikara dia mpanolotsaina ny governemanta, no solontena ihany koa ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Any amin’ny firenena any ivelany dia manome lanja azy tanteraka. Ho an’ny filoha Marc Ravalomanana aza dia nilaza, fa izy ireo no maso sy sofiny. Hita rahateo ho tena mipetraka amin’ny toerany sy ny andraikiny izy ireo amin’izao fotoana izao, hany ka sahirana ireo ao Tsimbazaza, izay mitady hitrifana sy hampanao tian-kano tsy tian-kano, ary miketrika kajikajy politika hanatanterahana ny fanirian’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Raha ny fanirian’ity filoha nanongam-panjakana ity aza dia ho foanana mihitsy no nolazainy momba ity andrim-panjakana etsy Anosikely ity tamin’ny fampielezan-kevitra, fa izao nihemotra tamin’ny fanambarana efa nataony izy, ka ny isan’ireo loholon’i Madaagasikara no hahena, hanjary ho 18: ny 12 dia ho fidiana avy amin’ireo Faritany 6 teo aloha, ny 6 fanampiny kosa dia ho senateran’i Madagasikara ho tendren’ny filoham-pirenena. Ny làlana izoran’ny firenena amin’izao fotoana izao dia mankany amin’ny mikitoantoana sy mampahory ny vahoaka, ka ilaina ihany koa ireo loholona ho mpitondra teniny, amin’ny maha-solontena azy ireo ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.