Sôh’son
Toe-javatra maro eo amin’ny sehatra samihafa no mitranga eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Misongadina amin’izany ny lafiny politika sy ny sosialy.
Iry lafiny voalohany dia miompana eo amin’ny fikatrohan’ny antenimiera roa ao anaty fivoriana momba ny lalàna amin’ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka ary ny momba ny harena an-kibon’ny tany. Ny fahitana azy dia toa ihazakazahana ny amin’izany noho ny resaka kajikajy politika, izay efa fanaon’ity fitondrana Rajoelina ity hatramin’ny naha teo amin’ny fitondrana azy izay. Toy ny nataony tany amin’ny fotoanan’ny tetezamita tamin’ny taona 2010 nikononkonana ny lalampanorenana ny zava-misy. Niaraha-nahita sy niaina ary nibaby ny vokatr’izany, izay tsy nitondra soa ho an’ny firenena sy ny vahoaka. Ny fihetsik’ireo solombavambahoaka ao amin’ny vondron’antoko miara-dia amin’ny fitondrana ankehitriny, miatrika izao fivoriana tsy ara-potoana izao, dia mampanahy be ihany.
Ny lafiny sosialy, dia iaraha-mahita ny zava-misy, fa toy ny vay an-kandrina ka sady maharary no mahamenatra. Ny fahitana ny raharaha koa eto, dia toa ezahina izay hanaronana sy hampangina ny olana manjo ireo tokantrano voadingana tsy hisitraka ny fanampiana, ny fizarazarana sy ny fakàna samy ho azy ny mpiara-monina, mbamin’ny fisaraham-bazana eo aminy. Hatreto, tsy mbola mivaha ny olam-bahoaka eny anivon’ny fokontany eo amin’ny fiainana ara-tsosialy na eo aza ny fihetsiketsehana be ataon’ny fitondrana etsy sy eroa. Fihetsika hanakonan’olana ihany ireny rehetra ireny, fa ny zava-misy tena tsy mbola milamina dia ny fahasahiranam-bahoaka. Tsy ny tokantrano sahirana rehetra no voatsinjo tamin’ny fanampiana “vatsy sosialim-bahoaka”, fa ny “tsinjo fameno”, sy ny sisa efa nanavakahana fianakaviana Malagasy maro isam-pokontany. Any amin’ireo kaomina manodidina ny renivohitra dia aretim-po sisa no tsy tonga ho an’ireo tsy nisitraka ny fanampiana kanefa tena sahirana sy marefo ary tena miharitra ny mafy tokoa ireo. Ireo ilay sokajin’olona tsy nivakian’ny fitondrana loha ary tsy olana ho azy izay manjo azy ireo. Fitondrana mpanao zanak’Ikalahafa. Ankoatra ireo, mitaraina koa ny any amin’ny faritra fa tsy mba nahazo izany tosika sosialim-bahoaka izany koa izy ireo, nefa samy sahirana izao ihany hoy ny fitarainana noho ny fihibohana amin’ny hamehana ara-pahasalamana ity.
Toy ny iniana avily ny fijerin’ny vahoaka tsy hifantoka amin’ireo olana iainany isan’andro, sy hanariana dia azy tsy hibanjina ny kajy politika tiana ketrehina hahatongavana eto amin’ity firenena ity. Zotra politika anefa io, izay mazava loatra, fa tsy mitondra mankany amin’izay hanarina ny fiainam-bahoaka marina sy hamerina tanteraka ny firenena amin’ny hasiny maha Malagasy azy.