Helisoa
Tamin’ny fitondràn’ny filoha Marc Ravalomanana no nisian’ny filaminana teto amin’ny firenena , nisy ny fanajana ny fitsipika teo amin’ny sehatra maro nandritra izany . Nanomboka ny taona 2009 nisian’ny fanonganam-panjakàna teto Madagasikara notarihin’i Andry Rajoelina hatramin’izao dia gaboraraka sy fahapotehana amin’ny lafiny maro no hita . Maro ny fampanantena natao ho an’ny vahoaka tamin’ireny fanonganam-panjakàna ireny , saingy nipetraka ho fampanantenana poak’aty fotsiny izy ireny taty aoriana . Nopotehina ny fananam-panjakàna sy an’olon-tsotra , nodorana , norobaina rehefa nahazo tsodrano avy amin’ny filohan’ny mpanongam-panjakàna Andry Rajoelina ireo vahoaka mpomba azy tamin’izany . Ankehitriny , milaza ilay nanapotika teto amin’ny firenena fa hitondra famonjena ho an’ny Malagasy indray hono . Manoloana izany indrindra dia nanambara Rakotoarisoa Eugène filohan’ny fokontany teo aloha fa mandady ny trambo , ka ny olona nanapotika indray no miseho hanavotra ny firenena indray hono. Nanambara mazava izy fa nanomboka tamin’ny fitondràna nentin’ny mpanongam-panjakàna ny taona 2009 dia tsy menatra ny mamono olona intsony ny Malagasy . Lasa ohatra ny mamono biby isika hoy izy fa tsy misy eritreritra hoe olombelona intsony . Izany dia vokatry ny toetsain’ilay olona miseho ho hanavotra an’i Madagasikara satria tao anatin’ny herisetra no niakarany teo amin’ny firondràna . Koa tongava saina ry Malagasy hoy Eugène Rakotoarisoa amin’ny fifidianana ho avy io mba tsy ho voafitaka amin’ny fampanantenana poak’aty indray dia ho loza ny hahazo .
(Feo)