Radafy
Mandringa ny lafiny fanabeazana eto amin’ny firenena ary lasa an-tsirambina mihitsy aza. Efa zara raha misy rahateo ny fanabeazana olom-pirenena vanona na “civisme” any an-tsekoly maro amin’ny ankapobeny. Hany ka mikorosy ny fanajàna ny soatoavina eny anivom-piarahamonina, ary niha-mafy izany tato anatin’ny folo taona farany. Voka-dratsy, mazava loatra, no fiantraikany sy fisehon’izany.
Tompon’andraikitra iray lehibe amin’izany seho-piarahamonina izany ny sekoly. Teboka roa lehibe farafahakeliny ny antom-pisian’ny sekoly, dia ny fampianarana sy ny fanabeazana. Maro an’isa eto amin’ny firenena ireo sekoly tsy miankina raha miohatra amin’ny sekolim-panjakana. Tsy vitan’ny fanjakana rahateo ny manokatra sekoly tomombana sy mahasahana ny fampianarana eto amin’ny firenena. Nanomboka ny taona 90 no tena niroboroboany ary naniry toy ny anana ny fijoroany tamin’ny toerana maro samihafa. Izay rehetra nanana fahafahana nanorina dia nanao avokoa na dia tsy manana finiavana na antso ( vocation) amin’izany aza ny tenany, fa niantehitra fotsiny amin’ireo mpampianatra raisiny hampianatra ao aminy. Tsy atao hahagaga raha ahitana mpampianatra tsy mijanona miasa maharitra na miovaova hatrany ao amin’ireny sekoly ireny. Hita ho tsy voahaja intsony aza ny fepetra amin’ny elanelan’ny halavirana misy azy ireo na amin’ny trano na fivarotana samihafa. Mbola olana iray lehibe tsy voavahan’ny eny anivon’ny minisitera misahana ny fampianarana io.
Ny ankamaroan’ireo sekoly tsy miankina mijoro, indrindra taty aoriana, dia manome lanja ny vola, izay vao fampianarana. Ohatra amin’izany, tsy misy sekoly tsy miankina handray mpianatra amin’izao fotsiny na dia tsy mandoa saram-pisoratan’anarana sy tsy hahaloa saram-pianarana. Amin’izao fotoana izao, dia iaraha-mahita tsara ny fihetsik’izy ireo amin’ny tsy fanomezana ny bulletin ny mpianatra raha tsy voaloa avokoa ny saram-pianarana. Indraindray aza izany tonga mihitsy hatrany amin’ny tsy fanomezana ny taratasy fiantsoana na “convocation” ho an’ireo mpianatra hiatrika fanadinam-panjakana. Tsy hita taratra mihitsy ao anatin’izany ny maha-mpanabe azy ireo, ary misy aza tena lasa lavitra mihitsy amin’ny fihetsika na teny tsy maotina. Efa noresahana teto momba izany ny amin’ireo sekoly tsy miankina eny amin’iny vohitr’Itaosy na Cité Itaosy iny, izay mampitaraina ireo ray aman-dreny maro.
Mirazotra amin’izany, tsy izy rehetra, fa maro amin’ireo sekoly tsy miankina no tsy mifototra afa-tsy amin’ny fampianarana, fa hamaivanina ny lafiny fanabeazana. Lasa fitadiavam-bola sy harena fotsiny aza izany ho an’ny sasany. Miharihary ny fomba fihetsika sy ny fitondran-tenan’ny mpianatra amin’ireny sekoly ireny rehefa eny ivelan’ny sekoly na amin’ny fiaraha-monina misy azy. Nilaza hanao fidinana hanao fisafoana eny amin’ireo sekoly tsy miankina ny tompon’andraiki-panjakana, ka hanara-maso ny lafiny fitandroana sy fanajàna ireo fepetra ny ara-pahasalamana ao anatin’izao hamehana izao, ho fitsinjovana ny mpianatra. Tsy tokony izay ihany anefa no jerena fa mila hadihadiana lalina izy ireo eo amin’ny seha-panabeazana. Amin’izay no handraisana fepetra na tokony mbola hisokatra ilay sekoly na tsia, na fepetra hafa hentitra sy mahomby hoentina hanitsiana azy. Tsy tokony hielina indray mandeha monja koa dia tsy hisy intsony aman-taonany maro izany fanadihadiana izany, fa hatao matetika. Ny hoavin’ny firenena mihitsy mantsy no ataon’izy ireo an-tsirambina sy kitoatoa amin’izany fihetsika manamaivana ny lafiny fanabeazana izany. Ary izao iaraha-mahita izao ny vokany.
Raha te-hanana tanora vanona sy firenena vanona any aoriana, dia mila omen-danja ambony sy toerana mendrika azy io sehatra io.