Andry Tsiavalona
Mitohy dimy ambinifolo andro indray ny fihibohana manerana an’i Madagasikara, ka enimbolana izany no nifandrirarira teto ny mpitondra sy ny vahoaka, izay mikoroso fahana tokoa ny fiainany kanefa iretsy voalohany kosa dia migalabona sy miaina tsara mihoatra ny tsara. Toe-javatra vitsivitsy nitranga teto amin’ny Firenena no manahirana ny ankamaroan’ny Malagasy niandrandra fanavaozana sy nanantena fiovàna ary fandrosoana eo amin’ny sehatra rehetra. Raha ny taona voalohany nitantanan’izao fitondrana izao dia savorovoro sy adintsaina no hita sy taratra teny amin’ny vahoaka.
Ny harivan’ny nanaovan’ny filohan’ny Repoblika fianihanana tetsy Mahamasina dia niaraha-nahalala ny firodanan’ny vato be avy eny Ampamarinana, izay nandrava trano maro, ka nahatonga fianakaviana maro traboina izay nafindra toerana. Tsy ny resaka fiaimpiainan’ireo traboina ireo nandritra ny volana maromaro no asian-teny satria heverina fa tsy tongatonga ho azy iny tranga iny.
Nanomboka io andro io tokoa dia nanontany tena ny vahoaka ny antony tsy nanaovana fianihanana tamin’ny Baiboly Masina. Tsy naharesy lahatra ary tsy mbola maharesy lahatra ny antony nolazaina, fa Repoblika laika no mijoro eto Madagasikara, ka tsy tokony nisy resaka finoana tamin’ny vanim-potoana toy ireny. Loza tsy nampitandrina iny satria tampoka tsy nisy nanampo fa efa mby an-koditra vao samy taitra. Loza voajanahary no azo ilazana azy, ka nitohy tamin’ny tondra-drano saika nanerana an’i Madagasikara, ny teo an-tratra tsy mbola hita ny vahaolana dia nisosoka indray ny loza hafa.
Tetsy ankilany dia nifanehitra tamin’ny fanoheran’ny vahoaka ny tetikasa “Tanamasoandro” nokasain’ny filohan’ny Repoblika naorina tetsy Ambohitrimanjaka. Nitady nitondra lamasinina efa nandeha indray, ka nametraka vato fototra tany Avaratra sy tany Alaotra Mangoro na dia efa nametrahan’ny filohan’ny Repoblika teo aloha, Rajaonarimampianina Hery, vato fehizoro kanefa tsy nisy niainga ireny fa nikatso.
Nitsidika ny fiandohan’ny taona faharoa nitondran-dRajoelina Andry, ny valanaretina covid-19, nolazainy ho taty daholo ny mason’izao tontolo izao satria nahita fanafody fanefitra na fitsaboana ny mpikaroka eto Madagasikara. Tsy naharitra anefa izany fa tsy nisy nilaza ireo firenena nomena izany hoe nahomby, fa gazety vahiny aza no namoaka fa “fiasco” ilay izy. Nankalazaina fa fito tapitrisa no nahazo sy nisotro ity fanafody mirakla ity. Tarehimarika naroso fotsiny io handrebirebena ny saim-bahoaka fa tsy misy porofo mivaingana.
Nitranga daholo izao fanodinkodinana ara-bola nataon’ny ao amin’ny fitondrana izao, ka anisan’izany ny resaka “Bonbons sucettes” sy “écran plat”. Itsy voalohany dia tsy nisy hatakandro ny fanasaziana ny minisitry ny fanabeazana ary niditra am-ponja ireo manampahefana sasany tao amin’ny minisitera saingy ny faharoa kosa dia mbola miriaria sy sarotra hesorina ny lohan’ny mpisorona tamin’ny raharaha.
Tsy tambo isaina ny fandikan-dalàna nataon’izao fitondrana izao fa ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatrany no namoaka didy tsy azo hivalozana izay tsy mifototra velively amin’ny lalàna manan-kery ka anisan’izany ny fanomezana rariny ny Governemanta sy ny Antenimieram-pirenena momba firosohana amin’ny fifidianana Loholona. Manangam-peo avokoa ny politisiana sy ny olompirenena mahatsiaro manana adidy eto amin’ity Firenena ity. Miezaka miaro tena ny praiministra ny alahady lasa teo kanefa tsy maharesy lahatra ny fanehoan-keviny. Tsy tongatonga ho azy anefa ny nanendren’ny filohan’ny Repoblika azy nametraka ireo fepetra vaovao (tsy vaovao loatra) fa adidiny no miaro ny tenany tamin’ny fanapahankeviny manokana na fanapahankevitry ny governemanta. Ny tsy maintsy fantarina sy ao an-tsaina mandrakariva mantsy fa na tiana na tsy tiana dia hiteraka savorovoro ara-politika eto amin’ny Firenena izay ho didy havoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana raha mbola hanamafy ny maha ara-dalàna ny fanatanterahana ny fifidianana amin’ny 11 desambra 2020.
Ny lehibe ihany tokoa no tarafin’ny mpanaradia izao fitondrana izao ka variana ny mponina eto an-drenivohitra amin’ny resaka alika namoahan’ny ben’ny tanàna lalàna manasazy, tsy fantatra iza no handoa izany na ny tompon’ny alika na izy mivovoa. Raha fahadiovana no resahiana dia tadidin’ny mponina eto fa tamin’ny Repoblika I dia voasasa isan-kariva ny tsena eo Analakely ka manao ganagana tsy ary nify ny ben’ny tanàna kanefa manakora saka banga. Manambara etsy sy eroa izao fitondrana izao fa “miasa vao mikabary” kanefa ny tsapa hatarmin’izao dia ny fandokafan-tena sy fizahozahoana no lasa aloha ka miborioka any amin’ny tsy tokony alehany izay rehetra ataony.