Ny Valosoa
Miavaka amin’ny samy olompirenena ny miaramila izay natao hiaro ny tanindrazana, ny tiana ambara etoana dia tsy ireo ao amin’ny tafika ihany no antsoina hoe miaramila, fa ireo mpanao fanamiana sy mahazo mitam-piadiana dia ny Zandarimariampirenena izay manana ny teny filamatra hoe: “TANINDRAZANA sy LALANA”, ny Polisimpirenena izay manana ny teny filamatra hoe: “TANINDRAZANA”sy FILAMINANA”ary ny avy ao amin’ny tafika izay manana ny teny filamatra hoe : “Ho an’ny TANINDRAZANA”.
Samy ahitana ny teny hoe TANINDRAZANA ny teny filamatr’izy telo tonta ireo, saingy ny manahirana dia mivoana amin’ny fiarovana ilay tanindrazana ny fihetsika hita indraindray , indrindra fa nanomboka tamin’ny taona 2009 ka hatramin’izao, fa toa ireo mpitondra sivily no lasa tanindrazana tompoin’ny sasany amin’izy ireo , tsy voahaja ny lalàna, ny filaminana, ary rehefa ireo voalaza ireo no voahosihosy dia ny fampandrosoana amin’ny ankapobeny mihitsy no mikatso.
Ny tanindrazana indray raha faritana ara-bakiteny ny heviny, dia tany navelan’ireo razana ho antsika taranaka ankehitriny sy mbola ho avy, noho izany, samy tompon’ity tanindrazantsika ity rehefa malagasy, saingy manantombo amin’ny fiarovana ilay tanindrazana, noho ny andraikitra nomena azy ireo mpanao fanamiana, satria na ny miaramila na ny zandary na ny polisy, izay nahavita fiofanana, mialoha ny andraisany ny andraikiny dia tsy maintsy apetraka eo ambanin’ny fanevampirenena, tsofina rano eo ary miendrika fianianana ihany koa ilay fitsofandrano, manana anarana ny andiany navoaka, ka mety ho teny mampiseho fitiavantanindrazana, na anaran’ireo tia tanindrazana mendrika ho tahafina no ampisalorana ny andiany napetraka ambany faneva, ny fanevampirenena moa dia azontsika an-tsaina fa ilay sainampirenena telo soratra, izay tokony ho hajaina sy lolohavina an-tampon’ny loha, ka ho an’ireo mpitandro filaminana raha tonga ny fotoana handaozany ny tany dia fonosina ny fanevampirenena ny tranovorona.
Niaraha-niaina ny zava-nitranga tamin’ny taona 2009, fa nisy ny fakana fahefana tsy tamin’ny alalan’ny fifidianana, izay tsy tontosa raha tsy nisy ny tsikombakomba avy amin’ireo mpanao fanamiana, toy ny fitondrana fiara mifono vy nihanika an’Ambohitsorohitra, ny fikasana hisambotra velona ny Filoha Ravalomanana teny Iavoloha, ary ny nampiasana ny toby Capsat ho toerana nampihorohoroana ray aman-drenimpiangonana. Mbola nitohy nandritra ny fitondrana tetezamita sy tamin’ny Repoblika fahaefatra ny fanamparam-pahefana ary hatramin’izao.
Nisy ny zava-doza izay toa zary hadino tamin’ny fitondrana tetezamita dia ny fahazoana ireo angidimby, izay niteraka resabe ny loharano sy fomba nahazoana azy ireo, tsy mbola nivoaka ny marina mikasika azy ireo, fa vao mainka aza niampy indray ny manjavozavo, satria tsy mazava ihany koa ny mikasika ireo fitaovam-piadiana nampidirina farany teo.
Fa mikasika ny fiainam-bahoaka tompon’ilay tanindrazana dia io iaraha-maheno isan’andro io ny tsy fandriampahalemana manerana ny tanindrazantsika, samy mikaikaika avokoa na ny any an-tsaha na ny an-tanàn-dehibe, ny antony dia misy ny tsy fandraisan’andraikitr’ireo mpitandro filaminana sasantsasany ary ny tena loza dia tsikaritra ny fisian’ny firaisana tsikombakomban’ireo lehibe amin’ireo olon-dratsy toy ny dahalo, soa fa tsy izy rehetra.
Ny tsy fanarahan-dalàna ataon’ny mpitondra sivily sy ny fanaparam-pahefana amin’ny endriny samihafa, dia tsy ambaka ny nataon’ireo mpitandro filaminana sasantsasany, saingy toa mahazo antoka amin’ny tsy mety ataony ireo mpitondra sivily ireo, satria mihevitra fa ao andamosin’izy ireo hatrany ireo mpitandro filaminana, izay heveriny fa hiaro azy ireo hatrany.
Miaina ao anatin’ny fahasahiranana ny vahoaka malagasy tompon-tanindrazana, vokatry ny nataon’ ireo mpitondra nantenaina hanavotra ny tanindrazana, kanefa toa vao mainka aza nampilentika.
Ry miaramila mandrosoa izao, hira laharana faha-639 ao amin’ny fihirana FFPM, tsy afaka ambavan’ireo vonona handray andraikitra hanasoa ny tanindrazana ao anatin’ny finoana no niniana natao lohatenin-dahatsoratra, hanairana ireo mpanao fanamiana zana-bahoaka, miara-miaina amin’ny vahoaka, hijoro hiaro ny tanindrazana iombonana amin’ny vahoaka malagasy miaina fangirifiriana, tsy ho biby fampitahorana vahoaka sanatria ianareo miaramila, fa araky ny anaranareo, miara-mila fandrosoana sy miara-mila filaminana amin’ny vahoaka tsy vakivolo, mahatsiaro ho sambatra ny mpiray tanindrazana raha mijoro tokoa ho ”tandroka aron’ny vozona” ianareo satria natao ”hiaro ny vahoaka sy ny fananany” ny antom-pisianareo, ny mpitondra mandalo fa ny vahoaka sy ny tanindrazana mitoetra eo foana.
(Sary nindramina: Razily, marsa 2009)