Andry Tsiavalona
Toa miverina any amin’ny andron’ny revolisiona sosialista teto Madagasikara indray isika amin’izao fotoana izao. Revolisiona lokon-daoranjy (révolution orange) tokoa mantsy no niantsoan’ny « mpitolona », na ny marimarina kokoa ireo mpanongam-panjakana tamin’ny taona 2009 ny hetsika nataony.
Tsara tsiahivina anefa fa nisy naha samy hafa azy ireo « revolisiona » roa ireo satria ity faharoa dia fandrobana sy halatra ary fanapotehana ny asa fihariana no niandohan’izany ny 26 janoary ary niafara tamin’ny fanonganam-panjakana. Tafaverina amin’ny fitondrana tamin’ny alàlan’ny fifidianana tsy mazavazava ny mpitarika izany « revolisiona lokon-daoranjy» izany. Ny voalohany kosa dia fitsapankevi-bahoaka no niteraka azy ary tanora tao anatin’ny heriny tanteraka ny Amiraly Ratsiraka Didier. Ny itovian’ireo « revolisiona » roa ireo dia tanora no tonga teo amin’ny fitondrana, ka samy niezaka hamadika ny nofinofiny ho zavatra mivaingana hita maso sy azo tsapain-tànana.
Teo amin’ny sehatra politika tsapa fa na dia revolisiona aza no neverina natao teto dia tsy nitovy tamin’ireo tany ivelany toa ny tany Rosia, Shina, Korea, sns… izay antoko tokana no nitondra. Ny Revolisiona Sosialista teto tamin’ny Repoblika II dia nitsangana ny Mandatehezana miaro ny Tolompiavotana, ka izay antoko politika tsy tafiditra tao dia tsy afaka nanao politika sady tsy tafiditra tao anaty fitondrana. Teo amin’ny sehatra famokarana kosa dia tsiahivina ny nisian’ny “investissement à outrance”, ka nanokafana ireo banky isan-karazany ary mirazotra tamin’izany ny nitsanganan’ny orinasa isaky ny seha-pamokarana izay nametrahana ny koperativa sosialista isan-tokony. Azo asongadina amin’izany ny “idée 21” izay nanorenana trano tany Atsimo, ny Sonaco, ny Roso ary lehibe tamin’ireny ny IMI (Institut Malgache Inovation) izay namoronana ny fiara 4×4 Karenjy. Tsy nisy naha ratsy ireo voatanisa ireo saingy tsy rehefa tsy misy fandraisana anjaran’ny daholobe (participative et inclusive) dia tsy lasa lavitra satria tsy mahatsiaro tena ho tompony ny mpiray tanindrazana, ka iaraha-mahalala ny niafaran’ireo voatanisa ireo, potika tsy nisy tafavoaka avokoa ireo orinasa ireo tamin’ny andron’ny Amiraly Ratsiraka.
Raha ny sehatra politika no jerena dia tsy mitovy ny fampiraisan-kina ny mpanao politika eo amin’ny fitantanana ny firenena eo anivon’ireo “revolisiona” roa nisy sy misy eto Madagasikara ireo. Ankehitriny tokoa dia mihevitra ny hitondra samy irery ny firenena ny TGV sy ny IRK mpiaradia aminy, ka miezaka na manilika na mampatahotra na mampihorohoro izay tsy mitovy hevitra aminy. Manaporofo izany ny fampidirana am-ponja ireo heverin’ny mpitondra fa manohitra azy. Eo koa ny tsy fampandaniana ny lalàna fototra momba ny fanoherana izay heveriny fa mety hanozongozona ny toerany satria afaka hamaky bantsilana izay tsy mety hataon’ny mpitondra rehetra amin’ny alàlan’ny haino aman-jerim-panjakana ny mpanohitra. Na izany na tsy izany dia tsy manakana ny fivakisana sy fanombohan’ny fahalemen’ny antoko eo amin’ny fitondrana ny tranga rehetra amin’izao fotoana izao.
Raha eo amin’ny sehatry ny famokarana sy fotodrafitrsa dia toa mitovitovy ny endrik’izany eo amin’ireto “revolisiona” roa nisy sy misy eto Madagasikara ireto. Efa voatanisa etsy ambony ny tamin’ny revolisiona sosialista. Ny revolisiona lokon-daoranjy dia ny fananganana tanàna mitovy amin’ny any ivelany (Miami, Paris) no idedahana. Eo koa ny fanamboarana làlana miantona (fly over na highway) no mahamaika azy. Etsy an-kilany koa dia ny fanorenana Tranon’ny Lavanila (Maison de la Vanille), izay azo heverina fa ao anatin’ny làlantsaina nisy tamin’ny revolisiona sosialista teo amin’ny nananganana ny “Maison des Produits”.
Ny tiana ho marihana dia nandritra ny revolisiona sosialista izay azo lazaina fa niara-nihentana ireo antoko politika nivondrona tao amin’ny Mandatehezana Miaro ny Tolompihavotana teo amin’ny fanantanterahana ireo programam-pampandrosoana ireo, mbola iaraha-mahalala ny niafaran’ireo zavatra rehetra natsangana ireo. Ankehitriny dia miezaka ny manao tari-tokana amin’ny fitondrana ny Firenena ny mpitondra sady tsy mihaino ireo fanakianana ny tsy mety, ka hananosarotra ny fanatanterahana izany. Manampy trotraka izany ny fijapiana ireo fotodrafitrasa efa nahazoana famatsiana kanefa tsy mety miainga satria tsy mizotra any amin’ny fanetren-tena ny mpitondra. Izay manetry tena no hasandratra fa izay manandra-tena kosa no hahetry.