Ny Valosoa
Afaka volana vitsivitsy dia ho feno roa taona ny nijoroan’ny fitondrana tarihan’ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, tsy dia hita anefa izay asa mivaingana, fa dia toy ny mbola ao anatin’ny fampielezankevitra ihany no fahitana ny fihetsik’ireo mpitondra, tsy hita taratra ny fahombiazan’ilay velirano, tsy mbola nisy rahateo ny famatsiambola nisongadina avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena, Ingahy Filoha rahateo moa efa namoaka vava fa na amin’ny taona 2O30 na 2O6O aza isika malagasy tsy ho tafarina raha mbola ireo mpamatsy vola mahazatra ireo no iaraha-miasa, fa mahita lalambola hafa izy ka isika indray no mety hampindrana ny Nosy Kaomoro.
Balaoasy araka ny fiteny any amin’ny faritra atsinanana avokoa anefa ny nambaran’ Ingahy Kandidà, fa ny zava- misy dia sahirana ara-bola ny firenena, zara aza nisy ny koronaviriosy nahazoana ampahambola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, izay nambara fa tsy hampandroso ny firenena, sady nohararaotina koa ny fisian’ilay valan’aretina nahazoana nametraka ny fepetra fangejana toy ny hamehana ara-pahasalamana, sy hanilihana ny tsy fahombiazana rehetra .
Mikasika ny famatsiambola azo avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka iraisampirenena dia azo lazaina ho kely dia kely ny vola azontsika malagasy raha miohatra amin’ny azon’ireo firenena afrikana sasany, izay vitsy mponina lavitra noho isika, ny antony dia tsy mahatoky ny mpitondra Malagasy ireo mpamatsy vola, satria tsy misy ny fangaraharana eo amin’ny fitantanana ireo fanampiana, tsy tena hita miantraika amin’ny famahana ny olana mianjady amin’ny vahoaka ny fampiasambola, fa toa ny « oeraoera » no betsaka.
Tsapan’ireo mpamatsy vola ihany koa fa tsy misy ny fanampiana ireo sehatra tsy miankina, izay tokony ho kitro ifaharan’ny fanarenana ara-toekarena, fa dia mbola tsy maintsy aloa ny hetra, fanemoram-potoana no nomena, fa tsy fanafoanan-ketra na amnistie fiscale ary ny fampindrambola natao ho an’ireo mpiasa tsy miankina amin’ny fanjakana dia miendrika fanambakana, satria ny latsakemboka naloan’ny mpampiasa sy ny mpiasa tany amin’ny Cnaps ihany no ampindramina azy ireo.
Mikasika ilay hamehana ara-pahasalamana dia fanararaotam-pahefana no azo ilazana azy satria ilay “requisition “ atao amin’ireo mpampahalala vaovao dia miendrika fanerena tsotra izao , ahafahan’ny fitondrana mivoy ny hevitra ara-politika tiany ampiharina eto amin’ny firenena, asaina miasa talata ireo haino vaky jery, ankoatr’izay mbola tsy marim-potoana ireo mpitati-baovao, kanefa efa fito volana no nanaovana ilay asa, Ramatoa Pr Vololontiana Hanta MD tokony handray fepetra hanery ireo mpaka antontan’isa ahatongavan’ny tarehi-marika ara-potoana , sady amin’izao fotoana izao koa anie efa maro ireo fitaovan-tserasera hari-fomba ahazoana vokatra marina sy haingana e ! Fa ankoatr’izay, raha avy amin’ny Pr no mety mahatonga ny fahadisoam-potoana noho ny andraikitra hafa sahaniny, azo atao anie ny manome andraikitra olon-kafa e, satria ny famakiana ny antontan’isa dia tsy zava-tsarotra, fa na dokotera na « paramed » aza mahavita an’io.
Fa ohatra iray amin’ny fanambarana politika nataon’Ingahy filoha ilay tany Taolagnaro tao anatin’ny fandaharana « bôjo » nandeha tamin’ny haino amanjery samihafa isa-tapa-bolana, ny nilazany fa tsy hanao politika intsony hono izy raha tsy vita ny lalampirenena faha13, izay marihana fa famatsiambola efa nosoniavin’ny fitondrana Rajaonarimampianina ,fa dia namantam-bonona Ingahy Rajoelina , fa ny andrasana amin’ity fitondrana mitondra ankehitriny ity , dia ny fisian’ny famatsiambola vaovao izay asan’ny mpitondra amperin’asa madiodio ny tokony hitady izany.
Momba ireo fanamby nataon’Ingahy filoha tamin’ny tokony hiverenan’ireo nosy malagasy tamin’ny 26 Jona lasa teo, dia mbola navotan’ny kôrônaviriosy ny fitondrana satria zara aza nisy ny valanaretina nahazoana nanilika ny tsy fahazoana ireo nosy ireo, ary ny fanamarihana ny 14 Oktobra aza aleo nofoanana mihitsy, satria mbola tsy misy mangirana ny momba ireo nosy malagasy.
Betsaka ny tiana hambara fa ny azo amehezana azy dia tsy mahomby ny fitantanana ny firenena, miteny ho azy ny sary tany Taolagnaro , raha mijery ireo vahoaka mpiray firenena amintsika tamin’ny televiziona, fa dia taolana maro no nasaina nihoby sy nitehaka an’Ingahy sy ireo mpanao gazetiny , tsy manana arovavaorona, ary tsy manaja ny fepetra ara-pahasalamana, fa dia mifangaro tsy misy elanelana, kanefa moa akory atao fa ny lehibe aza tsy mandrara, sady ny fisian’ny kôrônaviriosy koa anie dia nanome vahana ny fitondrana tamin’ny lafiny rehetra, izay koa no mety nahatonga ny fandavan’ny fitondrana ny fanakatonana ny sisintany tamin’ny fotoan’andro.