Andry Tsiavalona
Tsy misy afaka mandà mihitsy, fa paikady nentin’ny mpitondra nanatanterahana izay rehetra neveriny hampitomboina sy hanamafisana ny fahefana ampindramina azy, ny fanitarana izao hamehana ara-pahasalamana izao. Toy ny tamin’ny « tetezamiitatra » ihany satria iaraha-mahatadidy fa nanao ny danin’ny kibony ny fitondrana tetezamita, ka ny lalàna rehetra dia nitsakitsahany avokoa kanefa tetsy an-kilany izay niseho nanohitra sy nitsikera izany dia niharan’ny antsojay avokoa, ka nopotehina ny orinasa malagasy ary naiditra am-ponja izay nolazaina fa nanohintohina ny fiandrianam-pirenena sy nanosihosy ny hasin’ny tanindrazana. Tamin’izany fotoana izany, na teo aza ny fankatoavana iraisam-pirenena ny fitondrana tetezamita nijoro dia tsy marin-toerana ny fitondrana. Nifarana ihany izany tetezamita izany na dia niitatra tsy araka izay niheverana azy aza.
Ankehitriny dia tafaverina eo amin’ny fitondrana ny mpitondra tamin’ny tetezamita ary maro ireo tsy fanarahana sy fanitsakitsahana ankitsirano ny lalàna manan-kery ary hatramin’ny Lalàmpanorenana aza. Marihina fa ny fitondrana tetezamita no namolavola io Lalàmpanorenana amin’izao fotoana izao io, ka amin’izao fotoana izao dia mahatsapa ny mpitondra fa namandri-tena ihany satria tsy nanampo ny ho eo amin’ny fitondrana, fa ho mpanohitra kanjo ny mifamadika amin’izany no misy.
Tonga teto Madagasikara ny covid-19 ny volana martsa lasa teo. Efa niantso ny mpanohitra ny amin’ny tokony ho nanakatonana ny habakabaka sy sisintany talohan’io, kanefa dia mody ny lafiny toekarena hikatso no nolazaina fa tsy mbola tokony ho nanakatonana izany. Nanambara ihany koa ny filohan’ny Repoblika fa efa vonona ny fitondrana raha tafiditra eto ny valanaretina. Namafisin’ny mpitondra tenin’ny governemanta sady ministry ny serasera fa tsy mafy noho ny pesta sy kolerà ity aretina ity. Na teo aza izany fanamaivanana ny ho fiantraikan’ny valanaretina eo amin’ny sehatra rehetra izany dia nambara ihany ny “hamehana ara-pahasalamana” (état d’urgence sanitaire). Tsy tongatonga ho azy izany satria niketrika tsy nisy toy izany ireo “atidoha” (cerveaux), ka vita kalamina avokoa ny tetika rehetra: hamehana, tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina, fanidiana ny làlam-pirenena, tsy nahazo niasa ny fitateram-bahoaka, sns…
Nararaotina ny toe-javatra nifehezana ny olompirenena satria noterena tsy maintsy namoaka ny tarehimarika momba ny fizotry ny valanaretina ny onjampeo sy fahitalavitra tsy miankina rehetra manerana ny Nosy. Norarana tsy nahazo nanao ny fidiran’ny mpihaino mivantana amin’ny alàlan’ny antso an-taribia ireto orinasa ireto, izay midika ho fanampenam-bava tsy haneho hevitra momba ny toe-draharaha politika, sosialy, toekarena sy namboraka ny zava-manahirana ny mponina. Noferana ny ora niasan’ny orinasa eo amin’ny sehatra rehetra, tsy afaka nivarotra ihany koa ny mpivarotra ka amana hetsiny ny very asa, tsy nisy vola niditra intsony ny mpivarotra. Noravana ny tsena teny rehetra teny teto an-drenivohitra, ka sahirana avokoa ny olompirenena rehetra. Navoakan’ny fitondrana avokoa izao lalàna rehetra izao, ka hatramin’ny fifidianana loholona aza dia natao amboletra na eo aza ny tsy fahampian’ny mpifidy vaventy satria tsy olomboafidy ny filohan’ny Faritany sy ny Faritra ary ireo mpanolotsaina ao amin’ireo rafitra ireo. Misy ihany koa ireo Kaominina roapolo mahery tsy mbola manana ben’ny tanàna sy mpanolotsaina kaominaly sy monisipaly. Araka izany dia noverezin-jo izany ny olompirenena sasany ary fanitsakitsahana ny Lalàmpanorenana no nataon’ny fitondrana. Manaiky izany anefa ny mpamoaka didy tsy azo ivalozana na dia maro aza ireo manohitra ny fanatanterahana ity fifidianana ity, ka mampahatsiahy ny tranga tany aloha tany. Tsy vitan’izany fa nosamborina sy nogadraina ny olompirenena sasany tsy mitovy hevitra amin’ny mpitondra. Nararaotina ihany koa ny fanakatonana ny lalàmpirenena, indrindra ny faharoa, nandravana ny fotodrafitrasan’ny orinasa Tiko ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, ankoatra ny fanakatonana ireo toeram-pivarotana Magro-AAA any, eto an-drenivohitra sy Fianarantsoa ary Antsirabe.
Tsy ny hevitra intsony no tsy itovizana fa mifandramatra ny samy Malagasy, ka ilaina ny famerenan-desona momba ny tantaran’ity Firenena ity tao anatin’ny enimpolo taona namerenana ny “fahaleovantena”.