Ny Valosoa
Namotsipotsitra ny tsy fahombiazan’ny fitondrana hatrany ny mpanohitra ahitana ireo depiote TIM, ny Vondrona Panorama ary ny RMDM tamin’ny fanaovana tatitra sy fitsidiham-paritra nataon’izy ireo. Fafitra 4 no efa voatsidiny dia ny faritra Atsinanana, tany Toamasina; ny faritra Boeny tany Mahajanga, ny faritra Alaotra Mangoro tany Ambatondrazaka, ary ny faritra Matsiatra Ambony tany Fianarantsoa.
Tsy mahazo sehatra izy ireo raha ny rafitry ny Lalampanorenana no arahina, ka manira-tena mba ho mendrika ny asa fanoherana eto Madagasikara.Ny TIM, HVM, MTS, Monima, UNDD, Leader Fanilo sy ny antoko 35 mahery dia mivondrona ao amin’ny Panorama ary mijoro ho mendrika ny feom-bahoaka, izay manambara fa hahafantaran-javatra izao fihetsiky ny mpanohitra izao.
Ny lalàna fehizoro no mametra fa ny solombavambahoaka dia afaka manao tatitra amin’ny vahoaka izay tsy ilàna fangatahan-dalana velively. Ny fanakanana ny mpanohitra tany Fianarantsoa dia henatra ho an’ny Prefet sy ny fitondram-panjakana satria fanitsakitsahana ny zo fototra haneho hevitra. Tsy navela hidirana ny toerana izay fananan’olon-tokana no sady mifefy, kanefa dia toy izany ihany ny toerana nampiasaina tany Ambatondrazaka. Ka ilay anarana Magro ve no olana noho ny lolompo diso tafahoatra? Sa miakatra ny tahotra taorian’i Mahajanga sy Ambatondrazaka ho an’ny mpitondra?
Tsy mahatanty demokrasia ny Prefet sy ireo mpibaiko azy, satria maro loatra ny zavatra tiana ho afenina: fanararaotam-pahefana, kolikoly, tsy fijerevana vahoaka sahirana, famahanan-dalitra, fampanantenana paokaty. Rehefa natao ny famotopotorana dia zara raha nahazo fanampiana i Fianarantsoa tamin’izao krizy ara-pahasalamanana izao. Fantatra koa fa tamin’ny fandalovan’ny filoha teo an-toerana teo aloha dia nitrosa vary 800 taonina i Ragôva ho an’ny ‘vatsy tsinjo’ kanefa hatramin’izao dia tsy mbola voaloa vola.
Ny hadisoan’ny mpitondra nifanesy dia ny namefy ny mpanohitra, atao izay tsy mampiteny azy ao anaty lapa. Tsy hisy endrika fanoherana afaka hahazo vahana mihitsy hanitsy ny fahadisoana. Ary fefeny ny fahitalavi-panjakana sy ny onjam-peom-panjakana. Noho izany aty amin’ny arabe no miresaka fanoherana manomboka izao. Rehefa hanasoaso fanjakana sy handokandoka ny zavabita, na marina na diso, dia mahazo sehatra eo amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny avy ao amin’ny mpomba ny fitondrana. Saingy rehefa tsy miteny ny haino aman-jerim-panjakana amin’ny alalan’ny mpanohitra dia miteny ny arabe.
RN44
Ny fotoana nidinan’ny solombavambahoaka tany Ambatondrazaka dia tsy nisy na godrao iray metatra niraraka tao amin’ny RN44. Raha dinihina manokana ny dingana voalohany amin’ny asa fanamboarana, lalana mirefy 40km manasaraka ny PK20 ka hatreo amin’ny PK60 (Amboasary) dia izao:
– miala ny PK20 mandeha 10km (base-vie) dia tsy voakitika mihitsy.
– miala ny PK20+10 mandeha 10km (Ambohidray) dia asa ‘ouvrage’ toy ny fanamafisana tetezana ohatra no betsaka.
– ny ambiny dia vita tara.
Ny tetibola momba io asa io dia eo amin’ny 17M$ (millions de dollars) mandritra ny 18 volana. Eto dia 6 volana no sisa tavela ary 15M$ no vola efa navoaka.
Mipetraka ny fanontaniana hoe nampiasaina taiza io vola io raha toa ka ampahafolon’ny tetibola no sisa tavela hamitàna ny asa? Ahoana no fanazavàn’ny ministry ny fitantanambola an’izany toe-javatra izany? Miditra fahavaratra isika izao ary ho avy ny orana. Hanao ahoana ny hafainganam-pandehan’ny orinasa hamita ny asa? Isika mivoaka krizy, dia miditra krizy hafa, hiakatra ny vidin’entana, ny fiainambahoaka mbola tsy miverina amin’ny laoniny. Izany rehetra izany dia mamaritra hoe ho voahaja ve ny 18 volana?
Lalana ao Fianarantsoa
Misy orinasa lehibe mpanao lalana ao Fianarantsoa milaza amina orinasa madinika miara-miasa aminy, fa mijanona ny asa satria tsy misy ny vola, fa izay te-hanao dia anjarany samirery no miantoka. Izay no mahatonga ny lalana ao Fianarantsoa marisarisa amin’izao fotoana izao.
Tsy voahaja ny Lalampanorenana
Andininy 146.- Ny Fanjakana dia miandraikitra ny fampiharana ireto fepetra manaraka ireto :
-fitsinjarana ny fari-pahefana eo amin’ny Fanjakana sy ny vondrombahoakam- paritra Itsinjaram-pahefana ;
-fitsinjarana ny loharanom-bola eo amin’ny Fanjakana sy ny vondrombahoakam- paritra Itsinjaram-pahefana ;
-fitsinjarana ny raharaham-panjakana eo amin’ny Fanjakana sy ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.
Ratsy dia ratsy ny lalana mankany Fianarantsoa.
Goraobaka ny kitapombolam-panjakana. Isaky ny roa na telo andro dia amam-polony miliara ariary no mivoaka mankany any amin’ny présidence (rubrique 46). Rehefa mivoaka ny filohampirenena dia atao ohatran’ny vola ao ampaosin’ny filoha no mivoaka.
Ireo governora no mahazo vola fa tsy ireo rafitra toa ny kaominina tokony hisitraka ny vola dia tsy mahazo sy sakanana.
Tsy manaraka ny praograma (laminasa, PGE). Tsy misy mangarahara.
EPP manara-penitra dia tokony ho any amin’ny toerana tena sahirana.
Ny mahafinaritra aloha vao ny mahasoa ny an’ny fitondrana Rajoelina.
Manana zo amin’ny toeran’ny filoha lefitra iray ny mpanohitra ao amin’ny Antenimierampirenena ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera farafahakeliny. Tsy mbola tontosa izany hatramin’izao.
Fifidianana loholona amboletra
Atao amboletra ny fifidianana loholona satria baikon’ny fitondrana mpanatanteraka ny HCC, fa tsy misy ny fisaraham-pahefana.
Lazaina fa ravana ny Antenimierandoholona kanefa ny avy amin’ny fitondrana no mihakazaka amin’izao fotoana izao manao praopagandy hiditra ao. Izy mianakavy fa tsy misy mpanohitra no mety hiditra ao.
Famonjana tsy ara-drariny
Misy ankehitriny ny famonjana tsy ara-drariny ataon’ny fitondran-dRajoelina. Araka ny lalampanorenana: Andininy 9.- Ny olona rehetra dia manan-jo amin’ny fahalalahana ary tsy azo samborina na tànana am-ponja tsy amin’antony.
Tsy misy olona azo enjehina na samborina na tànana am-ponja raha tsy noho ny anton-javatra voafaritry ny lalàna ary araka ny fomba voadidiny.
Izay niharan’ny fisamborana na fitànana am-ponja tsy ara-dalàna dia manan-jo hahazo onitra.
Raha ny tatitra avy amin’ny fianakaviana dia mampitahotra ny ain’i Rolly Mercia. Tahak’izany koa ny an’ny tale jeneralin’ny ORTM teo aloha, Johary Ravaojanahary, izay angatahana ampahibemaso ny tokony handinihana azy, satria manana andraikitra ny CENI.
Orinasa AAA
Ho an’ny orinasa AAA: ara-dalàna daholo ny taratasy, na ny tale jeneralin’ny impôts, na ny chef de service courrier any amin’ny Direction Générale des Entreprises no sakana. Teknisiana miandry baiko hanomezana ny ‘carte fiscale’, hampisokatra ny orinasa AAA.
Andininy 38.- Ny Fanjakana no miantoka ny fiarovana ny renivola sy ny fampiasam-bola hamokarana.
Nanomboka ny fotoana nitondran-dRajoelina marobe ny orinasa maty sy niala teto Madagasikara. Monopole ana olona vitsivitsy no misy, fanomezana vahana ny namanamana.
Ministry ny fitantanam-bola
Ny olana ho an’ity fitondrana Rajoelina ity hoy ny mpanohitra dia ny ministry ny fitantanambola.
Raha tamin’ny fitondrana tetezamita dia mbola azo lazaina fa nanana olona tsara kokoa ny fitondrana Andry Rajoelina teo amin’ny ministeran’ny toe-karena sy ny ministeran’ny fitantanambola sy ny tetibola, nizara roa mazava tsara.
Ankehitriny, ny ministry ny fitantanambola mihitsy no olana amin’ny fampiakarana ny ady hevitra ara-toekarena. Nametrahan’ny mpanao gazety fanontaniana izy nandritra ny fanokafana ny fivorian’ny solombavambahoaka hoe “manao ahoana ny tetibolam-panjakana 2021 (LFI)?” fa ny valiny dia mikasika ny famatsiambola avy any ivelany.
-3,2% ny toekarena araky ny FMI. Ahoana no fomba hahatongavana any amin’ny 4%?
Mila manenjika 1500 miliara ariary isika izao atao anaty ny telo volana farany, kanefa tsy tratra akory ny 400 miliara ariary isambolana. Tsy ho tratra izany ny tetibola(LFR).
Tsy misy ny paikady avy ato anatiny hanatanterahana izany, fa ny resaka famatsiambola no arangaranga.
Famatsiam-bola ara-tsosialy (FSS)
Nanomboka Janoary 2019 izy ireo no mitondra. Ny volana aprily ihany no tsy nisy décaissement tamin’ny 90M$. FSS namoaka vola foana ny fitondrana Rajoelina. Telo taona no faharetany. Distrika 16 niampy telo taty aoriana. Hatramin’ny 2022. Tsy tokony nisy kere intsony raha nampiasaina io vola io.
45M$ lany tamin’ny 2020. Lasa aiza io vola io navoaka nandritra ny valo volana. Nefa io vola io tafiditra tao anatin’ny ‘vatsin’ankohonana’ namatsiana ny faritra atsimo (Betioky, Ambovombe…). Inona no mbola mampisy ny kere? Herintaona monja lany ny 50%.
Marihina fa ny fikambanana ‘Fitia’ tantanan’ny vadin’ny filoha no manao ny fitsinjovana ny zaza madinika any amin’ny faritra Anosy ary ny orinasa ‘Fihariana’ an’ny TGV no misahana ny kere sy famatsiana ny faritra Atsimo Andrefana.
Toekarena malagasy
Sehatra telo no mamaritra ny toekarena:
Zones franches 13% mikatona tanteraka noho ny Agoa.
Secteur énergie 11,5% totofana subvention.
Industrie boissons alcooliques mamono ny forces ouvrières, epi-bar.
Ambatovy, ONE
Hatramin’ny tsy namokaran’ny tao Ambatovy dia banga 44 miliara Ar isambolana ao anaty kitapom-panjakana.
May ny ONE tao Antaninarenina, tsy fantatra ny antony, tsy misy valiny ny fanadihadiana. Fanambaniana ny mpiara-mombanantoka no ataon’ny fitondrana amin’izao fotoana izao.
Amnistie fiscale
Tsy mbola nisy fanjakana nanaovan’ny mpandraharaha SOS hoe omeo ‘aministie fiscale’ , na fangatahana tsy fandoavan-ketra raha tsy tamin’ity fitondrana Rajoelina ity, nefa tsy nahazo izany izy ireo. Ny fanjakana nandray fepetra fihibohana, kanefa tsy nisy ny takalony avy any aminy ho an’ireo orinasa sy ny ankamaroan’ny mpiasa.