Ny Valosoa
Notokanana omaly 6 Novambra 2020 nahafeno 25 taona katroka ny nahamay ny Rovan’Antananarivo, ny nambara ho “fanarenana” tao Anatirova.
Ingahy Filoha Rajoelina no tonga nitarika ny lanonam-pitokanana, tsikaritra avy hatrany raha nandinika ny zava-nitranga teny Anatirova, fa tsy notokanana ny Rova, fa ny hita tao dia notakonana ny marina rehetra, fanindrahindrana frantsay no nomena vahana, nahamenatra fa niresaka fifanandrifian’ny tantara sy vanimpotoana Ingahy Filoha nampisehoany fa mahafehy ny tantara izy.
Nambaran’Ingahy Rajoelina fa nisy hono ny fifanandrifian-javatra izay nolazaina fa lahatr’Andriamanitra, satria nanangana saina fotsy ny tao Anatirova tamin’ny taona 1895 ny 30 Septambra, ny ampitso 1 Oktobra 1895 no lasa tany teo ambany fiahian’ny frantsay i Madagasikara, ary 100 taona katroka taty aoriana hoy Ingahy Filoha dia may Anatirova, ary 25 taona aty aoriana hono dia “tafarina” ny Rova , ka ny Rovan’Antananarivo lasa Rovan’i Madagasikara. Mikasika ilay entana vao tonga avy any Frantsa dia mbola nambaran’Ingahy Filoha, fa fifanandrifian-javatra goavana koa, satria ny 5 Novambra 1910 no tonga tao amin’ny Mozean’ny tafika frantsay, ilay tatarompiandrianana, ary 5 Novambra 2020 no tonga eto Madagasikara ilay nambara fa vakoka ary napetraka tao amin’ny Lapan’i Manjakamiadana.
Tsy misy izany fifanandrifian-javatra izany, fa ny tena marina dia ny frantsay mihitsy no manao ny tantara eto amintsika, maro ny azo hanamarinana izany.
Mikasika ny fananganana saina fotsy vokatry ny tifi-tafondro nataon’ny frantsay niainga teny Andrainarivo, dia aleo tsiahivina fa teny Ambatobe no toerana nitobian’ny tafika frantsay, teny no nanomanana ireo tetik’ady nitondrana ny fanafihana, ny zava-nitranga taty aoriana ny taona 2009 dia avy eny Ambatobe no nandinihana ny fanonganam-panjakana izay tsy takona afenina fa nisy diantanan’ny Filoha frantsay Nicolas Sarkozy, ary mbola eny Ambatobe hatramin’izao no foiben’ny fanjanahantsaina frantsay dia ny “Lycée Français ”.
Ny 1 Martsa 1897 no nalefa sesitany tany ivelany Ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo , ny 14 Martsa 1897 no tonga tatsy amin’ny Nosy La Reunion ny Mpanjakavavy sy ireo mpiaradia taminy, ary tamin’io 14 Martsa 1897 no notaina fady ny Rovan’Ambohimanga satria noloarana tany ny taolambalon’ireo Mpanjaka nafenina tao toa an’Andrianampoinimerina, Ranavalona I sy Ranavalona II, ary notaina fady koa Anatirova satria tsy fanao ny mampiaraka anaty fasana ny mpanjaka maromaro, kanefa dia nataon’ny Jeneraly Gallieni izany, ary ny taona 2009 mbola volana Martsa koa no nitranga ny fanonganampanjakana, izay nahatonga ny Filoha Ravalomanana tsy maintsy niala teto an-tanindrazana, kanefa dia diso kajy ny frantsay satria tsy tany Frantsa toy ny fanaon’ireo filoha miala eto no nalehan’ny Filoha Ravalomanana, fa tany amin’ny firenena SADC, tany Swaziland, dia avy eo tany Afrika Atsimo.
Mbola mikasika ny volana Martsa ihany, ny taona 1947 nahafeno dimampolo taona ny nandefasana sesitany ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo dia Malagasy sivy alina no novonoin’ny frantsay nanomboka ny 29 Martsa 1947, dimampolo taona katroka taorian’izany fandripahan’olona izany dia natao teto amintsika, ny Lalaon’ny Frankofonia ny 1997, izay fanindrahindrana frantsay tsotra izao, ny 15 Oktobra 1896 notifirin’ny frantsay ny Printsy Ratsimamanga sy Rainandriamampandry, ny 14 Oktobra 1958 dia najoro ny Repoblika tao anaty firaisambe frantsay , ary ny volana Oktobra 1998 no nampidirana teto ny Radio France Internationale (RFI).
Fa raha hiverina amin’ilay lanonam-pitokanana dia tsy nisy ny tatitra mikasika ny ambaratongan’asa nahombiazana, tsy noresahina tao ny zava-bitan’ny Filoha Ravalomanana, izay nahavita ny ampahany betsaka tamin’ny fanarenana, ary nandritran’ny fitondrana Ravalomanana no nahitana ireo mpanao fitia tsy mba hetra maro, vahiny sy malagasy hatramin’ireo avy any dilambato, izay no antony nilazana fa tsy nisy ny fitokanana ary notakonana ny marina rehetra.
Vita iny e! ny aina no mateza ahitana ny tohiny…