Ny Valosoa
Tsy mbola mifarana ny adihevitra mikasika ilay nambara ho fitokanana teny Anatirova, ny Zoma 6 Novambra 2020 lasa teo, tsingerintaona faha 25 nahamay ny Rovan’Antananarivo, satria dia “mampme” araka ny fitenin’ny tanora ny zava-nitranga teny, nampalahelo koa, na ny hita maso na ny henon’ny sofina, fa dia nisy ny tsy azon’ny saina ekena mihitsy, kanefa dia nataon’ireo mpitondra.
Rovan’i Madagasikara indray hono
Nanaitra ny nilazan’Ingahy Filoha Rajoelina, fa manomboka izao hono dia Rovan’i Madagasikara indray hono no iantsoana ny Rovan’Antananarivo, asa raha mba nanontany ireo mpahay tantara sy vakoka Ingahy Filoha talohan’ny nilazana io fanovana io.
Aleo ampahatsiahivina ny tantara, fa tamin’ny taona 1610 no niforona ny Tanànan’Antananarivo, Andrianjaka no mpanjaka tamin’izany ary io mpanjaka io no namorona ny Tanànan’Antananarivo. Nisy ny ady nifanaovan’ny tafi-panjakana tamin’ireo vazimba, resy ny vazimba ka taorian’izany dia niforona Antananarivo, fa talohan’izay dia Analamanga no anaran’ny tanàna, ary teny amin’ny faritra avo izay misy ny Rova no niandohan’ny tanàna, tao no nanorenana ny Lapan’i Besakana ary Andrianjaka ihany koa no nanangana io lapa io, ireo lapa hafa naorin’ireo mpanjaka taty aoriana dia tao anatin’ny faritry ny Rova avokoa, izany hoe tao amin’ny Rovan’Antananarivo, ka raha misy ny fanovana nataon’Ingahy Filoha dia famafana tanteraka ny tantara izany, maro ireo Rova tany amin’ireo vohitra samihafa toa an’Ambohimanga, Ambohidratrimo, Ilafy, sns… fa ilay manerinerina teny amin’ny faritra avo no nomena ny anarana hoe Rovan’Antananarivo, nanaiky izany fiantsoana izany avokoa ireo mpanjaka nifandimby nanomboka tamin’ny 1610, f’Ingahy Filoha ihany no manita-kevitra.
Fampodiana ireo zava-tsarobidy tany ivelany
Nohindrahindraina fatratra ny fahatongavan’ilay tatarompiandrianana izay nipetraka nandritra ny taona maro tany Frantsa, nanambara mihitsy Ramatoa Minisitra miadidy ny kolontsaina fa santatra ihany hono iny, fa mbola ho avy ny manaraka, ny azo lazaina dia maro ireo zava-tsarobidy nalain’ny vazaha teto amintsika, raha tsy hiresaka afa tsy ny firavaka nentin’ny Mpanjakavavy Ranavalona fahatelo nanaraka tany antsesitany tamin’ny volana Martsa 1897, nisy ny volamena sy volafotsy ary vatosoa isankarazany, andrasana ny fahatongavan’ireo tsy nisy nanombinana, sy ireo zava-tsarobidy maro tao an-dRova nalain’ny frantsay.
Nisy koa ireo andramena nalefa antsokosoko tany ivelany araka ny fitoriana napetraky ny Filoha Zafy Albert, nisy ny porofo mazava ara-tsary momba ireo, antenaina ny fahatongavan’ireo ary tsy latsak’izany ny fanadihadiana mikasika izany, satria fanondranana tsy ara-dalàna, harempirenena ihany koa ireo.
Ny fananan’ny Orinasa Tiko tao amin’ny seranantsambon’i Toamasina, izay lasa any ivelany, zava-tsarobidy nahasoa ny vahoaka malagasy ireny, ka tokony haverina sy hanokafana fanadihadiana ihany koa.
Tsy mitondra akanjo mena hono
Voasoratra tao amin’ny taratasy fanasana tamin’ny “ fitokanana” ny Rova ny hoe: tsy manao akanjo mena, dia tsy nisy nitondra akanjo mena tokoa ireo mpanatrika, f’Ingahy Filoha ihany no niakanjo mena, mazava izany fa avy any aminy ny baiko. Ny akanjo jaky mena no fitafy mampiavaka ny mpanjaka fahiny, dia azo an-tsaina avy hatrany fa te haka ny endrika mpanjaka Ingahy Filoha Rajoelina matoa miseho ho be fepetra no sady te hisongadina hiavaka amin’ny rehetra.
Nisy ny hafatra navoakan’ny Depiote Rossy izay nanambara fa voahilika ireo Maintienindreny sy Manisotra ary Manendy avy eto Imerina tsy nahazo fanasana, kanefa dia ireo mainty no tena mpitahiry ny fombandrazana hoy i Rossy, marina ary tsy azo iadian-kevitra io voalazany io, ary aoka tsy ho hadinoina fa nanana anjara be dia be tamin’ny fananganana ireo lapa marobe tao amin’ny Rovan’Antananarivo ireo sokajin’olona ireo, nambaran’ity Depiote ity ihany koa fa tsy nomena sehatra ireo mpandihy sy mpilalao aponga mitafy mena mpialoha mpanjaka, tsy mahagaga izany satria ny taratasy fanasana aza nasiana fanamarihana hoe tsy misy miakanjo mena.
Betsaka ny azo ambara mikasika iny “fitokanana “ kitoatoa iny, fa ny tsy tokony ho hadinoina dia fitondrana repoblikana no misy eto, ny dikan’izany dia tsy mpanjaka akory i Rajoelina fa olomboafidy ary tsy ho Mpanjaka mandrakizay, ny mpitondra repoblikana dia tokony hanaja ny vakoka nisy teo aloha ary tsy tokony hikitika na hanova tantara satria manala baraka ny firenena, kanefa hita taratra tamin’ny zava-nitranga, fa toa tsy laitra atoro ilay filoha ka dia tonga amin’ilay fitenenana hoe “ dia ny tena no menatra “.