Angamba tsy olonolom-poana ireo nijoro sy nandrara,
Fa mba manana ny toerany eto Madagasikara.
Saingy ny mpanao bontolo, manana ny nofinofiny,
Ka tsy mihaino fa dia hainy ny manampina ny sofiny!
Nisy ireo mpahay tantara sy olon-kendry efa nandahatra,
Ary tena nifandimby nanazava tsy nitsahatra.
Saingy ny mpihoerahoera, efa manana ny heviny,
Ka tsy laitra nosakanana amin’ny “ditrany” sy “reviny”.
Ao ireo dimbin’ny mpanjaka, ireo taranaky ny andriana,
Nanazava ny amin’ny loza mety hanembana any aoriana.
Saingy ny olo-mazan-doha, tsy mety mihaino izay ambara,
Fa dia ny azy hatrany hatrany sy izay tiany no hany tsara.
Aoka hihiratra ny maso ny amin’izay niseho omaly.
(Hatramin’ny mpitarika aza, tsisy endrika mba faly!)
Fa toa feno fanahiana sy somary vahobahotra,
Ary tena tsy nilamina fa toa niaina anaty tahotra!
Moa tsy voatsodrano tsara ity lanonam-pitokanana?
Mitambesatra ny tsiny, marobe ny fanakianana?
Ny ampitso no hanamarina na koa mety handiso izany,
Fa hatreto aloha ilay fety, maivamaivan-danja ihany!
Raha nandrasana fa hoe ho fetibe mipoapoaka,
Dia tsy izay fa tsy nahazo ny tsodranon’ny vahoaka!
Kivikivy ny mpitondra, hita ho nangasihasy.
Tsy voahetsiny mihitsy ny “hambompon-dRamalagasy”!
TSIMIMALO (07-11-20)