Misy ny oha-pitenenantsika malagasy manao hoe: “aza mandihy tsy afa-tavony”, samy mahazo ny dikan’io avokoa ny rehetra, kanefa tsy maninona fa aleo resahana tsotsotra ihany. Ny fianakaviana miandry zaza ho teraka no niandohan’ny fitenenana, satria ny antsoina hoe teraka soa amantsara dia latsaka izay ilay zaza, sady afaka ihany koa ny tavoniny, raha tsy mbola tratra ireo dingana ireo dia tsy mbola tokony hifaly, satria misy ny fitaintainana eo ampiandrasana, mivadika ho hafaliana kosa izany, rehefa tonga ny vahiny kely ary afaka ny tavoniny.
Azo ampiharina amin’ny fiainanantsika malagasy io oha-pitenenana io, indrindra mikasika ny aretina koronaviriosy, satria nandritra ny volana maromaro no nihàtra teto amin’ny tanindrazantsika ny hamehana ara-pahasalamana nangejana ny fahalalahana, sy ny fihibohana nanimba ny fitadiavantsika. Herinandro vitsivitsy izay dia nanambara ny fitondrana fa foana ny hamehana sy ny fihibohana, izay nadikan’ny sasany hoe “lasan’izay ny ratsy”, ka mahazo mifaly amin’izay, ny mpitondra rahateo tsy te handiso izany fiheverana izany, hany ka mody fanina fotsiny rehefa misy feo mivoaka. Ny tena marina aza dia ny any an-tampony mihitsy no manome vahana ny famoriambahoaka tsy misy lanjany, rehefa ny mpanohitra ihany no mihetsika izay vao be fepetra ireo mpitondra.
Tsy takona afenina ny fifanitsahan-kitro niseho tany Sambava tamin’ny fampisehoana nataon’ilay mpanankanto vahiny, mpihira ny “Jerosalema”, tsy voafehy ny isa ary tsy voahaja ny elanelana tokony notandrovana, ny mampalahelo dia maro ireo mpanankanto malagasy, mba naniry hiaka-tsehatra toy izany, kanefa dia tsy afa-nanoatra, fa voasakan’ny tompon’andraikitra, fa ny vahiny ihany no mahazo manao izay tiany atao eto, ny malagasy rahateo fatra-panaja vahiny, ka tsy te hieritreritra ny manjo ny mpanankanto mpiray firenena, fa dia mifaly sy mitotorebika mahita vahiny ary dia tena mandihy tokoa, tsy te hiasa saina ny amin’izay mety ho fiantraikany ara-pahasalamana, endrik’ilay “mandihy tsy afa-tavony “ izany, satria ny tarehimarika navoakan’ny Cco tamin’ny Sabotsy teo, dia nanambara fa mbola nisy ny namoy ny ainy ary olona maromaro vaovao indray no mitondra ny tsimokaretina.
Raha ny isan’ny olompirenena vita fitiliana no ampitahaina amin’ny any an-kafa dia anisan’ireo mamofompofona ho gisitra isika malagasy, ny dikan’izany raha ampitomboina ny isan’ny fitiliana dia hitombo miaraka amin’izay koa ny taha-pahavoazana, ny mpitondra loha-pety anefa tsy te hahalala izany, fa zarany aza misy mihetsika, rehefa tsy ireo mpanohitra dia mirehitra ny jiro maintso, ny vokatr’izany, dia mandihy tsy afa-tavony ny vahoaka, satria olona tsy vita fitiliana sady efa miaina amin’ny gaboraraka, ary azo lazaina ihany koa fa ny mpitondra nanome alalana ireo mpanakanto vahiny dia manao “sikidy mila voatsiary, mampandihy an’ireo marary”, hamafisina eto fa ny vahoaka malagasy no ambara ho marary, satria ankoatran’ny fitiliana tsy vita dia sahirana ara-pivelomana ny ampahany betsaka.
Raha fehezina ny tiana hambara dia tsy mbola voafehy ny aretina, saingy efa tsy vonona hizara ireo fanampiana intsony ny mpitondra dia aleo ariana dia amin’ny fandihizana tsy amin’ny antony ny vahoaka, dia mihàtra tokoa “ny mandihy tsy afa-tavony” sy ny “sikidy mila voatsiary, ka mampandihy ireo marary”, fa ny tena loza: ny aretina tsy voafehy dia tsy maintsy miafara amin’ny famoizana aina, enga anie ka tsy ho tonga amin’izany, satria isika rehetra dia samy maniry ny soa sy ny tsara ho an’ny mpiray firenena tsy ankanavaka, efa mafy tena mafy ny volana maromaro niainana tao anatin’ny fahasahiranana, ka aleo ho sanatriavina ny miverindalana toa fanorondratsy toy ny any amin’ny firenendehibe.
Ny Valosoa