Ny Valosoa
Mahakasika ny olan’ny rano amin’izao fotoana dia azo lazaina fa mandrora mitsilany ihany ny filoha Andry Rajoelina sy ny forongony, izay nanongam-panjakana tamin’ny taona 2009.
Talohan’ny taona 2008 nandritra ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, nahazo famatsiam-bola 47 tapitrisa Euros avy amin’ny Eoropeana isika teto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny BEI, na ny Banky Eoropeana momba ny famatsiam-bola, tokony ho nanavaozana sy nanatsarana ny famatsian-drano teto Antananarivo sy ny manodidina. Noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 anefa, tapaka izany famatsiam-bola izany dia tsy vita izay tokony ho fanatsarana sy fanavaozana ny famatsian-drano teto an-drenivohitra sy ny manodidina izay. Efa saika nilamina io famatsian-drano io tamin’ny fitondrana Hery Rajaonarimampianina saingy nosomparan-dRajoelina sy ny ekipany indray.
Ankoatra izany, isan-taona dia manao mise à jour schéma directeur, na manavao ny drafitra ny orinasa JIRAMA, anisan’izany ny planina amin’ny resaka rano, na ny planification d’équipement Eau, ny planificateur, na ny tompon’andraikitra ao amin’ny JIRAMA ny amin’ny: fanatsarana ny réseau de distribution na fitsinjarana, ny conduite lehibe na fitarihin-drano lehibe, ny fampitomboana ny production any vokatra rano, izany dia manaraka ny fitomboan’ny isan’ny mpanjifa sy izay grand projet, na tetikasa lehibe mety mila rano betsaka, sns… Ny taona 2008 no natolotra ny fanjakana io dossier io nitadiavana financement, ary io efa voalaza fa nahazo famatsiana tamin’ny BEI teo io. 10 taona na 11 taona aty aoriana, tsy mahagaga velively io olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina io. Mitombo hatrany ny filàna, ny tokony natsaraina folo taona lasa tsy vita, miampy sy miha-mavesatra ny olana sy ny vokadratsin’iny fanonganam-panjakana notarihan’i Andry Rajoelina iny.
Nanampy trotraka koa ny fanidiana fantsona lehibe sasany ny taona 2018, nentina nanomezana endrika ratsy ny fitondrana HVM kinanjo… Rehefa nalefa na nosokafana anefa ilay fantsona dia nivoaka teny amin’ny “robinet” ny mpanjifa ny endrika ranompotaka satria rehefa tsy andefasana rano mandritra ny fotoana maharitra ireny fantsona lehibe ireny dia misy dépôt na colmaté ilay conduite lehibe. Iny no anisan’ny nitarika ny fisian’ny rano maloto sy ranompotaka nampisahotaka ny mpanjifa ireny.
Ny saika zava-doza tamin’ity resaka rano ity dia: saika notsoahan’ny mpanongam-panjakana tamin’izany tamin’ny Jirama ny rano. Ekena fa tokony ho an’ny kaominina ny rano fa ny Jirama kosa no misahana ny fitrandrahana izany na concessionaire. Satria hoy ny fitondrana tetezamita tamin’izany, tsy manam-bola anaovana fanitarana sy fanatsarana, ary fampitomboina ny vokatry ny Jirama dia aleo homena vahiny. Saika namidy tamin’ny Veolia na Compagnie Lyonnaise des Eaux ny ranon’ny Jirama Antananarivo. 32 tapitrisa Euros anefa no saika nandefasana azy. Ny fitadiavana vola saika nanaovana fanatsarana goavana nefa efa hita fa 47 tapitrisa Euros, sady be lavitra noho ny saika nivarotan’ny fitondrana tetezamita azy. Ka raha izay tokoa no tanteraka, mba vao mainka olana lavitra no ho ny misy hatramin’izao ity olan’ny rano ity, olana izay tsy mbola voavahan’ny fitondrana hatramin’izao, fa vahaolana peta-toko ihany no mbola misy, ny rehetra amin’izao fotoana dia efa lasa matsaka amin’ny lavadrano eto Antananarivo sy ny manodidina.
Fehiny: mbola mitoetra ny olan’ny rano satria fitondrana tsy mahay mijery lavitra no misy!