Ny Valosoa
Midehaka ery ny mpitondra nanambara, fa hampidirina ho mpandoa latsakemboka ao amin’ny Cnaps hono ny mpitatitra eto an-drenivohitra, ny marimarina kokoa dia ny tompon’ny fiara sy ireo mpamily ary ny mpanampy azy dia ilay mpitango saran-dalana izany na resevera.
Soritana mialoha mikasika ny fepetra raha hiditra ao amin’ny Cnaps ; toy izao no tsy maintsy arahina: ny mpampiasa dia mandoa latsakemboka 13% isam-bolana, ary ny mpiasa tsirairay dia mandoa latsakemboka 1%, ka isan-telovolana ny fandoavana ireo latsakemboka ireo.
Samy manana ny fomba fiasany ireo tompon’ny fiara ary arak’izay ifanarahana no anaovana ny kajy, misy amin’ireo mpamily sy mpitango saran-dalana no mandray karama raikitra avy amin’ny tompon’ny fiara ampiasaina, fa misy koa ireo mpamily no mifanaraka amin’ny tompon’ny fiara, ka vola raikitra isan’andro no arotsaka amin’ny tompon’ny fiara, mbola misy koa ny endrim-pifanarahana hafa toy ny hoe ny mpamily ihany no mifanaraka amin’ny tompon’ny fiara dia io mpamily io indray no mandoa ny karaman’ny mpitango saran-dalana, manginy fotsiny ny olana madinidinika mety mitranga raha misy fahasimbana tampoka manjo ny fiara, na tsy fahasalamana mahazo ny mpamily, sns…
Ankoatr’izay, ireo mpamily sy ny mpitango saran-dalana dia matetika no miova fiara iasana rehefa mahita ny metimety kokoa, izay azo antoka fa hiteraka fahasahiranana ho azy ireo ny hanova taratasy isaky ny miova ny tompon’ny fiara iasana, tranga efa niseho ihany koa mbola ao anatin’ny fahavononana tanteraka amin’ny asa ny mpamily sy ny mpitango saran-dalana no milaza ny tompon’ny fiara, fa nisy nividy ilay fiara satria nahazoana tombony misimisy kokoa, ny mpamily sy ny mpitango saran-dalana anefa tsy lafo niaraka tamin’ny fiara, na mety noraisin’ilay tompon’ny fiara vaovao, f’ireo mpiasa no tsy vonona hiova mpampiasa.
Izany rehetra izany dia olana mianjady mivantana amin’ilay mpamily sy ny mpitango saran-dalana, fa ny mety hiseho ihany koa dia misy ireo mpampiasa no tsy tsy te hisahirana amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy.
F’ireo mpitondra tsy te hiasa saina amin’ireo tranga notanisaina teo ireo, fa ny masaka ao an-tsain’izy ireo, dia ny hampitombo isa ireo mpandoa latsakemboka hatrany.
Aleo dia ho tsorina fa misy ny endrika fanambakana amin’ny fandoavana ny latsakemboka ao amin’ny Cnaps, satria ny Cnaps raha alavaina dia mivaky hoe « Caisse Nationale de la Prévoyance Sociale », izay midika hoe Kitapombolam-pirenena natao ho amin’ny fiahiana ara-tsosialy, ka ny mpiasa sy ny orinasa amin’ny alalan’ny mpampiasa mpandoa latsakemboka no tokony hiantefan’ilay fiahiana.
Ny zava-nitranga tamin’ity taona madiva hifarana ity, izay nisedran’ireo mpampiasa sy mpiasa olana goavana vokatry ny aretina koronaviriosy, dia tsy hita izay nataon’ny Cnaps, fa toa ireo mpitondra indray no lasa be hevitra politika misoavaly ny mpitantana ao amin’ny Cnaps mampiasa ireo latsakemboka naloan’ny mpampiasa sy ireo mpiasa. Miedinedina ery Ingahy filoha Rajoelina mitanisa ny fisian’ilay vola ampindramina ny mpiasa dia averina tsy misy zana-bola hono.
Fisolokiana tsotr’izao ny mpiasa izany, satria raha ny tokony ho izy sy mifanaraka amin’ny rariny sy ny hitsiny dia ny latsakemboka natao ho fiahiana ara-tsosialy an’ireo mpiasa ihany, no nasaina nindraminy, ary ny filazana fa tsy misy ny zanabola dia lainga sy fitaka, satria ny fisondrotry ny vidin’entana amin’ny fotoana hamerenana ny vola nindramina dia efa zanabola tsy azo ialana, ny mpampiasa raha mba nangataka ny tsy handoa latsakemboka na dia volana iray ihany aza amin’ny herintaona dia nolavina izany fangatahana izany, fa dia fanemoram-potoana no nekena. Ireo mpitondra anefa dia miseho ho tompony amin’ny hatsembohan’ireo mpiasa sy ny mpampiasa.
Misy ary tena misy ny filankevi-pitantanana ao amin’ny Cnaps: ahitana ny solontenan’ireo Vondrona mpandraharaha izay fantatra fa miaro be fahatany ny mpitondra, ary ny solontenan’ireo Sendikan’ny mpiasa isan-tokony indray izay ao anatin’ny filankevim-pitantanana, dia zary mangina tsy miteny, satria mahazo ilay tsipikely, toy ny fandehanana fiaramanidina miaraka amin’ny minisitra miahy ny Cnaps amin’ireo lanonana tampimaso samihafa, sady mitomboka ny tambiny isan-karazany amin’ireny. Marihina fa ny Minisiteran’ny Fitantanambola sy ny Minisiteran’ny Asa no ministera miahy ny Cnaps.
Ka raha dodona ery ny mpitondra ny hampiditra ireo mpitatitra ho anisan’ireo mpandoa latsakemboka dia efa misy kajy vita amin’ny vola ho kirakiraina , sady vao mainka mety amin’ny Cnaps ny fisian’ireo tranga notanisaina tetsy aloha, momba ny fiovaovan’ny mpiasa sy ny mpampiasa.
Ny foiben’ny Cnaps koa moa dia eny Ampatsakana koa tsy mahagaga raha ataon’ireo mpitondra mamba noana dobo fatsakana vola ny Cnaps, f’ireo mpandoa latsakemboka, dia ny tsy maintsy mandoa ihany no ampahafantarina azy, fa raha misy ny fahadisoam-potoana dia ho avy ny tataon-tsazy.