Andry Tsiavalona
Tsy vaovao ary tsy maha taitra ny Malagasy mpiray tanindrazana intsony ireo toky fitaka sy velirano ary kabary zato, teny arivo kanefa na dia iray aza tsy nisy marina. Efa tamin’ny niandohan’ny tetezamita no efa nanambazana ny olompirenena Malagasy “vary mora”, “menaka mora” sy nidradradradrana izao “hambompom-pirenena” sy “fitiavan-tanindrazana” izao. Tapitra ihany ny 5 taona, fa tsy niaina izany ny Malagasy ary tsy nisy nankatoa ny fitondrana tetezamita ny vondrona iraisam-pirenena, ka porofon’izany ny tsy nahazoan-dRajoelina Andry nandray fitenenana tany amin’ny fivoriana samy hafa tany ivelany satria mpanongam-panjakana no nahafantaran’izao tontolo izao azy.
Teo amin’ny lafiny sosialy dia efa nanomboka nikoroso fahana ny fiainan’ny Malagasy. Nampirin’entana ny Agoa, ka very fihinanana ny mpiasa aman’hetsiny maro. Tsy adino ihany koa ny alatsinainy mainty, 26 janoary 2009, izay nandrobana toeram-pivarotana maro sy nandorana hatramin’ny tranom-panjakana toy ny Radiom-pirenena (RNM). Tsy nanjifa izany vary mora sy menaka mora izany ny vahoaka. Nanjaka ny gaboraraka sy ny kolikoly, ka nahazo vahana ny trafikana harem-pirenena, andramena (bois de rose), volamena sy vatosoa. Tsy fantatra izay nitantanana ny zato tapitrisa dolara amerikana notakiana tamin’ireo orinasa mpitrandraka vy any Soalala sy ny any Ambatovy. Torak’izany koa ny vola dimy ambiroapolo tapitrisa dolara amerikana nivarotana ny Air Force One II. Tsy fantatra hoe nankaiza ireo bolabolana andramena telonjato taonina tratra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro. Nisy ny fifidianana Lalàmpanorenana, izay nahamenatra eran’izao tontolo izao satria karnem-pokontany dia nahafahana nandatsa-bato. Izay raha fintinina ny toe-draharaha ara-tsosialy sy toekarena ary politika niainana teto amin’ity Firenena ity nandritra ny tetezamita.
Amin’izao Repoblika IV-2 izao dia nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), fa Rajoelina Andry no nahazo vato betsaka indrindra tamin’ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena ny taona 2018. Na teo aza ny “IEM” dia “Velirano” no nentiny nanao fampielezan-kevitra, ka nisy teboka 13 izay nampitoviana tamin’ny laharana nentiny tamin’ny naha-kandidà azy. Niaraha-nahatsiaro fa ny Làlam-pirenena faha-13 no anisan’ny nihazakazahany fa hamboarina. Tsy mbola tanteraka izany hatramin’izao. Tato anatin’ny roa taona nitondran-dRajoelina Andry dia tsy nitsahatra niova ny anaran’ny tetikasany: “IEM”, “Velirano”, “Plan Marshall”, “PEM” ary tamin’ny kabary nataon’ny filohan’ny Repoblika IV-2 ny faran’ny taona 2020 teo dia lasa ho taonan’ny asa (asa fa tsy kabary), taonan’ny fanorenana sy taonan’ny fampandrosoana ny taona 2021.
Tsy vao izao no nilazany fa hasiana “tramway” eto an-drenivohitra, miampy “téléphérique” indray izany hialàna amin’ny fitohanan’ny fiara. Tsy azo lavina fa zon’ny fitondrana ny mandrava izay tiany ho ravana satria ilaina noho ny tombombotsoam-bahoaka izany ( utilité publique). Ny fanontaniana mipetraka anefa dia efa ao anaty tetibola ho amin’ny taona 2021 ve ireo tetikasa ireo? Manaraka izany dia raha ny fahafantarana azy dia tsy mihodina amin’ny solika ireo fa herinaratra no mampandeha azy. Ny zava-misy anefa dia tsy mbola voavaha ny olana eo amin’ny delestazy kanefa tsy mbola manangasanga any akory izay foibe famokarana herinaratra ho entina mampihodina ireo fitaovam-pitaterana ireo. Ambonin’izany, avy aiza mankaiza no hametrahana izany “téléphérique” izany satria tsy mahavaha ny olana ara-pifamoivoizana velively izany ary raha fitateram-bahoaka no resahina dia olona vitsy ihany no zakan’ity fitateram-bahoaka ity. Ny tanàna vaovao dia efa iaraha-mahalala ny “Tana Masoandro”, izay eny Imerintsiatosika indray no hanorenana azy. Tetikasa goavambe tokoa izy io saingy tsy hahavaha ny olana ara-tsosialy io, satria tsy toeram-pamokarana ho an’ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro satria “beton armé” (trano mijoalajoala, trano filanonana, toerana ara-panatanjahan-tena,…) sy tara no hibahan-toerana ankoatr’ireo toerana maintso (parcs). Tsy mbola hita taratra ao amin’ny tetibola 2021 ihany koa ity tetikasa ity.
Nolazainy ihany koa fa tsy nisy nanana tetikasa fanamboarana làlana taorian’ny fanjanahatany, fa izao fitondrana izao no hanamboatra làlana midadasika (autoroute) mampitohy tanàna maromaro ary hanome fitaovana ho an’ireo faritra hanatanterahana izany. Raha ireo rehetra ireo no jerena dia manam-bola be izao fitondrana izao na dia -4,2% aza ny tahan’ny toekarena malagasy tamin’iny taona nivalona iny ary ho 2% ihany no ho fisondrotry harin-karena amin’ity taona 2021 ity. Na eo aza ny “tsaky mora” dia tsy misy fanantenana ny hiakaran’ny fahefa-mividin’ny Malagasy, satria tsy misy hirika ho an’ny famoronana asa ho an’ireo voaroaka izay voasakana tsy mahazo mivarotra eny amin’ny toerana azony nanaovana izany izy ireo. Ny manantena tsy misy, hono no sarotra, fa ny mamoy mora foana.