Andry Tsiavalona
Milomano ao anatin’ny rano maloton’ny fahalovana afafin’ny fitondrana amin’izao fotoana izao, ny firenena, sy ny valalabemandry eto amin’ity Firenena ity. Toa rano madio mangatsakatsaka anefa no nampanantenaina sy mbola hampanantenaina, ka sondriana tsy afaka mihoitra ireto vahoaka satria mandrevo loatra ny rano. Tsy vitsy ny Malagasy no sodoka tamin’ny velirano nataon’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fampielezan-kevitra nialohan’ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Torak’izany koa tamin’ny fifidianana solombavambaohaka, satria ireo kandidà dia nisalotra ho mpiaradia amin-dRajoelina Andry (IRD).
Nivadika ny volana, lasa taona, ka ritra ny rano, maina ny tany ary tsy namokatra intsony, mbola nihanaka koa ny valanaretina noho ny tandrevaka. Vokatr’izany dia kere ny tany Atsimo, izay faritra anisan’ny nisafidy, ka nanome vato betsaka ho an’ny filohan’ny Repoblika ankehitriny. Tsy nirotsaka ny orana manerana ny Nosy, ka sahirana ny tantsaha teo amin’ny fambolena vary indrindra indrindra. Niakatra tsy azo notohaina ny vidin’ity fototsakafon’ny Malagsy ity. Mimenomenona ny vahoaka satria tsy mitsaha-miakatra ihany koa ny vidim-piainana. Mampatahotra sy mitatao eo ambony loha ihany koa ny valanaretina izay resy araka ny lazain’ny mpitondra, nefa mbola misy ny maty sy ny tranga vaovao hatraminizao ary miha-mitombo aza izany. Toa nanararaotra izany toe-draharaha izany, sy ny fahasahiranan-tsain’ny vahoaka ny fitondrana, ka na dia mihidy aza ny sisintany dia mbola mivoaka ihany ny harem-pirenena.
Fantatra fa tsy antsokosoko araka ny lazaina no nahatafavoaka ny volamena 73,5 kilao satria tsy maniditsidina toy ny vorona ny fiaramanidina, fa misy fepetra tsy maintsy arahina vao afaka misidina. Misy tomponandraikitra isan’ambaratonga manome alàlana, ka mazava ho azy fa nahazo izany ny mpanamory matoa tonga soa aman-tsara tatsy Afrika Atsimo. Fialana bala daholo ny filazana, fa tsy nandeha ireo fitaovana fitsirihana izay ao anaty valizy (scanner), sns… Araka ny fomba fanao hatramin’ny tetezamita dia any amin’ny firenen-kafa hatrany vao tratra ny harem-pirenena aondrana. Ny mahagaga dia tsy misy tohiny intsony ireny raharaha ireny rehefa avy eo. Ny zava-doza dia tsy maintsy misy hatrany ireo samborina, asa aloha na tena any am-ponja tokoa ireny olona ireny na tsia, satria toa tsy misy mihetsika ny fianakavian’izy ireny. Noho ny tahotra ve sa efa nofefena na notapenam-bava tsy hanao na inona na inona. Raha ny marina mantsy dia toa misolo vaika ny ankalana ihany izy ireo, ka raha any ivelany no misy toe-javatra tahaka izao dia tsy ipetra-potsiny ny havan’izay tratry ny tsy rariny toy izao. May volotratra ny fitondrana, ka mitady ny hevitra rehetra hampiverenana ireo nitondra ny volamena sy voatazona any Afrika Atsimo, ka hivalona ny raharaha toy izay nitranga tamin’ireo harena naondrana hatramin’izay.
Toy ny fanaony ihany koa dia miezaka mamilivily ny sain’ny vahoaka ny mpitondra, ka mba tsy hieritreretan’ny gasy loatra ity resaka volamena ity dia ilay tena maharary azy: vary indray no mody ezahina vahana ny olana. Tonga tokoa ny vary fito arivo taonina, izany hoe fito tapitrisa kilao na efatra ambiroapolo tapitrisa kapoaka. Raha tombanana ho dimy ambiroapolo tapitrisa ny mponina eto amin’ity Nosy ity dia tsy hanana iray kapoaka akory ny olona iray. Koa iza no ho tsinjovina amin’ity “vary tsinjo” manarapenitra ity? Afaka herinandro, sa roa herinandro sa iray volana indray no ho avy ny valo tapitrisa taonina, ka inona no hohanina mandra-pahatonga izany satria iray andro ihany ny tonga dia ho tapitra.
Mety misy mihevitra, fa tsy mahakasika azy izany resaka volamena 73,5 kilao izany kanefa tsy maintsy ao an-tsaina mandrakariva, fa anisan’ny mampahantra ny Firenena ny tranga tahaka izao satria tsy vao sambany no nanao izao ny fitondrana kanefa raha entina mampandroso, na dia ny faritra niaviany ihany aza izany dia hiakatra ny fari-piainan’ny mponina any. Tsy mendrika ny Malagasy ny ampilomanosina ao anaty rano feno otrikaretina isan-karazany, izay miteraka fahalovana eo amin’ny sehatra rehetra. Manana andraikitra eo amin’ny fampandrosoana ny Firenena ny mponina tsirairay. Manana andraikitra ihany koa hiatrika ny ady hanoherana ny fanondranana ny harem-pirenena tahaka izao mitranga izao, izay ho tombotsoan’olom-bitsy ihany.