Helisoa
Ho tapitra anio 21 aogositra ny daty farany hanateran’ireo hirotsaka ho kandida filohampirenena ny antontan-taratasy rehetra takian’ny lalàna amin’ireto farany, eny amin’ny HCC.
Tena ho raikitra tokoa ve izy ity hoy ny fanontaniana mipetraka satria mbola maro no miahiahy amin’ny fikarakaràna io fifidianana io amin’izao fotoana izao. Tena hangarahara sy handraisan’ny rehetra anjara ve ity fifidianana ho avy ity, ka tsy hampisy korontana eto amin’ny firenena?
Ny irarian’ny maro dia handeha antsakany sy andavany ny fikarakaràna rehetra satria kihon-dalana lehibe ho an’i Madagasikara io fifidianana ny 7 novambra ho avy izao io, taorian’ny fanonganam-panjakàna notarihan’i Andry Rajoelina, nahapotika ny firenena.
Filoha mahavaha olana eto amin’ny firenena izao no ilaina satria efa tena latsaka an-katerena ny firenena nandritra ny 9 taona izao.
Dia ho hita eo ny ho tohiny satria efa mangetaheta ny tena fiovàna marina eto amin’ny firenena ankehitriny ny vahoaka Malagasy. Entanina sahady ny rehetra hanefa ny adidiny amin’izany fifidianana ho avy izany, mba tsy hanenenana avy eo hoe: tahak’izay...