Ny Valosoa
Noresahina teto amin’ny Gazety Ny Valosoa Vaovao, laharana 1124 nivoaka tamin’ny Sabotsy 06 Febroary 2021, ny mikasika ny 05 Febroary 1975 nandraisan’ny Kolonely Richard Ratsimandrava ny fahefana feno avy amin’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa, nitondrany ny tany sy ny fanjakana. Indrisy anefa fa tsy ampy herinandro akory dia zava-doza no niseho.
Nisy namono ny kolonely Ratsimandrava
Ny alin’ny talata 11 Febroary 1975 dia nanambara ny Radiompirenena Malagasy, fa mihàtra eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka, tsy azo natao intsony ny mivezivezy tamin’io alina io, ka izay mbola tany ivelan’ny trano dia niangaviana hamonjy fodiana avy hatrany.
Tsy nijanona ny Radio mandramparainan’ny andro, ary vao maraina ny alarobia 12 Febroary 1975 dia nanao fanambarana ny Jeneraly Gilles Andriamahazo, fa maty nisy namono teny Ambohijatovo ny Kolonely Ratsimandrava , Filohampirenena sady Lehiben’ny Governemanta, maty niaraka taminy ny GP2 Rakotoarisoa Bernard sy ny GP2 Rabotovao, izay samy mpiambina ny kolonely. Nohamafisin’ny Jeneraly Andriamahazo ny fampiharana ny fepetra amin’ny tany mihotakotaka ary nihàtra avy hatrany ny fisaonam-pirenena.
Marihina fa ny andron’io 12 Febroary 1975 io dia nisy ny fiantsoana ireo mpitandro filaminana tao amin’ny tobin’ny GMP Antanimora hitolo-batana hivoaka ny toby, satria maty voatifitr’ireo zandary mpiambina ny Kolonely Ratsimandrava teny Ambohijatovo i Zimbo sy Mara Seta, olon’ny Gmp, izay noheverina ho nitifitra ny fiara nitondra ny Kolonely Ratsimandrava, ka efa hariva vao nivoaka tanteraka an’Antanimora nitolo-batana ireo Gmp na Frs taloha.
Ny komitim-pitondrana miaramila
Tamin’ny anaran’ny Komitim-pitondrana miaramila no nitenenan’ny Jeneraly Andriamahazo, satria izy no filohan’io, natsangana io komitim-pitondrana miaramila io ny alin’ny talata 11 Febroary 1975,satria vao nitranga ny famonoana dia nifamory ireo manamboninahitra nandinika izay natao, dia ny fijoroan’io komitim-pitondrana miaramila io no hevitra tapaka.
18 ireo mpikambana tao amin’ny Komitim-pitondrana miaramila, ka ny Jeneraly Gilles Andriamahazo manamboninahitra ambony laharana indrindra no filoha, nanana solontena tao avokoa ireo antokontafika rehetra: an-tanety, an’habakabaka, an-dranomasina, servisy sivika ary ny avy ao amin’ny zandarimariampirenena. Natolotra isam-paritany ihany koa ireo mpikambana, ireo manamboninahitra minisitra tao amin’ny Governemanta Ratsimandrava dia mpikambana tao avokoa ary ny Capitaine de frigate Didier Ratsiraka, izay tsy niditra tao anatin’ny Governemanta Ratsimandrava dia tao anatin’io komitim-pitondrana miaramila, na Directoire Militaire, io ihany koa.
Ny Komitim-pitondrana miaramila no fahefana ambony indrindra tamin’izany , fa ireo minisitra tao anatin’ny Governemanta Ratsimandrava dia mbola teo ihany, saingy dia fampandehanan-draharaha ihany sisa no nataony. Ny komitim-pitondrana miaramila no nampanao ny fitsarana miaramila nitsarana ireo nahiana ho namono ny Kolonely Ratsimandrava, saingy indrisy fa afaka avokoa ireo goavana noheverina ho tompon’andraikitra, fa ireo Gmp telo lahy: Boto, Maurice Alphonse, Laza Petit Jean, teny Ambohijatovo niaraka tamin’i Zimbo sy Mara Seta sisa no nogadraina 5 taona an-tranomaizina.
Nahazo tombony i Didier Ratsiraka
Ny fahafatesan’ny Kolonely Ratsimandrava no nampijoro ny komitim-pitondrana miaramila, sady lalana niverenen-dRatsiraka indray teo amin’ny fitondrana, nisy ny fifampifidianana tao amin’ireo mpikambana 18, ka ny Capitaine de frégate Didier Ratsiraka no voafidy ho filohampirenena, napetraka teo amin’ny fitondrana izy ny 15 Jona 1975, ary nanomboka teo dia rava ilay komitim-pitondrana miaramila. Nanambara Ingahy Ratsiraka tamin’ny fotoana nandraisany ny fahefana, fa fitsaran’olombelona ihany no nitsara ny ”Raharaha Ratsimandrava”, fa tsy maintsy mbola ho hita hoy izy ny marina, 16 taona niampy 5 taona no nitondra ny Filoha Ratsiraka, izay efa Amiraly taty aoriana kanefa dia maty momoka ny “Raharaha Ratsimandrava”, tsy nisy resaka intsony.
Tamin’ny taona 2009, raha nisy fanakorontanana nataon’ny Filoha ankehitriny dia nandray fanapahankevitra ny Filoha Ravalomanana nanome ny fahefana ho an’ny komitim-pitondrana miaramila, izay nahitana ireo manamboninahitra jeneraly ambony laharana indrindra, saingy nanipy ny fahefana tany amin’Ingahy Filoha ankehitriny Rajoelina ireo bekintana, satria noterena. Ny dikan’izany, tsy nanana fahasahiana nandray andraikitra ireo tamin’ny 2009, tsy toy ireo tamin’ny 1975, izay tsy nisy afa-tsy jeneraly iray monja: Gilles Andriamahazo, lietnà kolonely 3, komandà 5, kapiteny 5, lietnà 4 .
Fomba fanao isan-taona ny mametraka fehezam-boninkazo eny amin’ny tsangambaton’ny Kolonely Ratsimandrava eny Ambohijatovo ambony, isaky ny 11 Febroary, saingy toa fomba ihany ilay izy satria , ny mampalahelo dia tsisy resaka intsony ny mikasika ny “Raharaha Ratsimandrava “ ary ireo fomba tsara nampiavaka ny kolonely aza dia tsy mahazo vahana intsony indrindra, fa taorian’ny 2009.
Lahatsoratra teo aloha
Tsy hiamboho adidy aho mon Général – 46 taona lasa izay, fantaro ny governemanta Ratsimandrava
http://www.gvalosoa.net/2021/02/06/tsy-hiamboho-adidy-aho-mon-general-46-taona-lasa-izay-fantaro-ny-governemanta-ratsimandrava/
11 febroary 1975 – Tantara feno ny namonoana ny Filoha Ratsimandrava (II)
http://www.gvalosoa.net/2020/02/16/11-febroary-1975-tantara-feno-ny-namonoana-ny-filoha-ratsimandrava-ii/
11 febroary 1975 – Ny momba ny fitifirana ny Filoham-panjakana Ratsimandrava (I)
http://www.gvalosoa.net/2020/02/11/11-febroary-1975-ny-momba-ny-fitifirana-ny-filoham-panjakana-ratsimandrava-i/
44 taona aty aoriana – Ny momba ny raharaha Ratsimandrava – Ny mpamono
http://www.gvalosoa.net/2019/02/12/44-taona-aty-aoriana-ny-momba-ny-raharaha-ratsimandrava/