Raharaham-pirenena – Miteniteny foana indray ny jeneraly Ramakavelo
Ny Valosoa
Fa inona indray ity nambaran’ny jeneraly Ramakavelo? Ifanotofana ny fanehoankevitra amin’izao fotoana mampavaivay ny raharahampirenena izao, sady ankehitriny dia marobe ireo karazan’olona mitonona ho mpamakafaka politika sy mpandinika fiarahamonina, anisan’ireny ny Jeneraly Desiré Ramakavelo, izay tsy manaiky ho gisitra isaky ny misy toe-javatra mitranga.
Fahombiazana tanteraka no ilazana ny fandaharana tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray ny alahady Pentekosta alina, niresahana ny tsy maha ara-dalàna ny fananganana ilay “Colisée de la honte”, nanasana ny Pr Ranjeva Raymond, ny Jeneraly Ramakavelo Desiré, ary Andriamatoa Rason Johnson, io no fandaharana be mpanaraka indrindra erantany tamin’ny taona 2020, telolahy samy goavana no indray tafaraka, ka velombolo ny mpandala soatoavina. Ny Pr Ranjeva Raymond fantatra teo amin’ny sehatra iraisampirenena, saingy ny maha-malagasy azy no nijoroany tamin’io, Andriamatoa Rason mahafehy tanteraka ny momba ny tantara sy ny vakoka ary ny Jeneraly Ramakavelo dia niezaka niampanga ny fanotana fady, hany ka maro ireo nanaiky azy sady niloa-bava hoe: “Izany ka manamboninahitra Jeneraly, ireny no tena olon’ny kolontsaina malagasy, itony no tena ray amandreny sy olo-marina tokony ekenteny,…”
Vokatry ny fandraisan’anjaran’ny Jeneraly Ramakavelo tamin’io fandaharana io dia hadinon’ny olona hatramin’izy nivory teny Ambatobe, ny 6 Febroary 2009, nanomana ny fatiolona ny ampitso 7 Febroary 2009.
Taorian’ny fandaharana ny alin’ny Pentekosta io dia somary nangingina ny Jeneraly Ramakavelo, tsy nandrenesampeo na tamin’ny fitokanana ny Rova tamin’ny 6 Novambra 2020 aza, kanefa mbola tsy narodana ilay fotodrafitrasa nampiaka-peo azy. Tamin’ity herinandro ity indray vao nivoaka tamin’ny fahanginany ny Jeneraly, saingy indrisy fa toa niverina tamin’ny fomba fanaony tamin’ny 2009 indray ity “ray amandreny” nandrandraina.
Nanambara ny Jeneraly Ramakavelo, fa tokony hajanona hono ny fandaharana “Miara-manonja” sy ny “Tambatra”, fa mampisavorovoro ny saimbahoakaj hono ary tokony hampiharina eto amin’ny firenena ny “loi martiale”, mazava fa mbola miaradia amin’ny mpanongam-panjakana ity Jeneraly ity, fa mody nanohitra ny fitondrana tamin’ny resaka “Colisée de la honte”.
Fantatry ny Jeneraly Ramakavelo tsara, fa tsy mahasehaka ny “Miara-manonja” ny “Tambatra” dia asesiny ny hoe ravao miaraka ireo, amin’ity Jeneraly ity dia tsy ilaina ny fanehoan-kevitra politika amin’ny haino amanjery, fa aleo fandaharana momba ny fitiavana toy izay handraisany anjara ihany no tokony handeha.
Mbola tsy maty antsain’ny vahoaka malagasy, ny fiarovana bontolo ny fitondrana vahoaka niakatra teny Ambohitsorohitra ny 7 Febroary 2009 nataon’ny Jeneraly Ramakavelo niteraka fatiolona, niseho nanazava mafy mihitsy tamin’izany izy ny mikasika ny “sommation”, ny tanjon’ity jeneraly ity tamin’ireny dia ny fiampangana ny Filoha Ravalomanana ho tompon’andraikitra tamin’ny fatiolona, kinanjo nivoaka ny vaovao fa nivory teny Ambatobe ny Jeneraly Ramakavelo ary nisy tamin’ireo mpomba ny fanonganampanjakana nanitrikitrika fa mila rà latsaka handotoana ny Filoha Ravalomanana.
Tokony hampiseho ny tena maha manamboninahitra jeneraly azy ny Jeneraly Ramakavelo manoloana ny fampidirana fitaovampiadiana antsokosoko teto amintsika, ary ilaina mitabataba impolo heny noho ny nataony tamin’ny fanotana ny Rova izy, saingy nangina tsy niloa-bava izy, ny tena mahatsikaiky dia ny “Miara-manonja” sahy miteny miaro ny hasin’ny firenena sy ny foloalindahy indray hono no tokony hofoanana, dia ampitoviany amin’ny “Tambatra”, izay mitamba-dratsy amin’ny famahanandalitra ny vahoaka.
Eto ampamaranana dia ampahatsiahivina fa mpiara-miasa akaiky tamin’ny Kolonely Richard Ratsimandrava ny Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo, indrisy anefa fa 46 taona aty aoriana ny nahafatesan’ity filohampirenena mendrikaja ity sady ao anatin’ny volana Febroary vanimpotoana nanamarinana ny fahalasanany, no manangan-tsampona mitanisa hevitra mifanohitra amin’ny fahamendrehan’ny Kolonely Ratsimandrava ity tanankavanany ity.
Tongotra mby andakana ny “Miara-manonja” ary tsy afaka hihemotra intsony manoloana ny vavan’ny maty andrano.