Andry Tsiavalona
Roa taona izao no nitenenan’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina fa hoe hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Eo ankilany koa ny hoe: izao fitondrana izao no hanatanteraka ny tsy vitan’ny mpitondra nifandimby tao anatin’ ny enimpolo taona. Tena marina izany saingy ho jerena tsirairay ireo nataon’ity fitondrana ity, fa tsy vitan’ireo mpitondra rehetra teo aloha.
Tamin’ny fampielezan-kevitry ny kandidà ho filohan’ny Repoblika dia nanao velirano ny filoha ankehitriny, fa hatao Miami ny tanànan’i Toamasina. Tsy hiresaka afa tsy io eto satria maro ireo tanàna hatao ho toy ireo tanàna any ivelany any. Mijery aty tokoa ny mason’izao tontolo izao satria roa taona aty aoriana dia tsy mbola miainga izany fanavaozana izany.
Rehefa tafiditra teto ny valanaretina covid-19 dia nidehaka indray ny filoha, fa nahomby ny fikarohana nataon’ny manampahaizana Malagasy satria nahita fanafody, ka i Madagasikara no hanavotra izao tontolo izao. Tsy fantatra intsony anefa, na miaro na manasitrana ny aretina, ny CVO kanefa dia naniraka olona taty tokoa ny firenena maromaro naka ity CVO ity. Niandry ny akon’ny nampiasana ny fanafody tany amin’ireo firenena naka ny anjarany, fa ny fantatra dia tsy araka ny nandrasan’izy ireo ny vokatra azo tamin’ny fampiasana ny fanafody avy eto Madagasikara. Tsy faminaniana velively izany ny naloaky ny vavan’ilay vehivavy nilaza ho mpaminany avy any Brezila, satria tsy avy eto velively ny fanavotana izao tontolo izao tamin’ny covid-19.
Nitodika taty Madagasikara ihany koa izao tontolo izao tamin’ny resaka fanendrena “governora” any amin’ny Faritra satria mifanipaka amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana, satria fidiana ny Lehiben’ny faritra.
Taty Madagasikara indray ny mason’izao tontolo izao raha nitranga ilay nahatrarana ny volamena 73,5 kilao tatsy Afrika Atsimo ny voalohandohan’ny volana janoary teo. Variana ny any ivelany satria mivadibadika toy ny lela may ny filazan’ny mpitondra satria sady mitaky ny hamerenana ny volamena eto kanefa dia milaza ihany koa fa avy any Mali izy ireo. Nilaza ihany koa ny fitondrana fa antsokosoko no namoahan’ireo telo lahy ny volamena kanefa nandefa mpisolovava tatsy Afrika Atsimo ny mpitondra nangataka ny hamerenana azy ireo eto.
Mangotraka ny ady manoloana ny fitakiana ny fahamarinana sy mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy fitantanana ara-bola avy any amin’ireo mpiara-miombon’antoka tamin’ny valanaretina covid-19. Liana ihany koa ny vahiny eto an-toerana mahita ny filaharana eny amin’ireny toerana voatokana fivarotana ny “tsaky tsinjo” amin’ny vidiny zato ariary ireny, ka azo inoana fa mandefa ny sary any ivelany any.
Efa niaraha-nahafantatra ny taratasy nalefan’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny minisitry ny Fitantanam-bola sy Toekarena, ny talata lasa teo momba ny orinasa Jirama sy ny fampidiran-ketra eto. Hisy fiantraikany mivantana eo amin’ny fiainam-bahoaka ity tranga ity satria manaporofo ny tsy fahafehezan’ny fitondrana ny fitantanana ny raharaham-pirenena sy ny goragora izay miteraka fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ka mitodika aty ihany koa ny mason’izao tontolo izao araka izany.
Amin’ity anio ity dia ho hita eo indray na hibirioka any amin’ny làlana tsy tokony hizorany indray ny lazaina fa mpitandro ny filaminana, ka tsy “ho an’ny Tanindrazana” intsony ny filamatr’izy ireo, fa hivadika “Hamono ny Vahoaka” izay nosantariny tamin’ny fandatsahan-dràn’ny mpianatra tany amin’ny Oniversite Toamasina. Ho tazanin’izao tontolo izao raha hanaja izany “demokrasia” izany ny mpitondra ary tsy hanitsakitsaka ny voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana indray mandeha indray. Tsara ho fantatra fa na lakaoly inona no ipetahana eo amin’ny seza dia tsy maintsy hiongotra izany amin’ny fotoana efa voafetran’Andriamanitra, sy aamin’ny fotoana hanalan’ny vahoaka izany fahefana izany eo am-pelatanan’ny mpitondra.