Helisoa
Marobe ny zavatra tsy nazava teto amin’ny firenena nandritra ny fitondràn’ny mpanongam–panjakàna Andry Rajoelina . Ankehitriny, ingahy io milaza fa hanavotra an’i Madagasikara hono? hoy Ignace Randriamamizafy na Gôna.
Maro ny fanontaniana mila valiny atao amin’ity mpanongam-panjakàna ity noho izany, satria hita miharihary ny volabe afafiny amin’ny fampielezankevitra mialohan’ny fotoana ataony manerana ny faritra maro eto Madagasikara.
Ankoatra ny vola vidin’ny fiaramanidina Force One sy Two sy vy any Soalala ary ny hafa dia mbola fanontaniana mipetraka atao amin’ny filohan’ny tetezamita.
Andry Rajoelina sy izay tompon’andraikitra tamin’ izany: natao aiza daholo ireo fiara Prado Yaris, Mercedes, Golf miisa 300 saika nanaovana ny sommet africain teto tamin’ny taona 2009? Natao aiza daholo ny tracteurs miisa 1000 nomen’ny fanjakana Indien izay natoby tao Iavoloha? Lasa aiza daholo ireo 4×4 Toyota Pick–up miisa 200 nampiasain’ ny depiote sy ny senatera nandritra ny fitondràna Ravalomanana izay nalaina ankeriny tamin’ireto farany ny taona 2009 rehefa noravana ireo andrim-panjakàna ireo ka nosoloina HAT?
Mila valiny daholo ireo hoy ny mpitaritolona teo amin’ny Magro, Ignace Randriamamizafy, izay tokony ho valian’ny tariky ny mpanongampanjakàna milaza hanavotra an’i Madagasikara amin’izao.