Sôh’son
Afaka tapa-bolana mahery andro vitsy, dia higadona ny andron’ny 29 Martsa. Andro lehibe izay hahatsiarovana ireo mahery fo Malagasy, tia tanindrazana nitolona ho amin’ny fanafahana ny firenena eo ambany ziogan’ny fanjanahantany frantsay ka hahatonga an’i Madagasikara hiaina ao anaty fahaleovantena. Rà Malagasy maro no niraraka namonto ny tany, tsy nasian’ny mpanjanatany frantsay antra na kely aza; Malagasy maro, aman’hetsiny, no namoy ny ainy sy nitondra takaitra noho ny herisetra sy hetraketraka tao anatin’izany; fianakaviana maro no rava sy very fananana. Tsy ho voakosoka ny lasa ary hipetraka mandrakariva ho tantara ho fantatry ny taranaka fara aman-dimby na dia misy tsy valahara, mitady hanova sy hanamboamboatra izany tantara izany aza.
Namoa-doza teto amin’ny tany sy ny firenena Malagasy ny mpanjanatany sy ny fitondrana frantsay nandritry ny enimpolo taona mahery. Izany fomba ratsiny izany, mbola misy tarazo mandraka ankehitriny, na eo amin’ny fitantanam-panjakana, na eo fomba fisainana, na eo amin’ny tontolom-piainan’ny firenena amin’ny ankapobeny mihitsy. Paik’ady efa nofaritana tamin’izany fotoana izany toe-javatra izany ary mbola ezahina hatrany ny hampahomby azy eto amin’ny firenena. Manana ny olony novolavolainy rahateo ireo mpanao politika maloto frantsay nandova ny toe-tsaina mpanjanatany. Tsy voatery ho any Frantsa akory izy rehetra, fa na eto amin’ny firenena aza dia misy azy. Maro amin’izy ireo no mitana toerana ambony eto na any amina orinasa matanjaka toy ny banky.
Tsy mba noeritreretin’ireo mpitolona tamin’ny 1947, fa hisy Malagasy, tomponandraikitra, ho sahy hamoritra toy ny ataon’ny mpanjanatany fehizany, aty aoriana rehefa azo ny fahaleovantena. Azo eritreretina ve ny hisian’ireo hahafoy handatsaka ny ràny tamin’izany, raha toa ka toy izao ny zava-hisy aty aoriana? Ho vahoaka rotehin’ny fahantrana, ny fahasahiranana lalina, anjakan’ny tsy fandriampahalemana, fa tsy mahavita mamongotra ny asan-jiolahy ireo “mpitandro filaminana”; hisy mpitondra tsy mahalala afa-tsy ny sezany sy ny tombontsoan’ny tenany ary hangoron-karena fotsiny; ny hisian’ny firaisana petsapetsa amin’ny vahiny amin’ny fandrobana ny haren’ity firenena ity ka atao tantely afa-drakotra; ny hikorosofahan’ny toe-tsaina ka atao ambanin-javatra ny soatoavina sy ny hasina tena notandrovin’ny Malagasy fatratra, sns…
Miendrika “fampandriana adrisa” fotsiny, na fandrebirebena ny Malagasy ny fihetsiketsehana be samihafa tanterahina rehefa amin’ny fotoana itsingerenan’io andron’ny 29 Martsa io amin’izao fotoana izao. Ny andron’ny 29 Martsa 1947, 74 taona lasa izay, natao hanilihana ireo zioga sy geja sy fanjakazakana mbamin’ny fampiasan-kery amin’ny vahoaka Malagasy sy ny fambaboana ny hareny. Moa tsy mbola hita soritra izany ankehitriny? Mihivingivina ny tena mahita ireo lazaina ho “mpitandro filaminana” mirongo basy sy fitaovam-piadiana mahery vaika miaraka amin’ny fiara mifono vy manerana ny tanàna rehefa misy vahoaka mikasa hidina an-dalambe. Inona no mampiavaka azy ireo amin’ny mpampandry tany frantsay tao anaty fanjanahantany. Ireto farany izay tsy niahotra nisambotra, nanao herisetra, nanagadra ary namono mihitsy aza ny Malagasy sahy nijoro nitsangana nanohitra azy ireo. Inona no mahasamihafa izany amin’ny zavatra hita ankehitriny? Izao aza no tena manahirana ny saina ny mahita sy mieritreritra azy satria samy Malagasy no eto, ary ny lehibeny tsy miahotra miteny sy mandrahona amin’ny mpiray tanindrazana aminy ihany mba mikasa haneho hevitra. Nisy fotoana ihany koa anefa, tao anaty fanjanahantany ihany, tamin’ny andron’i Jean Ralaimongo, ka afaka naneho hevitra nidina an-dalambe ny vahoaka Malagasy namakivaky an’Andohan’Analakely sy hatreny amin’ny araben’ny fahaleovantena nihiaka sy niantsoantso fahaleovantena. Ankehitriny tsy azo atao izany. Azo porofoina tsara, ohatra, raha hisy vahoaka Malagasy hidina an-dalambe, hanao fihetsiketsehana be, hiantsoantso ny famerenana ireo Nosy Malagasy bodoin’ny fitondrana frantsay hankeo anoloan’ny Masoivoho frantsay eny Ambatomena. Ny rehetra no tonga dia hiara-hiaiky sy hino, fa ho avy amin’ny angady sy harona ny “mpitandro filaminana Malagasy” miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ary handroaka ireo olona ireo na mety hisy fisamborana mihitsy. Inona no fahaleovantena amin’izany? Mbola ao anaty geja ny vahoaka Malagasy sy ny firenena ankehitriny. Moa tsy mitovy tamin’ny 74 taona lasa ve izany? Ny vanim-potoana sy ny tontolo fotsiny no miova. Tsy ho izao mpitondra izao mihitsy sy ireo manam-pahefana ambony miara-dia aminy miseho ho mahay no ho sahy hitaky ampahibemaso onitra amin’ny fitondrana frantsay, toy ny nataon’ireo firenena voazanaka sasany. Izay mora voafitaka, voafitaka eny ihany; soa fa misy ny efa mahatsapa na ireo tonga saina ny amin’ny zava-misy marina, ary manomboka mijoro. Anisany ireo niseho tato ho ato.