Ny Valosoa
Raha tsiahivina fohifohy ny voalaza tamin’ny laharana farany teo dia nambara teto ny fijoroan’ny Firenena Mikambana (ONU), taorian’ny fahavitan’ny ady lehibe faharoa , izay nitarika ny fitsanganan’ny MDRM tany Paris, nitohy tamin’ny fananganana ny PADESM ary ny fipoahan’ny raharaha ny Sabotsy alina 29 Martsa 1947 tany Moramanga .
Samy niasa ny Mdrm sy ny Padesm
Taorian’ny fijoroan’ireo antoko roa ireo dia nisy ny fifidianana solombavambahoaka , ka voafidy ho Depiote ny Dokotera Raseta Joseph Delphin, sy ny Dokotera Ravoahangy Andrianavalona Joseph.
Mazava ny fomba fiadin’ny Mdrm, fa fitakiana fahaleovantena ao anatin’ny filaminana tsy mila fampiasan-kery, natahotra mafy ny lanjan’ny Mdrm ny frantsay , ka nitady izay fomba rehetra niampangana ity antoko mamin’ny malagasy maro an’isa ity, ka ny hevi-dratsy hitan’ny mpanjanatany dia ny fiampangana ny Mdrm ho mpikomy sy mpanafika toby miaramila.
Raikitra tokoa ny vono olona ny alin’ny 29 Martsa 1947, ary nampangaina ny Mdrm ho tompon’andraikitra nanapoaka ny raharaha, satria nambara fa nisy ireo nikasa hanafika ny toby miaramila tao Moramanga, efa voaomana avokoa ny tetika rehetra, niafara tamin’ny famonoana ny mpiray firenena nahatratra 90 000 mahery manerana ny nosy, ary fisamboran’olona maro be koa. Niakatra fitsarana ireo mpitarika Mdrm, tao Andafiavaratra no natao ny fitsarana, ka nalefa sesitany tany Frantsa ireo mpitarika toa an’i Raseta, Ravoahangy, Rabemananjara, sns… Ny Padesm indray dia nijoro hatrany sady tsy nisy voasambotra rahateo, ka nanohy ny fanomanana ny fiverenan’ny fahaleovantena niaraka tamin’ny frantsay.
Ny Volana Septambra 1958 dia nampanaovin’ny fitondrana frantsay fitsapan-kevibahoaka ireo zanatany frantsay, ny fanontaniana novaliana tamin’ny” eny” sy ” tsia” tamin’ izany dia nanao hoe: Ekenao ve ny Repoblika ao anatin’ny Firaisambe frantsay? nandresy ny tsia teto Antananarivo Renivohitra sy ny faritanin’Antananarivo, saingy rehefa natambatra ny vato manerana an’i Madagasikara dia nandresy ny “eny”, ka napetraka ny Repoblika voalohany tamin’ny 14 Otobra 1958, ary nitohy tamin’ny fahazoana ny fahaleovantena ny 26 Jona 1960, mazava fa ny olon’ny Padesm no nahazo ny fitantanana ny firenena.
Nanjaka hatrany “ ny zarazarao hanjakana”
Fomba fiadin’ny mpanjanatany io “zarazarao hanjakana io “, satria fantatr’ireo vazaha tsara fa raha tena miray hina ny malagasy, dia azo antoka fa tsy hanana fahasahiranana amin’ny fahazoana ny fahaleovantena, ka nampiadiana ny Mdrm sy ny Padesm , ny nahavariana anefa raha nikabary tany Brazzaville i Norbert Zafimahova dia mitovy tanteraka tamin’ny fomba fijerin’ny Mdrm ny nambarany tamin’izany.
Mbola misy ireo mampiady ny taranaka Mdrm sy Padesm aty aoriana, kanefa dia maha te-hidera ny fihetsik’ireo zanaka Padesm sasany toy ny Kolonely Ratsimandrava izay nahasahy namerina ny rafitra fokonolona fomba nahomby tamin’ny andron’Andrianampoinimerina, Mompera Remi Ralibera izay nijoro hatramin’ny farany nanohitra ny sivana teo amin’ny asa fanaovangazety, sy nanao izay nampahomby ny firaisampinoana ary tsy azo adinoina Ramatoa Ruphine Tsiranana, izay nanameloka hatrany ny fanonganampanjakana.
Misy anefa ireo taranaka Mdrm izay manao ny tsy fanao satria mifanohitra tanteraka amin’izay nataon’ireo ray amandreniny ny nataon’izy ireny, nisafidy ny tsy hanonona anaran’olona isika eto amin’ny gazety.
Nody an-tanindrazana ireo sesitany tany ivelany
Niverina ny fahaleovantena tamin’ny 26 Jona 1960, nandray fanapahankevitra ny Filoha Philibert Tsiranana nangataka ny fampodiana ireo mpitarika Mdrm nigadra tany Frantsa. Ny 30 Jolay 1960 dia tafody soamantsara ary notsenaina tamin’ny fomba makotrokotroka teny amin’ny seranampiaramanidina teny Arivonimamo ireo mpitaritolona 7 mirahalahy dia : Dr Raseta Joseph Delphin, Dr Ravoahangy Andrianavalona Joseph, Rabemananjara Jacques, Rakotovao Martin, Rakotoarison Auguste, Joel Sylvain ary Tata Max. Feno olona ny arabe nanomboka tany Arivonimamo hatraty Antananarivo, ary efa maizina ny andro vao nigadona tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fiara nitondra azy fito mirahalaly.
29 martsa : ankalazaina isan-taona
Fomba mahazatra rehefa 29 Martsa ny mametraka fehezamboninkazo eny amin’ny tsangambato Ambohijatovo, sy eny amin’ny fasan’ny maherifo eny Avaratra Ambohitsaina .
Nanomboka tamin’ny taona 2009 dia miferinaina ny mpitondra tetezamita rehefa hiatrika ireo vahoaka marobe eny Ambohijatovo, matetika no tsy tonga teny intsony Ingahy Rajoelina, fa ny Praiminisitra no nasesiny ho eny.
Fa ny tsetsatsetsa tsy aritra dia misy hatrany ireo lazaina fa mpitolona tamin’ny 1947 hono ary ambaran’ny fitondrana ho menavazana sy bekotro maro holatra, ka mendrika omena fankasitrahana hono, raha ny tokony ho izy anefa amin’izao faha74 taonan’ny raharaha 1947 izao dia tsy mampino intsony ny mbola tokony hisian’ireo mpitolona mbola velon’aina, satria ny kajy tsotsotra fotsiny ny olona 20 taona tamin’ny 1947 dia tokony efa ho 94 taona amin’izao taona 2021 izao, ny dikan’izany dia mety efa mpisandoka ireny mitonona ho niady tamin’ny 1947 ireny, fa ny tena loza anie dia ireo mpitondra mihitsy no manaiky ny fisian’ireo olona vao 80 taona mahery kely, satria zaran’ny fitondrana amin’izao fotoana izao aza misy anaovana fihetsiketsehana anaovana “wera wera “.
Ny amehezana izay voalaza rehetra izay dia tsotra sady mazava: ilaina fantarina ny tantara ary tsy tokony hovana, kanefa koa amin’izao fotoan-tsarotra lalovan’ny firenena izao dia tsy ilaina intsony ny fifampiampangana amin’ny hoe zanaka Mdrm sy Padesm, fa tokony hatao an-tsaina ny hafatra voalazan’ny hira fanevan’ny Mdrm manao hoe “mitsangana ry tanora “.