Ny Valosoa
Kapoaka mangidy firy no mbola ho ampisotroin’ity fitondrana Rajoelina ity, sy ireo ao avara-patana ao amin’ny fitondrany, ny Malagasy an-tapitrisany?
Raha ny halabato nampandaniana an’i Andry Rajoelina, izay navoitry ny fanadihadiana nataon’ireo loholona tamin’ny alalan’ny « enquête parlémentaire » dia miharihary fa voahitsakitsaka ankitsirano ny safidimbahoaka an-tapitrisany. Ary raha ampiana ireo olona mitambatra ankehitriny ao anaty ny Rodoben’ny Mpanohitra, na ny RMDM izany, dia azo lazaina fa vitsy an’isa lavitra i Andry Rajoelina sy ireo mpiara-dia aminy amin’izao fotoana izao. Dia raha mbola ampiana koa ireo tonga saina sy manenina nifidy azy izany dia sisa tavela ireo mpandroba fahefana, sy mpisolelaka ary ireo avara-patana vitsivitsy mahazo ranondranony.
Maro ireo tonga saina sy nanenina, voafitaky ny fampanantenana poakaty sy lainga tsara lahatra. Tsy vitan’izany ihany, fa ao ireo very asa, ireo very na rava fananana, ireo gadraina amin’ny tsy antony sy tsy fitovian-kevitra, ampiana fanesoana, fanambanimbaniana sy dingin-drambo. Saingy mbola tsy ampy ihany izany, fa ankoatra ny efa nahodinkodina ireo fanampiana an-tapitrisa dolara, izay tokony ho nisitrahan’ny sarababembahoaka, indrindra amin’izao olana sy fangirifiriana ateraky ny valanaretina Covid19 izao dia mitohy ny filalaovana ny aim-bahaoka, ka be ny aina afoy ary mbola mety hitohy izany, noho ny fitavozavozana sy saina ratsin’ny mpitondra. Asiana fanesoana kely ihany eny am-pandehana, toy ny hoe nahavita vaksiny tany an-dafy ny solombavambahoaka Siteny, na koa hoe misy ny toerana fitsaboana vaovao andoavambola ary hanasàna ireo mpitsabo tsara sitrapo mba hanampy.
Efa nozarina hisotro mangidy tokoa ny Malagasy ka na kapaoka firy aza dia sotroina hatramin’ny fialàn’ny fofonainy. Efa resy sy reraka ny vahoaka, ka tsy mahatohitra intsony ity fitondrana ity, izay tsy mitsahatra mirehareha sy midehaka, manampatra hery sy fahefana, amin’ny alalan’ny herimpamoretana sy ny fitsaràna. Ireo andrimpanjakana izay natao ho arofanina amin’izany dia nofeheziny eo ambany fahefany daholo.
Izay ve no sitrapon’Andriamanitra, sa tena efa resy ka tsy afaka intsony mampitambatra ny hery ireo voahitsaka sy voahosihosy? Mbola mitoetra ve ny hoe “mamy ny aina” eo anatrehan’ireto namana sy havana tsy tambo isaina “ndaozin’ny fahafatesana”, ndaosin’ny fahafatesana no tena izy? Dia miandry ny kapoaka mangidy manaraka indray aloha ny vahoaka an-tapitrisany mandra-pigoka ny mamy! Na ho ela na ho haingana anefa, misy farany raha jiaby hoy ny fiteny Malagasy izay, ho an’ireto mpitondra mizahozaho, nefa mihanahana ireto.