Radafy
Adihevitra be eto amin’ny firenena ny vaksiny sy ny fanaovana azy efa andro maro izao. Vao mainka nafana ny resaka rehefa niziriziry tsy haka sy hampanao izany ny Filohan’ny Repoblika Rajoelina, taorian’ny nanairan’ny vondron’ny mpanohitra ny amin’ny tokony hanaovana azy haingana hiarovana ny vahoaka Malagasy. Hita ho tsy niova hevitra mihitsy Andry Rajoelina raha tsy efa nisy ny fanerena sy indrindra niha-nitombo ny olona nitondra ny tranga vaovao ary indrindra ny olona nodimandry isan’andro. Niaraha-nahita sy nandre tsara izany tamin’ny alalan’ny haino vaky jery nivoaka isan’andro. Efa nandon-databatra sy nampiaka-peo mafy mihitsy ny avy amin’ny mpanohitra sy ny fikambanana samihafa, vao niova hevitra ny mpitondra firenena ary zary niaiky tsy sazoka aza raha ny fahitana azy. Tsy sazoka satria, mbola nisy indray ny fitavozavozana tamin’ny fandraisana fanapahan-kevitra ny amin’ny idirana ao anaty rafitra “covax”, izay sehatra hanampian’ireo firenena matanjaka sy mandroso ireo firenena mahantra eto ambonin’ny tany, mba hisitrahan’izy ireo vaksiny. Dia niaraha-nahita ihany koa ny vokatr’izany fitavozavozana izany, fa anisan’ny firenena farany hisitraka izany i Madagasikara. I Madagasikara no firenena taraiky amin’izany, ohatra, aty amin’ny Ranomasimbe Indiana nefa izy no be mponina indrindra.
Rehefa nilaza ho tapa-kevitra indray Rajoelina, sy ireo mpiara-miasa aminy dia mbola naka andro sy fotoana indray nisafidianana ny vaksiny ampidirina eto. Nisy ny fifampidinihina tamin’ireo akademisiana siantifika amin’ny seha-pitsaboana. Mbola nisy andro maromaro indray vao nisy fanapahan-kevitra ny amin’izay vaksiny horaisina. Nisy ihany koa anefa fotoana izay tsy nampoizin’ny maro nipoiran’ireo andian-karana anaty fikambanana niseho ho mpikarakara ny vaksiny ho halaina sy hotaterina eto amin’ny firenena. Hita ho nanaraka ambokony fotsiny ny fitondrana tao anatin’izany. Naneho izany ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny fihaonan’izy ireo izay tsy hita ho misy fitsinjovana ny sarambabem-bahoaka mihitsy, fa sokajin’olom-bitsy no hisitraka ny vaksiny halainy. Mbola manamafy izay fihetsika toa mitory fanilihana na mampizarazara olona eto amin’ity firenena ity izay ihany koa, sy maneho toe-tsaim-bahiny hafahafa ny nambaran’ny mpikambana iray ao anatin’ny holafitry ny mpitsara. Ny nahenoina ny amin’ny fisian’ny vola tsy maintsy aloa ho an’izay te hanao vaksiny, izay miendrika “bizina” tsotra izao.
Ny filazana ny hahatongavan’ny vaksiny voalohany eto Madagasikara dia amin’ity herinandro ity. Tsy fantatra mazava ny niaviany sy ny vola lany tao anatin’ny fanafarana azy. Ny hany fantatra sy niteraka adihevitra indray dia ny filazan’ny mpitondra ireo sokajin’olona telo hisitraka izany. Tsy nisy nanohitra ny amin’ny mpitsabo no hisitraka sy hanao izany voalohany, fa ny adihevitra nitranga dia hoe, fa nahoana no mpitandro filaminana no faharoa alohan’ireo zokiolona izay marefo? Anisan’ny nilaza izany ny solombavambahoakan’i Toamasina. Hita ihany koa fa mbola sokajina olona vitsy ihany aloha izany izao no hanao izany amin’izao voalohany izao. Tsy mbola fantatra koa anefa ny amin’izay fotoana, volana sy andro hahatongavan’ny andiany faharoa sy ny manaraka. Rehefa dinihina lalina ny vaovao re rehetra momba ny amin’ity fanaovam-baksiny hotanterahina eto amin’ny firenena ity, dia tsotra no azo ambara. Tsy ny vahoaka Malagasy 25 tapitrisa mahery velively no hisitraka ity vaksiny ity ato anatin’ny volana maromaro ho avy na amin’ity taona ity mihitsy. Mazava loatra, ary tsy tokony hanonofy ny vahoaka Malagasy ny amin’izany, raha maharaka ny zava-misy maneran-tany. Ohatra, voalaza ary nalaza tokoa tato ho ato, fa anisan’ny nahavita be tamin’ny fanaovana ny vaksiny ny vahoaka any aminy i Israël. Tsy 100% anefa izany, fa tany amin’ny manodidina ny 70% tany ho any. Firenena mandroso io. Misy ihany koa firenena vitsivitsy ao Eôrôpa toy izany, tsy mahavita 100% ny mponina ao aminy; ary misy aza aty Afrika efa nisy firenena nahavita ampahany be amin’ny mponina ao aminy. Famitahana ny vahoaka Malagasy raha hisy sahy hilaza, fa ho vita vaksiny avokoa tsy ho ela. Kanefa raha misy tokoa ny finiavana sy ezaka mafy sy madio hatao ary tena fitiavana ny vahoaka sy mifofotra ny amin’izay hahasoa azy marina, dia mba mety ho afaka hitovitovy amin’ireny firenena ireny ihany isika eo amin’ity resaka fanaovam-baksiny ity. Fa ny hita ho manahirana hatreto, ilay fitondrana mihitsy no tsy manana fomba fiasa mazava sy hentitra. Tsy mahafehy ny eo am-pelatanany sy ny sangodim-pivoarana eo amin’ny sehatra iraiasam-pirenena izao fitondrana izao.
Iaraha-mandre ny fanapahan-kevitr’ireo firenena any ivelany amin’ny vaksiny. Misy ny firenena mihazakazaka amina karazam-baksiny iray dia avy eo indray mampiato izany ary soloiny vaksiny hafa, fa tsy mahafapo azy. Anisan’izany i Danemark, izay vao nampiato ny vaksiny Johnson & Johnson indray izao, noho ny voka-dratsy aterany ambadika na “effets secondaires”. Tsy izy ihany anefa no manao izany. Hanao ahoana ity vaksiny nambara ho entina eto amintsika ity? Hanao ahoana ny ho fizotran’ny fanaovam-baksiny sy ny ho fiantraikan’izay eo anivom-piarahamonina? “Aleo hiakatra hifanatrehana”, ary “eo am-pandrasàna mahita ny atiny”, hoy ny fitenenana; ary ny ampitso no hanambara ny valiny.