Andry Tsiavalona
Tafahoatra loatra ny tranga manaporofo ny kitotoa ataon’izao fitondrana Rajoelina, nambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ho fahefana ara-dalàna izao raha tsy iresaka ny “doublons” roa hetsy sy iray tapitrisa nambaran’ny filoha lefitry ny Vaomiera Mahaleotena miandraikitra ny Fifidianana (CENI) ny volana febroary 2019. Efa manomboka adinon’ny vahoaka Malagasy ny ankamaroan’izy ireny, ka tsara ihany ny mampatsiahy azy ireny.
Ny voalohany tamin’izany, ny fanambarana fa raha ireo mpiaramiombon’antoka ara-bola mahazatra ireo no hianteherana dia tsy handroso i Madagasikara na amin’ny 2030 na 2050 na 2060. Nanomboka tamin’ny nidiran’ny valanaretina covid-19 anefa dia ireo mpamatsy vola ireo no manampy betsaka ny firenena, saingy tsy mazava ny fitantanana izany vola tsy toko tsy forohana, efa ho arivo tapitrisa dolara izany. Taoriana kelin’io fotoana io dia nanambara indray ny filohan’ny Repoblika, fa hitodika aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao rehefa nanaparitaka ny CVO izy. Namafisin’ilay “mpaminany vavy” avy any Brezila tamin’ny fanambarany ihany koa moa, fa avy eto no hivoaka ny fanafody hanasitrana ny valanaretina. Niaraha-nahalala fa fahafaham-baraka maneran-tany no vokatr’ireo fanambarana ireo. Rehefa nalaza eran-tany indray ny vaksiny dia nanambara ny filoha, fa tsy ilaina izany fa ny CVO no nanasitrana azy sy ny fianakaviany ary naratsiany ny vaksiny na dia misy karazany fito aza nambarany. Namafisin’ny minisitra vehivavin’ny serasera sy ny kolontsaina koa ny fanaratsiana. Nanafatra vaksiny “covishield” 250 000 daozy ihany anefa saingy ireo lohan’ny fahefana mpanatanteraka tsy nisy tonga nitsena teny Ivato kanefa maro ireo masoivohon’ny firenena any ivelany sy ny solontenan’ny fikambanana iraisam-pirenena tonga teny avokoa. Tsy nazava ihany koa moa, iza marina no nanafatra ireo ary volan’iza na vola avy aiza. Ny zava-misy teo aloha teo dia sahiran-tsaina ny vahoaka ary tsy narisika hanao vaksiny ny ankamaroany satria etsy andaniny dia teo ny fanaratsiana nataon’ny mpitondra ary ankilany dia tsy misy fanentanana momba izany mihitsy. Napetraka foana ny fepetra sy ny fihiboana kanefa tsy nisy fanampiana mifanandrify tamin’izany, fa dia nisedra ny tsy eran’ny aina ny vahoaka satria tapaka tanteraka ny fitadiavana ho an’ireo mpanao asa-tena toy ny mpivarotra ohatra.
Tsy azo hadinoina ihany koa ny resaka volamena 73, 5 kilao tratra tatsy Afrika tsimo. Ny trondro madinika na pirina izay tsy mahafantatra na inona na inona, fa fitaovana fotsiny ihany no any am-ponja, fa ny “foza be” dia mbola miriorio any ihany. Na dia nesorina amin’ny toerany enim-bolana aty aoriana aza ny tale jeneralin’ny ACM dia tsy manova ny tsy rariny mihàtra amin’ireo any am-ponja izany satria azo inoana fa ho voatendry amin’ny hafa any ho any ihany izy.
Tokony tsy ho azo fafana ao an-tsain’ny mpiray tanindrazana ihany koa ny jadona mahazo vahana eto amin’ny Firenena, ka tsy manana fahafahana maneho hevitra sy mivezivezy malalaka intsony ny olompirenena malagasy. Tsapa fa tsy manana ny fahaleovantenany ny mpitsara, fa avy any amin’ny faratampon’ny fahefana no manindry amin’ny didy tsy maintsy avoaka, ka tsy voahaja intsony ny fisaraham-pahefana, fa ny mpanatanteraka no mibaiko eo amin’ny sehatra rehetra. Santionany amin’izany ny raharaha Rolly Mercia, Berija, ireo 12 mianadahy nikasa namonjy ny tatitra nataon’ny depiote eto Antananarivo Renivohitra, ireo telolahy namono karana tetsy Ivandry izay soa ihany fa nanome baiko ny nitazonana na namerenana ireto farany any am-ponja, andro maro aty aoriana, ny minisitry ny Fitsarana. Porofo ihany koa ity tranga ity, fa tsy manana ilay hakingan-tsaina (réflexe) eo no eo entina miatrika ny zava-misy ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Manamafy ny tsy fananan’ny Fahefana mpitsara fahaleovantena ihany koa ny raharaha ady tany etsy Antanandrano.
Tsapa kosa anefa etsy ankilany, fa tena manao izay tiany atao ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ka tena nanaitra sy nanafintohina ny maro ny nanaovan’ny zandary ny filoha Ravalomanana Marc, tsy indray mandeha fa indroa tao anatin’ny andro vitsivitsy. Ny tena manahirana dia tsy ny mpanome baiko velively no mety hifoteran’ny rambony, fa ireo mpanatanteraka izany toy izay nitranga tamin’ny raharaha 1972. Tsy azo ekena ho tantara mipetraka fotsiny ny fanafihan-dahalo tany Midongy Atsimo, satria namoizana aina Malagasy sy nahaverezana omby manakaiky ny arivo ary ny fahamaizan’ny trano aman-jatony kanefa dia efa mitady ho hadinoina sahady, satria veriverezina amin’izao kabary tsara lahatra sy fandefasana horonan-tsary manaitra ny maso sy ny matoritoria fa hanaterako hena ny gasy. Mitohy ny fampandriana adrisa ataon’ny filohan’ny Repoblika, ka niaraha-nahalala ny nataony tany Soalala sy ny tany Faradofay farany teo.
Tena marina ny nolazainy, fa ny tsy vitan’ireo mpitondra nifandimby tao anatin’ny enimpolo taona dia vitany tato anatin’izay roa taona sy tapany nitantanany ny Firenena izay ny fampanantenana poakaty maro tsy ho tanteraka. Tsy afaka hiandry ny tantara hitsara ny Malagasy, fa azo inoana kosa fa hitsara hanapaka ny geja hamatorana azy sy handrodana ny jadona nampizakain’ny mpitondra azy.