Sôh’son
Hatreto tsy heno ny valin-kafatra avy amin’ny fitondrana Rajoelina, momba ny fihetsiky ny fitondrana frantsay ao amin’ny Nosy Sambatra (îles Glorieuses), tamin’iny herinandro lasa iny. Ny fitondrana frantsay izay efa mitompo teny fantatra, fa azy io Nosy io ary anatanterahany tetikasa momba ny tontolo iainana. Izany hoe efa tsy misy antenain’ny malagasy intsony izany, fa lasan’ny frantsay ambongadiny ny Nosy Malagasy, ary ahiana mbola hanaraka aza ireo hafa raha ny fihetsiny izay nilaza vao tsy ela izay hanao asa ihany koa amin’ireo. Nahoana no tsy andrenesam-pitenenena ny fitondrana Rajoelina manoloana izany. Izy ilay nilaza, herintaona lasa izao, fa tsy maintsy tafaverina amin’ny Malagasy ireo Nosy manodidina mialoha ny 26 Jona nanamarihana ny faha-60 taona niverenan’ny fahaleovantena. Hatramin’izao tsy andrenesam-peo momba izany intsony ny tenany. Resy eo anoloan’ny fitondrana frantsay ny fitondrana Malagasy?
Tsy ny vahoaka Malagasy sy tsy toe-tsainy no manaiky ho resy tsy miady izany. Ny zava-misy anefa, miseho hahavita irery izany ny fitondrana, ary mirehaka mihitsy ny amin’izany. Ny vahoaka ailika sy atao antsisiny amin’ny raharaha, ary tsy henoina mihitsy. Porofon’izany, tsy mbola naheno na nahita ny maro, fa niantso ireo fikambanana saropiaro amin’ity tany ity sy ny fiandrianam-pirenena ny fitondrana hidinika amin’izay atao. Tsy lavina, efa nisy fikaonan-doha natao momba izany nefa toa tsy hita izay vokany hatreto. Anisan’ny mitarika amin’ny fitakiana ny hiverenan’ireo Nosy ireo amin’ny Malagasy ny antoko Otrikafo. Tsy hita anefa izay fihainoina ireny fikambanana ireny. Nankarary fo ny maro mihitsy aza ny nandefasana mpitandro filaminana handroaka azy ireo raha nanao hetsika teny anoloan’ny Hotel Carlton Anosy raha nandalo taty ny filoha frantsay teo aloha. Izany hoe, tsy mihevitra velively ny momba ny hevitry ny vahoaka Malagasy ny fitondrana. Mety nihevitra izy fa hahatafavoaka baolina irery, ka hidehaka ny amin’izany toy ny fanaony, fa tsy misy hoatra azy ireo teo aloha. Izao anefa iaraha-mahita, fa hanahirana manomboka izao ity raharaha ity, noho ny fitavozavozana, sy izay fomba fiasa tsy mahomby sy ny fiheverana ny vahoaka.
Lesoka lehibe sy tsy fahombiazan’ny fitondrana Rajoelina izao nambaboana ny Nosy Sambatra izao, sy amin-javatra hafa ihany koa. Mba tsy hikorontanan’ny saim-bahoaka amin’izany, dia atao izay rehetra hanodinana ny sainy. Anisany ny tampi-maso amin’ny fanehoana, fa hoe miasa ny fitondrana, ka mandeha miolomay etsy sy eroa na dia tsy mbola misy asa mivaingana aza. Ny zavatra ataony hatreto anefa, tsy hita misongadina mampitombo ny kitapom-bolan’ny isan-tokantrano sy ny sakafo miditra eo am-bilaniny akory. Ny zavatra mahamaika ny vahoaka no ilàny vahàna haingana, fa tsy fotodrafitrasa izay mety hanagorobaka hatrany ny any am-paosiny.